bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 66
Isaiah 66
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 65
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
1
Izao no lazain’ny TOMPO: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?
2
Fa izao rehetra izao dia nataon’ny tanako, ka dia Ahy avokoa izao rehetra izao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa ny olona tsinjoviko dia ny mahantra sy ny torotoro fanahy ary ny mandray ny teniko amin-kovitra.
3
Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,
4
dia ho tahaka izany koa no hifidianako ny fampahoriana hampiharina aminy sy handatsahako ny loza mahatahotra azy. Satria niantso azy Aho fa tsy nisy namaly izy, ary niteny taminy Aho fa tsy nohenoiny akory. Izay ratsy eo imasoko ihany no nataony ary izay tsy sitrako no nofidiny.»
5
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo izay mandray ny teniny amin-kovitra: «Misy mankahala anareo ny mpiray firenena aminareo ka manilika anareo noho ny fanajanareo Ahy, sady loa-bolana maneso anareo hoe: ‹Aoka ny TOMPO hampiseho ny voninahiny, dia hahita anareo mandresy izahay!› Kanjo ireny kosa no ho menatra.»
6
Injany misy feo avy any an-tanàna, misy feo avy ao amin’ny tempoly: dia feon’ny Tompo Izay mamaly ny nataon’ny fahavalony.
7
Mbola tsy nihetsi-jaza akory, dia niteraka; ary mbola tsy nanaintaina akory, dia velon-jaza!
8
Iza no efa nandre sy nahita zavatra toy izany? Tany anankiray ve hateraka indray andro monja? ary firenena iray ve ho azo atao indray miteraka? Kanefa izany no niseho tamin’i Tsiôna: vao nihetsi-jaza izy, dia teraka ireo zanany.
9
Ka hoy ny TOMPO Andriamanitrao hoe: «Raha Izaho no nikarakara ny vehivavy iray nandritra ny fitondràny vohòka, dia tsy Izaho no hisakana ny hahaterahany. Raha Izaho no nanomana ny fahaterahana, dia tsy Izaho no hanao izay tsy hiterahany.»
10
Ianareo rehetra izay tia an’i Jerosalema, miaraha mifaly aminy, eny, miravoravoa. Ianareo rehetra izay nisaona noho ny loza nanjo azy, aoka hiara-paly aminy tokoa!
11
Dia ho vokin’ny fampiononana omeny ianareo ary ho finaritra migoka ny zava-tsoa atosany, tahaka ny zaza minono voatambitambin-dreniny.
12
Fa izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro hotarihiko hankao Jerosalema ny fiadanana ka hihanaka toy ny ony; ny haren’ny firenen-kafa hotarihiko hankao ka ho tondraka toy ny renirano. Hikarakara fatratra anareo Aho toy ny ataon-dreny mampinono ny zanany ka mitondra azy eo an-trotroany sy mandrotsirotsy azy eo am-pofoany.
13
Eny, ho toy ny reny mampionona ny zanany no hampiononako anareo koa; ary ao Jerosalema no hampiononako anareo!
14
Dia ho tsapanareo amin’izany fa ho dibo-kafaliana ny fonareo, ary ny taolanareo efa maina hahazo hery indray tahaka ny ahitra mirobona.» Hataon’ny TOMPO fantatr’ireo mpanompo Azy ny fahefàny; fa ho tezitra kosa amin’ny fahavalony Izy.
15
Satria indro ny TOMPO fa tamy ao anaty afo, miriotra toy ny rambon-danitra ny kalesiny. Misafoaka erỳ Izy mampihatra ny fahatezerany sy ny fandrahonany amin’ny lelafo miredareda.
16
Fa amin’ny alalan’ny afo sy ny sabatra no hitsaran’ny TOMPO ny olombelona rehetra; ka maro no haringan’ny TOMPO,
17
dia ireo mihambo hidio manokana mba ho afa-miditra ao an-tanimboly sy hipetraka aorian’ilay eo afovoany, na koa ireo mihinana henakisoa sy voalavo mbamin’ny zava-maharikoriko. Ho indray levona avokoa ny fanao amam-pisainan’ireny. Izany no teny hentitry ny TOMPO.
18
Hoy koa ny TOMPO hoe: «Tonga Aho hanangona ny firenen-kafa rehetra sy ny samihafa fiteny rehetra, ka ho avy ireny mba hahita ny voninahitro.
19
Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefàko. Ary ireo sisa velona tamin’ny fitsarako dia hirahiko ho any amin’ny vahoakan’i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin’ny fandefasana zana-tsipîka, na hirahiko ho any Tobala sy i Javàna ary any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorîn’ireo irako any amin’ny hafa firenena ny voninahitro.
20
Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.
21
Ary amin’ireo hafa firenena ireo koa, hoy AHO, dia hisy hofidiko ho mpisorona sy levita.»
22
Dia hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Ny taranakareo sy ny lazanareo dia haharitra eo anatrehako, tahaka ny haharetan’ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay hataoko.
23
Amin’izay, hoy AHO isaky ny tonga ny tsinam-bolana sy ny sabata, dia ho avy hiankohoka eo anatrehako ny olombelona rehetra.
24
Ary raha sendra misy mivoaka ny tanàna, dia hahita ny fatin’ny olona izay nikomy tamiko; fa ny kankana mihinana azy tsy ho faty, ary ny afo mandoro azy tsy ho levona, ka hahatsiravina ny olona rehetra ireo.»
← Chapter 65
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66