bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 16
Isaiah 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 17 →
1
«Avy ao Sela any an-taniefitra no alefaso ny ondrilahin’ilay mpifehy ny tany ho any amin’ny tendrombohitra Tsiôna.»
2
Ireo vehivavin’i Môaba dia very hevitra eo am-pitana ao Arnôna toy ny vorona mivezivezy voaroaka tao amin’ny akaniny.
3
Nangataka tamin’i Jerosalema ny Môabita hoe: «Manaova fivoriana ary manapaha hevitra. Izao antoandro be izao ny fiarovanao dia ataovy mihanaka aminay toy ny ampielezan’ny alina ny haizina; ka afeno ireo olona voaroaka ary aza aseho ireo mandositra avy atỳ aminay.
4
Avelao hitoetra ao aminao izay voaroaka ary aoka ho fierena ho azy ianao eo anoloan’ny mpandringana azy! Fa rehefa hitsahatra ny famoretana sy ny fandringanana ary tsy hisy amin’ny tany intsony ny mpampahory,
5
dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy ilay sezafiandrianana ho an’ny taranak’i Davida; hisy mpitsara hipetraka eo sady hombàm-pahamarinana ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny.»
6
Efa renay ny avonavon’i Môaba izay mpiavonavona mihoa-pampana; efa renay ny fireharehany sy ny fizahozahoany ary ny vava tafahoatra sy ny rediredim-poana ataony.
7
Nefa ankehitriny dia midradradradra ny amin’i Môaba ny Môabita. Eny, samy mitaraina izy rehetra ny amin’ny ampempam-boalobok’i Kira-Heresa, ka mitoloko fa tena voa mafy.
8
Simba ny zaridaina ao Hesbôna sy ny voly voaloboka ao Sibmà, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian’ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty.
9
Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibmà miaraka amin’ny mponin’i Jahizera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbôna sy Elehale, fa niharan’ny akoran’ady ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:
10
Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny amin’ny saha famokaram-boankazo; ary tsy re intsony ny horakora-pihobiana eny amin’ny tanimboaloboka; sady tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ao amin’ny toeram-pamiazam-boaloboka no tsy ahitan-divay ao anaty barika, fa efa nitsahatra ny akoram-pifaliana.
11
Mitaraina toy ny feon-dokanga ny foko noho ny amin’i Môaba; eny, mitaraina ny ato anatiko noho ny amin’i Kira-Heresa.
12
Hita ho sasa-poana tokoa i Môaba miakatra eny amin’ny toeram-panasinany sy miditra ao amin’ny tempoliny mba hitalaho amin’ny sampiny, nefa tsy nisy vokany izany.
13
Izany àry no teny nataon’ny TOMPO fahiny momba an’i Môaba.
14
Fa ankehitriny dia hoy ny TOMPO hoe: «Raha afaka telo taona androany, na ny olo-mangan’i Môaba na ny sarambabem-bahoakany dia samy ho tsinontsinona. Izay sisa tavela aminy dia vitsy kely tsy misy lanjany akory.»
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66