bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 29
Isaiah 29
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 30 →
1
«Indrisy, ry Ariela! Ry Ariela, tanànan’i Jerosalema, nataon’i Davida fahirano fahiny! Na hiverina isan-taona isan-taona aza ny fitsingeringerenan’ny andro fety,
2
dia hampahorîko ianao, hoy ny Tompo, ka alahelo sy fahoriana lalina no hanjo anao, ary ho tonga «ariela»-n’ny alitara ianao amiko.
3
Hanao fahirano anao tahaka ny nataon’i Davida Aho ary hanisy miaramila hanemitra anao sy hanangana tovon-tany hamelezana anao.
4
Haetry ianao ka hiteny avy ao an-kibon’ny tany ao. Hibitsibitsika ny feonao mamakivaky ny vovoka; mova tsy feon’ny matoatoa miala avy amin’ny tany sy misamoina avy ao amin’ny vovoka ny teninao.
5
Toy ny vovoka mitora-jofo ny habetsaky ny fahavalonao, toy ny akofa misavoana ny olon-dozabe mamely anao.» Fa ho tampoka dia tampoka kosa
6
no hiavian’ny famaliana hamonjena anao avy amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Izay hombàn’ny kotro-baratra sy ny horohoron-tany ary firohondrohona mafy, hombàn’ny tadio sy ny tafio-drivotra ary ny lelafo mandevona.
7
Toy ny nofy na fahitana mihelina amin’ny alina no hanjavonan’ireo firenena marobe mamely anao, ry Ariela, dia ireo rehetra miady aminao ka manangana tovon-tany hampahoriana anao.
8
Ho tahaka ny olona mosarena manonofy mihinana, kanjo nony taitra dia noana ihany ny kibony; ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy misotro, kanjo nony taitra dia trotraka fa mbola maina ihany ny tendany; ho tahaka izany ireo firenena marobe izay miady amin’ny tendrombohitra Tsiôna.
9
Migagà ka mitalanjòna ianareo. aoka ho jamba ka tsy hahita, ho mamo nefa tsy amin-divay, hivembena nefa tsy amin-toaka!
10
Fa ny TOMPO efa nampidina fanahy mampatory tao aminareo ary notampenany ny masonareo, –hilazana ireo mpaminany izany–, sady nosaronany ny lohanareo, –hilazana ny mpahita izany.
11
Ny fanambaràna izany rehetra izany ho anareo dia miafina toy ny tenin’ny raki-tsoratra voaisy tombokase. Dia omena izay mahay mamaky teny izany ka iangaviana azy hoe: «Azafady, mba vakio kely ity». Fa hamaly izy hoe: «Tsy azoko atao izany, satria voaisy tombokase io raki-tsoratra io.»
12
Dia omena izay tsy mahay mamaky teny indray izany ka iangaviana azy hoe: «Azafady, mba vakio kely ity»; fa hamaly izy hoe: «Tsy mahay mamaky teny aho.»
13
Ary hoy ny Tompo hoe: «Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany fa ny fony kosa manalavitra Ahy; ka fomban’olombelona nianarana ihany ny fanajana asehony Ahy.
14
Noho izany, indro Aho mbola hanao zava-mahagaga ho an’ity firenena ity, dia zava-mahagaga sy mahazendana; fa ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny ary ho takona ny fahaizan’ny manampahaizany.»
15
Lozan’izay manao zavatra an-tsokosoko ka manafina ny paikany amin’ny TOMPO sy mamorona teti-dratsy ao amin’ny maizina. «Iza no mahita antsika, hoy izy, ary iza no mahalala izay ataontsika?»
16
Oadray ity hadalànareo e! Ny mpanefy ve hoheverinareo hitovy amin’ny tanimanga? Ny taozavatra ve hanao amin’ny mpanao azy hoe: «Tsy ianao no nanao ahy»? na ny fanaka bakoly hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: «Tsy misy zavatra hainao akory »?
17
Moa tsy afaka fotoana kely monja dia hovana ho saha mahavokatra ny alan’i Libano, ary hovana ho ala ny saha mahavokatra?
18
Amin’izany andro izany ny marenina dia handre izay voalaza ao amin’ny boky ary hiala ao amin’ny haizim-pito ny mason’ny jamba ka hahita.
19
Ny malahelo hiravoravo amin’ny TOMPO hatrany, ary ny mahantra ho dibo-kafaliana noho ny amin’Ilay Masin’i Israely.
20
Satria tapitra hatreo ny mpanjakazaka ary ho levona ireo mpaniratsira, haringana ireo rehetra mitady hanimba ny hafa,
21
ka miampanga lainga azy amin’ny teny sy mamandrika ny mpitsara mba hamarina ny tsy manan-tsiny any an-davaka.
22
Noho izany àry, ny TOMPO Andriamanitr’i Jakôba sy ny taranany sady mpanavotra an’i Abrahama dia nilaza izao teny izao: «Tsy ho menatra intsony ny taranak’i Jakôba, ary tsy hivaloarika intsony ny tarehiny.»
23
Satria raha mahita izay hataoko eo anivony ny tenany sy ireo taranany, dia hanome hasina ny anarako, hanome hasina Ahy satria Izaho no ilay Masin’i Jakôba ary hangovitra eo anatrehako satria Izaho no Andriamanitr’i Israely.
24
Mbola hanan-tsaina indray ireo nivilivily fanahy ary hanaiky hampianarina indray ireo tsy nitsaha-nanakiana.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66