bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 19
Isaiah 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 20 →
1
Hafatra momba an’i Ejipta. Indro tonga any Ejipta ny TOMPO nitaingina rahona haingam-pandeha. Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.
2
Hoy ny Tompo hoe: «Hampirisihiko hifandramatra ny samy Ejiptianina, ka hiady ny mpianakavy. Samy hiady amin’ny namany avy ny olona; ny tanàna hiady amin’ny tanàna ary ny fanjakana hiady amin’ny fanjakana.
3
Ho very hevitra ny Ejiptianina fa hampisavorovoroiko ny pôlitikany; koa ny fanahin’ny maty sy ny mpimasy ary ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy no hanontaniany.
4
Kanefa ny Ejiptianina dia hatolotro eo an-tanan’ireo tompo maherisetra; ary mpanjaka masiaka no hanapaka azy.» Izany no teny hentitry ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.
5
Ny rano amin’i Neily dia ho ritra, ka ho tankina sy ho maina io ony io.
6
Ho maimbo ireo lakan-drano; ary ny sakeli-dranon’i Ejipta dia hihena sy ho tankina; ny volotara sy ny zozoro halazo.
7
Ny zava-maniry eo amin’ny vinanin’i Neily mbamin’ny fambolena rehetra eny amoron’io ony io dia ho maina avokoa sy ho lasan’ny rivotra ka tsy hisy na inona na inona intsony.
8
Misento sy mitomany ny mpanjono, samy talanjona ireo mpamintana rehetra sy ireo mpandatsaka harato amin’ny ony Neily.
9
Diso fanantenana ireo mpanao lamba rongony; na ireo vehivavy mpamoly na ireo lehilahy mpanenona dia samy hatsatry ny fanahiana.
10
Trotraka ireo mpanao zava-pisotro ary variana ireo mpamboatra labiera.
11
Tena adala mihitsy ireo printsy ao Tsôhàna. Ary tena very saina ireo olon-kendrin’ny Farao. Ahoana no samy ilazanareo amin’ny Farao hoe: «Izaho dia zanak’olon-kendry sady taranak’ireo mpanjaka fahagola?»
12
Aiza ireo olon-kendrinao, ry Farao? Aoka izy hampahalala anao ary hampahafantatra anao izay notapahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba hamelezana an’i Ejipta.
13
Lasa adala ny printsin’i Tsôhàna ary tena voafitaka ny ao Memfisa; ireo filohan’ny faritaniny ireo ihany no nampivembena an’i Ejipta.
14
Fa nandatsahan’ny TOMPO fanahy mampivembena izy, ka dia nampivembena an’i Ejipta hatrany eo amin’ny asa rehetra ataon’io firenena io, izay tahaka ny mamo mivembena sady mandoa.
15
Samy tsy mahavita ny asany ny Ejiptianina, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny zozoro.
16
Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.
17
Ho fahatsiarovana mampihoron-koditra azy ireo ny tanin’i Joda. Koa isaky ny misy miresaka izany aminy, dia hangovitra ny Ejiptianina noho izay hotapahin’ny Tompon’izao rehetra izao mba hamelezana azy.
18
Amin’izany andro izany, dia hisy tanàna dimy hiteny hebreo any Ejipta sady hianiana hiraiki-po amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao. Ka ny anaran’ny tanàna anankiray dia hatao hoe Tanànan’ny masoandro.
19
Amin’izany andro izany, dia hisy alitara iray hatokana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ao afovoan’ny tany Ejipta ary tsangambato iray ho an’ny TOMPO any amin’ny sisintaniny.
20
Izany no famantarana sy vavolombelona ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao fa eo anivon’ny tany Ejipta Izy izao. Koa rehefa miantso vonjy amin’ny TOMPO ny Ejiptianina noho ny mpampahory azy, dia hanirahany mpamonjy izay hiaro sy hanafaka azy.
21
Dia hampahafantatra ny tenany amin’ny Ejiptianina ny TOMPO mba hahafantarany AZY amin’izany andro izany sady hanompoany Azy amin’ny alalan’ny sorona sy fanatitra; ary hanao voady amin’ny TOMPO izy ka hanefa izany.
22
Rehefa avy namely ny Ejiptianina ny TOMPO, dia hanasitrana azy: ary izy ireo mihitsy no hiverina amin’ny TOMPO ka hoekeny vavaka sady hositraniny.
23
Amin’izany andro izany, dia hisy lalambe hampitohy an’i Ejipta sy i Asiria. Ny Asirianina hankany Ejipta, ary ny Ejiptianina hankany Asiria, ka hiara-manompo ny TOMPO izy roa tonta.
24
Amin’izany andro izany, dia ho fahatelo, miaraka amin’ny Ejipta sy i Asiria, i Israely amin’ny fitahiana hotononin’Andriamanitra eto an-tany.
25
Fa hotahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tokoa izy telo tonta ireo ka hataony hoe: «Hotahîna anie i Ejipta vahoakako sy i Asiria asan’ny tanako ary i Israely anjara fananako!»
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66