bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 5
Isaiah 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 6 →
1
Avelao aho hihira ho an’ny sakaizako, dia ny hiran’ny sakaizako momba ny voalobony: Nanana voaloboka iray ity sakaizako teo amin’izay tanety lonaka izay.
2
Nasainy ny tany, nesoriny ny vato, ary voaloboka voafantina no namboleny tao. Nanao tilikambo teo afovoany izy ary koa nandavaka famiazam-boaloboka; dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy kanjo namoa voalobo-dratsy.
3
Koa hoy ilay sakaizako hoe: «Ankehitriny, ry mponin’i Jerosalema sy ianareo olona eto Joda, mba tsaraonareo Aho sy ny voaloboko.
4
Inona indray moa no mbola tokony hataoko amin’izany voaloboko izany ka tsy efa nataoko taminy? Nanantena azy hamoa voaloboka tsara aho ka nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
5
Ankehitriny dia hampahafantariko anareo izay hataoko amin’izany voaloboko izany: Hoesoriko ny fefy tsilo miaro azy, dia hiraofan’ny biby fiompy izy. Harodako ny rindrim-bato manodidina, dia ho voahitsakitsaky ny mpandalo izy.
6
Hataoko tany lava volo ilay voaloboko ka tsy hisy hanety sy hiava azy intsony, fa tsilo sy songosongo no hitsiry eo; ary horarako mafy ny rahona tsy handatsaka ranonorana aminy.»
7
Ny taranak’i Israely no voaloboky ny TOMPO, dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao, ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra. Fitandroana ny rariny no nantenain’ny TOMPO kanjo ny tsy rariny no teo; ary fahamarinana no nandrandrainy, kanjo kiakiam-pitarainana no teo.
8
Lozan’ireo olona mpangorona manangon-trano miampy trano sy mamory saha miampy saha, mandra-paha tsy hisy toerana ho an’ny hafa intsony, ka hahatonga azy ho toka-monina amin’ny tany!
9
Fa ny TOMPOn’izao rehetra izao dia reko nanao fianianana hoe: «Tsy maintsy horavana ireo trano maro ireo; eny, na ny lehibe sy mamirapiratra aza, dia ho lao tsy hisy mpipetraka.
10
Ny tanimboaloboka telo hekitara tsy hamokatra afa-tsy divay dimampolo litatra; izay mamafy varim-bazaha zato kilao tsy hioty afa-tsy folo kilao monja.»
11
Lozan’ireo olona mifoha maraina mba hitady toaka sady midoroka divay mandra-paharivan’ny andro!
12
Miala liana amin’ny feom-baliha sy lokanga ombàn’ny ampongatapaka sy sodina ireo; fa izay ataon’ny TOMPO tsy ahoany ary ny asa vitany tsy jereny akory!
13
«Noho izany, hoy ny Tompo, dia hoentin-ko babo ny vahoakako, satria tsy mahalala na inona na inona; ho fatin’ny mosary ny olomanga eo aminy ary ho fatin-ketaheta ny sarambabeny.»
14
Koa nitanatana vava izaitsizy ny fonenan’ny maty sady nanitatra ny tendany hanao telimoka azy; any no hivarinan’ny olomanga sy ny sarambabem-bahoakan’i Jerosalema miaraka amin’ny tabatabam-pifaliany.
15
Noho izany dia tsy maintsy hihohoka sy haetry amin’ny tany ny olombelona; hitanondrika ny olona mpiandranandrana.
16
Hasandratra kosa ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ny fanaovany fitsarana ara-drariny. Hiseho koa ny maha Andriamanitra masina Azy amin’ny fanehoany ny fahamarinany.
17
Eny amin’ny tanàna rava eny no hiraofan’ny zanak’ondry toy ny any amin’ny tany fiandrasana azy; eny koa ny zanak’osy afahy no hitady ny sakafony.
18
Lozan’ireo olona voazioga toy ny omby ho valin’ny ratsy nataony! Toy ny itarihana sarety no hitarihany ny famaizana vokatry ny otany.
19
Fa hoy indrindra izy ireo hoe: «Aoka ho tanteraka haingana dia haingana izay hataon’ny TOMPO, mba hojerenay! Aoka ho tonga amin’ny fotoany ny fikasan’Ilay Masin’i Israely fa tianay ho fantatra!»
20
Lozan’ireo olona milaza ny tsara hoe ratsy na milaza ny ratsy hoe tsara. Ny maizina lazainy ho mazava ary ny mazava lazainy ho maizina; ny mamy lazainy ho mangidy ary ny mangidy lazainy ho mamy.
21
Lozan’ireo olona mihevi-tena ho hendry sy milaza azy ho marani-tsaina!
22
Lozan’ireo olona mahery misotro divay sy kinga amin’ny fampifangaroharoana toaka!
23
Manamarina ny olon-dratsy amin’ny fandraisana tsolotra izy ireny ary manala ny rariny amin’ny olo-marina.
24
Noho izany, dia ho tahaka ny mololo voadoron’ny afo sy ho tahaka ny bozaka levonin’ny afo no hanjo azy. Ho lò avy any am-potony izy ka ho lasa vovoka ny voniny, satria nariany ny fampianarana naroson’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary notsiratsirainy ny tenin’ilay Masin’i Israely.
25
Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.
26
Faneva famantarana no natsangan’ny TOMPO ho an’ny firenena iray any lavitra any; ka misioka ny Tompo mba hiantsoana azy avy any am-paran’ny tany. Indro izany firenena izany fa nilomay ka ho avy faingana dia faingana tokoa.
27
Tsy misy olona mahatsiaro vizana akory eo aminy, tsy misy mitari-tongotra na rendremana resin-tory, tsy misy miboraka na ny fehikibony na ny fehikapany.
28
Voaranitra ny zana-tsipîkany, ary voahenjana avokoa ny tsipîkany. Mafy toy ny vatoafo ny kitron-tsoavaliny, ary miriotra toy ny tadio ny kodiaran-kalesiny.
29
Tahaka ny liom-bavy mierona no fandrenesana azy, eny, toy ny tigra mandrahona mafy ka mipaoka ny hazany sy mitondra azy, ary tsy misy maharombaka izany intsony.
30
Kanefa indray andro any, dia hisy varatra hiraondraona toy ny firohondrohon’ny ranomasina mba hamely io firenena io. Hijery izany tany izany ny olona ka tsy hahita afa-tsy haizim-pahoriana; fa hohamaizinin’ny zavona matevina ny fahazavan’ny andro.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66