bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 51
Isaiah 51
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 50
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 52 →
1
«Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana, dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO: Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:
2
Hevero i Abrahama rainareo sy i Sarà izay niteraka anareo. Mbola tsy nanan-janaka i Abrahama, fony nantsoiko; kanefa notahîko izy sy nohamaroiko!»
3
Eny, ny TOMPO tokoa no nampahery an’i Tsiôna, nampahery azy teo anivon’ny faharavàny rehetra. Ka izany toerana karankaina izany dia novan’ny TOMPO ho paradisa; ary izany tany ngazana izany dia novany ho zaridaina mahavariana. Fientanentanana sy firavoravoana no ho hita ao ary koa hira fiderana sy feon-java-maneno.
4
«Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko. Satria Izaho no hamoaka ny lalàna; ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenen-kafa
5
Efa akaiky ny fanafahako, efa hiseho ny famonjeko; ary ny fahefàko no hitsara ny firenen-kafa. Koa ny mponina any amin’ny nosy any dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin’ny fahefàko.
6
Atopazo eny an-danitra ny masonareo, dia jereo koa ny tany etỳ ambany: ny lanitra ho levona toy ny setroka ary ny tany ho rotidrotika toy ny lamba, ka ho faty toy ny lalitra ny mponina eo aminy; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay ary ny fanafahako tsy mba ho rava.
7
Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny, ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako; aza matahotra izay fanaratsian’ny olona na milefitra amin’ny fanalam-baràka ataony,
8
satria ho toy ny lamba lanin’ny kalalao ireny sy ho tahaka ny volonondry lanin’ny fositra; fa ny fanafahako kosa haharitra mandrakizay ary ny famonjeko ho amin’ny taonjato mifandimby.»
9
Mifohaza ianao, TOMPO ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; mifohaza tahaka ny tamin’ny andro taloha, dia tamin’ny taranaka fahiny ela be. Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba, sy nanagorobaka ilay dragona?
10
Moa tsy ianao no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ny hantsana lalimbe, ka nahatonga ny fanambanin’ny ranomasina ho lalana hiampitan’ny voaavotra?
11
Eny, hiverina ireo nafahan’ny TOMPO ka hiditra ao Tsiôna amin’ny hobim-pandresena; ary hafaliana mandrakizay no ho hita taratra eny an-dohany, fientanana sy firavoravoana no hanenika azy fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!
12
Izaho, eny, Izaho ihany no mampahery anao, hoy ny TOMPO. Ka inona no atahoranao ny olona mety maty, dia ny zanak’olombelona izay mihelina toy ny ahitra?
13
Hadinonao Izaho TOMPO, Ilay nahary anao, Ilay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany. Fa tsy mitsaha-mangovitra isan’andro ianao eo anoloan’ny fahatezeran’ny mpampahory, izay toy ny efa mikendry hanimba anao. Kanefa aiza izao ny fahatezerany?
14
Vetivety dia hoafahana ny gadra mitanondrika ka tsy ho faty ho any am-pasana ary tsy ho ory hanina intsony.
15
Satria Izaho Tompo no Andriamanitrao, Ilay mamolaka ny ranomasina raha mirohondrohona ny onjany; Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarako.
16
Hamelatra ny lanitra indray Aho sady hanorina indray ny tany, ka hilaza amin’i Tsiôna hoe: «Vahoakako ianao. Ataoko eo am-bavanao ny teniko; ary arovako eo ambany aloky ny tanako ianao.»
17
Mifohaza ianao, ry Jerosalema, mifohaza ka mitsangàna! Nampisotroin’ny TOMPO anao ny tsatokaty feno ny fahatezerany, dia tsatokaty misy fisotro mahafanina izay notrohinao hatramin’ny faikany.
18
Tsy nisy nanohana anao na iray aza ireo zanaka rehetra naterakao; ary tsy nisy nitantana anao na iray aza ny ankizy rehetra notezainao.
19
Tonga namely anao tsiroaroa ny loza; fahasimbana sy faharavana, ary ady sy mosary. Kanefa iza moa no hitsetra anao, iza moa no hampahery anao?
20
Eny an-joron-dalambe rehetra eny no mitorevaka sy miampatrampatra ny zanakao tahaka ny diera voafandrika harato; fa rakotry ny fahatezeran’ny TOMPO ireo sady iharan’ny fandrahonan’ilay Andriamanitrao.
21
Noho izany, ry ilay Jerosalema ory ka mivembena tsy mamon-divay, henoy izao teny ataoko izao:
22
Ny Tomponao, ilay TOMPO sady Andriamanitrao, dia mandaha-teny hiaro ny vahoakany ka milaza aminao hoe: «Indro hoesoriko eny an-tananao ilay tsatokaty misy fisotro mahafanina, dia tsatokaty feno ny fahatezerako, ka tsy hisotroanao izany intsony.
23
Io tsatokaty io dia hatolotro eo an-tanan’ny nampahory anao, dia ireo olona nilaza taminao hoe: ‹Miankohofa amin’ny tany mba hohitsahinay›; ka voatery ianao nanolotra ny lamosinao ho tahaka ny tany eny an-dalambe natao hohitsahin’ireo mpandalo.»
← Chapter 50
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 52 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66