bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 49
Isaiah 49
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 50 →
1
Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.
2
Nataony toy ny sabatra maranitra ny teniko, sady arovany ao ambany aloky ny tanany aho; nataony toy ny zana-tsipîka voarangitra tsara aho ka voaafiny tao amin’ny tranon-jana-tsipîkany.
3
Hoy Izy tamiko: «Ianao no mpanompoko, ilay Israely entiko maneho ny voninahitro.»
4
Fa izaho kosa manao anakampo hoe: Very maina ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko. Kanefa ny rariny ananako dia ao amin’ny TOMPO; ary Izy Andriamanitro no valisoako.
5
Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO, Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba hahatonga ahy ho mpanompony ka hampodiako aminy ny taranak’i Jakôba sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany; fa mahazo voninahitra eo imason’ny TOMPO aho, ary Izy Andriamanitro no heriko.
6
Dia nitenenany aho ka nataony hoe: «Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao mba hampitraka ireo foko taranak’i Jakôba sy hampody ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely. Fa omeko ho fanazavana ho an’ny firenen-kafa koa ianao mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.»
7
Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona sy ankahalain’ny firenen-kafa, ary andevozin’ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: «Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»
8
Izao koa no lazain’ny TOMPO: «Tamin’ny fotoana mety dia namaly ny antsonao Aho, ary tamin’ny androm-pamonjena dia tonga namonjy anao Aho. Nokolokoloiko ianao mba hataoko ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona. Noho izany, dia hanarina ny tany Aho sy hizara indray ny lova efa rava;
9
ka ny mpifatotra izay ao anaty haizina dia hitenenako hoe: ‹Mivoaha tao ianareo, misehoa.› Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo, ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy mirao-bilona amin’ny havoana rehetra.
10
Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo ary tsy hampaninona azy akory na ny rivo-mahamay na ny masoandro, satria am-pitiavana no hitarihako azy ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrako azy hiala hetaheta.
11
Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana; ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra.
12
Indreny izy fa tonga avy any lavitra, ny sasany avy any avaratra, ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina, ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»
13
Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany; manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra, fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany ary naneho indrafo tamin’ny mahantrany.
14
I Tsiôna nanao hoe: «Efa nandao sy nanadino ahy ilay ANDRIANANAHARY Tompo.»
15
Fa ny TOMPO kosa mamaly hoe: Moa manadino ny zanany minono ve ny vehivavy na tsy tia ny zaza naloaky ny kibony intsony? Na dia mety manadino aza izy, Izaho kosa tsy mba hanadino anao.
16
Indro efa vitako tombokavatsa eo am-pelatanako ny anaranao, ary eo imasoko hatrany ny mandanao.
17
Tamy faingana ireo mpanarina anao; fa miala manalavitra anao kosa ireo nandrava sy nanimba anao,
18
Atopazo ny masonao hijery manodidina, ny zanakao rehetra dia mivory mankeo aminao. Velona Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ka mianiana fa izy rehetra dia hataonao fihaingo toy ny firavaka ary hataonao fietra toy ny fehikibon’ny ampakarina.
19
Eny, toerana rava sy fonenana lao ary koa tany simba no fahitana anao izao; kanefa tsy ho omby mponina intsony ianao atsy ho atsy ary handositra lavitra ireo nandripaka anao.
20
Nihevi-tena tsy hanan-janaka intsony ianao, kanefa hiteny eo an-tsofinao indray ny zanakao hifampilaza hoe: «Tery ny toerako, fa mikisaha kely mba hipetrahako.»
21
Ianao kosa, ry Tsiôna, dia hanontany tena hoe: «Iza no nanome ahy ireto zanaka ireto? Maty anaka aho teo ary tsy mba nanantena ny hanan-janaka intsony, sady natao sesitany sy ankilabao. Koa iza no nahalehibe an’ireto? Indro aho navela hanirery, fa mba avy taiza kosa ireto?»
22
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro hasandratro ny tanako hanatsika ny firenen-kafa; ary hatsangako ny fanevako ho hitan’ny vahoaka. Dia hotrotroiny no fitondra ny zanakao lahy; ary hoentiny an-tsoroka ny zanakao vavy.
23
Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao ary andriambavy no ho reny mpampinono azy. Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao, dia hoekenao fa Izaho no TOMPO ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.
24
Alaina amin’ny miaramila mahery ve ny rembiny? Sarihina amin’ny olon-doza ve ny babony?
25
Eny, hoy ny famalin’ny TOMPO, na dia ny babon’ny miaramila mahery aza dia halaiko aminy; ary hosarihiko amin’ny olon-doza ny rembiny. Fa Izaho mihitsy, ry Jerosalema, no hiady amin’izay miady aminao sady hanafaka ny zanakao.
26
Ireo olona mpampahory anao kosa hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany ary hataoko mamon’ny ran’ny tenany ihany toy ny mimamo amin’ny divay vaovao. Amin’izay dia ho fantatry ny olona rehetra fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao, ary Izaho ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao.»
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 50 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66