bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 11
Isaiah 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 12 →
1
Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.
2
Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy, dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka, Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3
ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO. Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy na hanapaka araka izay ren’ny sofiny,
4
fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.
5
Ny rariny no ho fisikinany ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.
6
Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry, ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana ka zazalahy kely no hitarika azy.
7
Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka; ary ny zanak’izy ireo hiara-matory. Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8
Ny zaza mbola minono hilalao eo an-davaky ny bibilava; ary ny zaza misara-nono hanatsofoka ny tanany ao an-davaky ny menarana.
9
Tsy hisy hanimba na handratra manerana ny tendrombohitra masina, satria ny fahalalana ny TOMPO no hanenika izany tany izany tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.
10
Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra; ka hitady azy ny firenen-kafa, ary hanjary be voninahitra ny fonenany.
11
Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.
12
Hanangana faneva ny Tompo mba hahafantaran’ny hafa firenena fa hamory ireo sesitany tamin’i Israely Izy ary hanangona ireo niely patrana tamin’i Joda avy any amin’ny vazan-tany efatra.
13
Hitsahatra ny fialonan’i Efraîma ary ho foana ny fankahalàn’i Joda: i Efraîma tsy hialona an’i Joda intsony ary i Joda tsy hankahala an’i Efraîma intsony.
14
Dia hiara-kirohotra hiankandrefana eny amin’ny havoan’ny Filistinina izy roa tonta ary handeha hiantsinanana handroba ny foko any an-taniefitra, ka hanitatra ny fahefàny amin’i Edôma sy i Môaba ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.
15
Handritra ny helo-dranomasin’i Ejipta ny TOMPO; haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy, ka ny rivo-mahery avy aminy no hizaràny azy hisampantsampana ho sakeli-drano fito izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.
16
Hisy lalana ho an’ny sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, tahaka izay niseho fahiny tamin’i Israely fony izy niakatra avy tany Ejipta.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66