bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 23
Isaiah 23
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 24 →
1
Hafatra momba an’i Tiro. «Midradradradrà mafy ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô, satria rava ny serananareo.» Fony izy tonga avy any amin’ny nosy Sipra no nandrenesany izany vaovao izany.
2
«Aoka tsy hahateny tsy hahavolana ianareo mponina amoron-tsiraka, dia ianareo mpandranto ao Tsidôna izay mandefa iraka hamakivaky ny ranomasim-be.»
3
Izay afafy eny amoron’i Neily dia i Tsidôna no mioty azy; izy no mandray ny tombombarotr’ireo firenena.
4
Koa fahavoazana moa izato manjo anao, ry Tsidôna, tanàna mimanda eo amoron-dranomasina! Fa hoy indrindra ny ranomasina hoe: «Laviko ny hihetsi-jaza na hiteraka, laviko ny hitaiza zazalahy na hanabe tovovavy.
5
Raha mandre izany i Ejipta, dia hihoron-koditra tahaka ny hampihoron-koditra azy koa noho izay efa hanjo an’i Tiro.
6
«Ndeha mamaky ranomasina hatrany Tarsisy ka manaova antsoantsom-pitarainana, ianareo mponina amoron-tsiraka.
7
Dia ity tokoa ve ilay tanànareo izay naresaka dia naresaka fahiny, sy efa niorina hatry ny ela ary nandeha nanjana-tany hatrany lavitra any?»
8
Iza no nanapa-kevitra hamely an’i Tiro izay mpizara satroboninahi-panjakana? Ny mpandrantony dia tahaka ny printsy ary ny mpandraharahany anisan’ireo olona nohajaina tetỳ an-tany, ka iza no nanapa-kevitra hamely an’i Tiro?
9
–Ny TOMPOn’izao rehetra izao no nanapa-kevitra hanao izany mba hanetrena ny fireharehana eo amin’izay rehetra mpitady voninahitra sy hanaovana tsinontsinona ireo rehetra nohajaina tetỳ an-tany.
10
«Voleo ny taninao, ry Tiro, ka ataovy toy ny eny amoron’i Neily, satria tsy hisy seranana intsony ho an’ny sambon’i Tarsisy.»
11
Efa naninji-tanana ny TOMPO, mba handrahonana ny ranomasina, efa nampangorohoro ny fanjakana maro Izy, ary efa nanome baiko handravana ireo tanàna mimanda teo amin’ny Kanahanita.
12
Fa hoy ny Tompo hoe: «Tsy afaka hiravoravo intsony ianareo mponina ao Tsidôna fa afa-baràka toy ny virijiny naolana. Na hiainga aza ianareo ka hiampita hatrany amin’ny nosy Sipra, dia tsy hanam-pitsaharana any akory.
13
Mba jereo ange ity tanin’i Sipra! Tsy misy intsony ny maha firenena azy. Nataon’ny Asirianina tobim-pamaharana eo anivon-dranomasina io nosy io, ary nananganany tilikambo fitiliana sy nanorenany tanàna mimanda; kanefa lasa korontam-bato miavovona ireny.
14
Midradradradrà mafy ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô, satria rava ny fialofanareo.»
15
Amin’izany andro izany, dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, izany hoe mandritra ny andro iainan’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona, dia hihatra amin’i Tiro izay nolazain’ny tonon-kira momba ny mpivarotena hoe:
16
«Raiso ny lokanganao ka tetezo ny tanàna, ry kala janga hadino. Mitendre tsara ianao ka mahereza mivazovazo mba hahatsiarovana anao.»
17
Rehefa afaka fitopolo taona, dia hirotsaka an-tsehatra ao Tiro ny TOMPO. Hiverina hanao ny fanaony indray izy ka haka tombony mihoa-pampana amin’ny firenena rehetra eran-tany.
18
Nefa ny tombombarony sy ny vola azony dia hatokana ho an’ny TOMPO. Tsy hangonina ireny na hotahirizina fa hatao sakafo hamokisana ireo mitoetra eo anatrehan’ny TOMPO, sady hividianana fitafiana mendrika ho azy.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66