bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 55
Isaiah 55
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 54
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 56 →
1
He! Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano omeko! Na dia tsy manam-bola aza ianareo, avia maka sakafo, dia mihinàna fa tsy ialam-bola izany; avia maka divay na ronono, fa tsy vidina izany.
2
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay sakafo tsy tena mahavoky? Nahoana ianareo no misahirana amin’ny zavatra tsy mahafa-po? Henoy tsara Aho, dia hihinan-javatra matsiro ianareo ary ho finaritra amin’ny sakafo mafilotra.
3
Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:
4
Indro izy fa nataoko vavolombelon’ny fahefàko eo amin’ny foko isan-tokony sady ho mpitarika sy mpibaiko ny hafa firenena.
5
Ary ianao koa, ry Israely, dia hiantso ny firenena hafa izay tsy fantatrao; ary firenen-kafa tsy mahalala anao akory no hirohotra hanatona anao, satria ny TOMPO Andriamanitrao, Ilay Masin’i Israely, no nanome anao izany voninahitra izany.
6
Tadiavo ny TOMPO, dieny mbola manaiky ho hita, antsoy Izy, dieny mbola akaiky anareo.
7
Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.
8
Teny hentitry ny TOMPO izao: «Ny hevitro tsy hevitrareo ary ny lalanareo tsy mba lalako.
9
Tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny hevitro amin’ny hevitrareo.
10
Ny ranonorana sy oram-panala milatsaka avy any an-danitra dia tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany sy mahalonaka azy ary mampahavokatra azy ka mampahazo masomboly hafafy sy hanin-kohanina;
11
dia ho tahaka izany koa ny teny aloaky ny vavako: tsy hiveri-maina foana atỳ amiko izy, raha tsy efa nahatanteraka izay sitrako sy nahatratra ny tanjona nanirahako azy.
12
Fa amim-pifaliana no hialanareo eto Babilôna ary amim-piadanana no hampodîna anareo. Ny tendrombohitra sy ny havoana dia hihorakora-pifaliana rehefa mandalo ianareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tanana.
13
Ny hazo kipreso no haniry ho solon’ny tsilo, ary ny rotra no haniry ho solon’ny amiana. Ho voninahitra ho an’ny TOMPO izany, ka ho famantarana tsy hokosehina na oviana na oviana ny amin’izay nataony ho anareo.»
← Chapter 54
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 56 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66