bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 58
Isaiah 58
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 57
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 59 →
1
Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin’ny vahoakako ny fikomiany ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahotany.
2
Isan’andro isan’andro dia mitady Ahy izy ary maniry hahafantatra ny lalako, tahaka ny firenena iray manao ny marina ka tsy nanary ny fitsipik’Andriamaniny. Ny fitsarana araka ny rariny no angatahiny amiko ary ny fanatrehako azy no zavatra irîny.
3
Kanefa manontany Ahy izy manao hoe: «Soa inona ho anay ny mifady hanina, raha tsy hitanao akory izany? Soa inona ho anay ny mampahory tena, raha tsy ahoanao akory izany?» Izao kosa no amaliako azy: Indro fa amin’ny andro ifadianareo hanina dia manenjika ny tombontsoanareo ihany ianareo ka manjakazaka amin’ny mpiasa rehetra eo aminareo.
4
Indro sady mifady hanina ianareo no mbola miady sy mifanditra ihany ary mamely totohondry mahery vaika. Tsy ny fifadianareo hanina tahaka izany no handrenesako ny feonareo any amin’ny avo.
5
Moa fifadian-kanina toy izany ve no tiako, amin’ny andro ampahorîn’ny olona tena? Ny hampilofika ny lohany toy ny zozoro sy ny hitafy lamba fisaonana ary ny hatory mihosin-davenona! Izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro ankasitrahina eo amiko TOMPO?
6
Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao: ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny, ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy, ny manafaka ireo ampahorîna ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.
7
Ny hizarànao ny haninao ho an’ny noana sy hampiantranoanao ireo mahantra mirenireny, ny hampitafînao izay hitanao fa miboridana ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan’ny namanao.
8
Amin’izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavànao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao. Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao, ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.
9
Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO; rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: «Inty Aho.» Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana mbamin’ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,
10
raha zarainao ho an’ny noana ny haninao ka manome sakafo ireo sahirana ianao, dia hamirapiratra ao amin’ny haizina ny fahazavànao ary ho toy ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
11
Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO; na dia ao amin’ny tany karakaina aza ianao, dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny. Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.
12
Noho ny ezakao, dia haorina indray ireo zavatra rava fahiny ary hatsangana indray ny fanorenana izay efa nilaozana hatry ny elabe; ary ianao dia hantsoina hoe: «Vahoaka mpamboatra ny manda simba sy mpamelona ny lalankely efa maty mba ho tsara honenana ao an-tanàna.»
13
Hoy koa ny TOMPO hoe: «Raha atsahatrao ny fanosihosena ny sabata, ka tsy ny tombontsoanao no enjehinao amin’ny andro voatokana ho Ahy, raha ny sabata no lazainao hoe andro mahafinaritra, raha ny andro voatokana ho Ahy no lazainao hoe mendrika hohajaina, raha hajainao tokoa izany ka fadînao ny fanaonao na ny manenjika ny tombontsoanao na ny miteniteny foana,
14
dia ho tonga loharanom-pifaliana ho anao Aho. Izaho TOMPO no hitondra anao ho mpandresy eny an-tendron-kavoan’ilay tany ka hampanaram-po anao amin’ny lovan’i Jakôba razanao. Fa ny vavako no mampanantena izany.»
← Chapter 57
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 59 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66