bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 36
Isaiah 36
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 37 →
1
Tamin’ny taona faha-14 nanjakàn’i Hezekià no nahatongavan’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria hanafika ny tanànamimanda rehetra tany Joda ka nahazoany ireny.
2
Ary ny mpanjakan’i Asiria izay tao Lakisy, dia naniraka ny dekàny notronin’ny miaramila marobe hankany amin’i Hezekià mpanjaka, any Jerosalema. Nijanona takaikin’ny lakan-drano mankany amin’ny dobo ambony ilay iraka, teo amin’ny lalana mankamin’ny sahan’ny Mpanasa lamba.
3
Dia i Eliakima, zanakalahin’i Hilkià sady mpiandraikitra ny lapa, no niainga hitsena azy niaraka tamin’i Sebnà mpitantsoratra ary i Jôà, zanakalahin’i Asafa sady mpitondratenin’ny mpanjaka.
4
Dia hoy ilay dekà tamin’izy telo lahy: «Ndeha lazaonareo amin’i Hezekià ny hafatry ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asiria, manao hoe: –Mba inona moa izao toky ianteheranao izao?
5
Noheveriko fa vitan’ny kobaka am-bava ny anao ny tetika sy herim-po hoenti-miady! Koa iza no itokianao mba sahy mikomy amiko izato ianao?
6
I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan’izay mitehina aminy io ve? Fa toy izany ny Farao mpanjakan’i Ejipta amin’izay rehetra matoky azy.
7
Angamba ianao hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekià, no nanafoana ny toeram-pisoronana aman’ alitarany ka nandidy ny mponin’i Joda sy Jerosalema mba tsy hiankohoka afa-tsy eo anoloan’ny alitaran’i Jerosalema ihany?»
8
«Koa aoka hifanamby amin’ny andriamanjakan’i Asiria izay tompoiko ianao, fa homeko soavaly roa arivo ianao raha manana olona afaka hitaingina ireo.
9
Hataonao ahoana moa no hampandositra ny komandy anankiray amin’ireo manamboninahitry ny tompoko ireo, na dia izay bitika indrindra aza, raha tàhiny ka i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
10
Ary ankehitriny, moa hamely sy handrava ity tany ity ve ilay mpanjaka tompoiko raha tsy sitraky ny TOMPO izany? Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nanome baiko azy hamely sy handrava ity tany ity.»
11
Dia hoy i Eliakima dekà tamin’ilay asirianina: «Mba teny aramianina re atao aminay, satria azonay ihany izany; fa aza itenenana hebreo izahay noho ny amin’ireo olona eny ambony manda mihaino antsika.»
12
Fa hoy ny navalin’ilay dekà hoe: «Moa ho an’ny tomponao sy ho anao ihany va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany fa tsy ho an’ny olona izay mipetraka eny ambony manda koa? Fa ho voatery tahaka anareo izy hihinana ny dikiny sy hisotro ny fivalanandranony.»
13
Dia nijaridina ilay dekà, ka nihiaka mafy tamin’ny teny hebreo hoe: «Henoy ny tenin’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asiria,
14
fa izao no lazainy: ‹Aza mety hofitahin’i Hezekià ianareo, fa tsy afaka hamonjy anareo izy tsy akory.
15
Ary aza mety hotarihiny hitoky amin’ny TOMPO raha ilazany fa ny TOMPO no hamonjy anareo ka hisakana ahy tsy haka ity tanàna ity.
16
Aza mihaino an’i Hezekià ianareo, fa izaho mpanjakan’i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka atỳ amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ary samy hisotro ny rano avy ao amin’ny lava-pantsakany avy,
17
Ho avy aho atsy ho atsy hitondra anareo ho any amin’ny tany tahaka ny anareo, dia tany be varim-bazaha hanaova-mofo sy tany be voaloboka hanaovan-divay.
18
Koa aza mety ho voafitak’i Hezekià fotsiny ianareo amin’ny hoe hamonjy anareo ny TOMPO. Moa nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?
19
Aiza ny andriamanitr’i Hamata sy i Arpada? Aiza ny andriamanitr’i Sefarvaîma? Moa nisy nahavonjy an’i Samaria tamin’ny tanako va ireo andriamaniny?
20
Tsy nisy tamin’ny andriamanitr’ireo tany ireo nahavonjy ny taniny tsy ho azon’ny tanako, koa ahoana no hahafahan’ny TOMPO hamonjy an’i Jerosalema tsy ho azon’ny tanako?› »
21
Fa nangina ny olona izay teo ka tsy nisy namaly an’ilay lehiben’ny toby asirianina akory na dia teny indraim-bava aza, satria izany no baikon’i Hezekià mpanjaka.
22
Ary i Eliakima zanakalahin’i Hilkià sady lehiben’ny lapa sy i Sebnà mpitantsoratra ary i Jôà zanakalahin’i Asafa sady mpitondratenin’ny mpanjaka dia niverina nankany amin’i Hezekià, rehefa avy nandriatra fitafiana, ka nitatitra taminy ny tenin’ilay lehiben’ny toby asirianina.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66