bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 2
Isaiah 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 3 →
1
Ny toe-javatra hitan’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, momba ny fanjakan’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema.
2
Izao no hiseho amin’ny andro any aoriana: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ny TOMPO dia hanerinerina ambonin’ny tendrombohitra sisa ka hasandratra ho avo kokoa noho ireo havoana; dia hitanjozotra hankany ny firenena rehetra.
3
Handeha ho any ny firenena marobe ka hifampitaona hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO, ho any an-tranon’ilay Andriamanitr’i Jakôba; dia hampianariny antsika ny sori-dàlany, ary harahintsika ny lalana hatorony.» Fa avy ao Tsiôna no ivoahan’ny fampianarana, ary avy ao Jerosalema no iavian’ny tenin’ny TOMPO.
4
Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.
5
Ry taranak’i Jakôba, avia, aoka isika handeha amin’ny fahazavàn’ny TOMPO!
6
TOMPO ô, efa narianao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakôba, satria nihahohaho tao aminy ny mpimasy avy any atsinanana sady betsaka tahaka ny an’ny Filistinina ny mpanandrony; ary nifandray tendro tamin’ny vahiny izy.
7
Feno volafotsy sy volamena ny taniny sady tsy hita lany ny hareny; ary feno soavaly ny taniny sady tsy hita isa ny kalesiny.
8
Feno andriamani-tsiizy koa ny taniny; ary niankohoka amin’ny sampy natao tanana izy, dia ny zavatra nataon’ny tanan’olona.
9
Noho izany, dia tsy maintsy hihohoka sy haetry amin’ny tany ny olombelona; ka tsy hisy hampiarina azy intsony.
10
Miafena any ambany vatolampy ianareo ary misitriha any anaty tany, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra.
11
Hitanondrika ny olona mpiandranandrana, ary hihohoka ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.
12
Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo:
13
dia ny sedera rehetra any Libano, izay avo sady mijoalajoala, sy ny hazo ôaka rehetra any Basàna;
14
ny tendrombohitra avo sy ny havoana manerinerina rehetra;
15
ny tilikambo miringiringy sy ny manda mafy rehetra;
16
ary ny sambo vaventy sy ny sambo marevaka rehetra.
17
Hihohoka ny olona mpiandranandrana ary haetry amin’ny tany ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.
18
Ho levona ny andriamani-tsiizy rehetra.
19
Aoka hiditra any amin’ny lava-bato sy ny zohy fierena ireo olona ireo, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra Izy mba hampihorohoro ny tany.
20
Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny sampy volafotsy sy volamena nataony hiankohofana;
21
dia hiditra amin’ny hirika sy ny tsefatsefa-bato izy mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra azy sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra ny Tompo hampihorohoro ny tany.
22
Atsaharo ny fitokiana amin’olombelona fa fofonaina miserana ihany izy ka tsy misy lanjany akory!
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66