bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 3
Isaiah 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 4 →
1
Fa indro ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao manaisotra amin’i Jerosalema sy amin’i Joda ny andry aman-tohana isan-karazany iankinany: dia ny mofo sy ny rano izay tohan’aina,
2
ny miaramila voafantina sy ny miaramila tsotra, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpimasy mbamin’ny loholona,
3
ny manamboninahitra sy ny olo-manan-kaja, ny mpanolotsaina mbamin’ny manampahaizana, ary ireo havanana amin’ny fanaovana vorika.
4
Ka hoy ny Tompo hoe: «Ankizy no hotendreko ho lehibeny ka hitondra azy araka ny haitraitrany.»
5
Dia hifanjevo izy samy mpiray firenena; hifampisompatra ny olona ka hifamely, ny tanora hirehareha amin’ny antitra, ary ny olon-tsotra hanohitra ny olo-manan-kaja.
6
Hisy lehilahy hisambotra ny rahalahiny izay iray tarika aminy ihany ka hiangavy azy hoe: «Ianao no manam-pitafiana, koa aoka ho mpifehy anay; raiso ny andraikitrao amin’izao fahavoazana izao.»
7
Fa hamaly izy amin’izay andro izay hoe: «Tsy afaka hanao na inona na inona ho anareo aho, tsy misy mofo na fitafiana ao an-tranoko, koa aza ataonareo mpifehy vahoaka aho.»
8
Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda; ka na ny tenin’ny olona na ny asany dia samy manohitra ny TOMPO sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.
9
Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.
10
Sambatra ny olo-marina fa hahita soa izy, ka ny vokatry ny asany no hohaniny.
11
Lozan’ny ratsy fanahy kosa fa hiharam-pahavoazana izy, satria araka izay nataony ihany no zavatra hafitsoka aminy!
12
Ry vahoakako ô, hoy ny Tompo, olona mpanjakazaka anao no mampahory anao ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao; ry vahoakako ô, ireo mpitondra anao no nampivily anao ka làlan-tsiizy no nitondrany anao.
13
Vonona hifandahatra ny TOMPO, ka mipetraka hitsara ny vahoakany.
14
Hampandaloviny fitsarana ireo loholona sy lehiben’ny vahoakany: «Ianareo no nanimba ny voaloboka; ary izay nalainareo tamin’ny mahantra no namenoanareo ny tranonareo.
15
Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan’ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.»
16
Hoy koa ny TOMPO hoe: «Miandranandrana erỳ ny andriambavilanitr’i Tsiôna, mianjonanjona aoka izany rehefa mamindra, mianjola fijery sady mitsingintsingim-pandeha, mampikorintsana ny haba amin’ny hato-tongony.»
17
Noho izany, dia hataon’ny TOMPO voaharatra ny tampon-dohan’ireo andriambavilanitra ireo sady hataony mangadihady ny handriny.
18
Amin’izany andro izany, dia hoesorin’ny Tompo ny haingo rehetra fampiasan’ny andriambavilanitr’i Tsiôna, izany hoe: ny haban-tongotra sy ny fehiloha ary ny firavaka misarim-bolan-tsinana;
19
ny kavina jejo sy ny rojo ary ny voaly;
20
ny satroka diadema sy ny rojo miolanolana, ny fehikibo mirandrana sy ny vakana fanefitra ary ny firavaka mampanambina;
21
ny peratra sy ny kavin’orona;
22
ny akanjo fitondra mianjaika sy ny akanjo misy saron-doha ary koa ny fehitenda sy ny pôketra;
23
ny fitaratra sy ny akanjo somizo manify ary ny samboady sy ny lamba fisalobonana.
24
Ny fofona manitra hosoloana fofo-maimbo, ny fehikibo marevaka hosoloana tady tsotra, ny randrana tsara voatra hosoloana loha sola. ny fitafiana mihaja hosoloana lamba fisaonana. Eny, ny bika soa hosoloana tomboka vy mahamenatra.
25
Ry Jerosalema ô, ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an’ady ny miaramilanao.
26
Koa hitomany sy hitoloko ny iray tanàna, ho toy ny vehivavy very fananana mitorevaka amin’ny tany.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66