bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 43
Isaiah 43
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 44 →
1
Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: «Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.
2
Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon’ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo.
3
Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, ilay Masin’i Israely mpamonjy anao. Nomeko hanavotana anao i Ejipta; ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.
4
Satria sarobidy eo imasoko ianao, manan-danja amiko sady tiako. Koa nanome olona ho solonao Aho sy firenena maro ho takalon’ny ainao.
5
Aza matahotra fa momba anao Aho. Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao, avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.
6
Hoy Aho amin’ny avaratra: ‹Omeo Ahy ireo›, ary amin’ny atsimo: ‹Aza hazonina izy!› Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra sy ny zanako vavy avy any am-paran’ny tany,
7
dia izay rehetra mitondra ny anarako sady noarîko sy novolavolaiko mba hanome voninahitra Ahy.
8
Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba, ary manan-tsofina nefa marenina.
9
Aoka hiangona ny firenena rehetra ary hivory ny olombelona! Iza amin’ireo andriamanitrareo no mahalaza aminay ny zava-nitranga? Aoka izy hanambara aminay ny zava-niseho voalohany. Aoka hasehony ny vavolombelony mba haneho ny fahamarinany; ary aoka ny vavolombelony hihaino azy ka hanamafy hoe: «Marina izany!»
10
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ianareo vahoakako no vavolombeloko, ianareo no mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy; talohako dia tsy nisy Andriamanitra ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.
11
Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
12
Izaho no nanambara sy nanome ny famonjena ka nampahafantatra izany rahateo, fa tsy nisy andriamani-kafa tao aminareo. Koa ianareo no vavolombeloko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary Izaho no Andriamanitra.
13
Eny, hatrizay hatrizay dia izany no maha Izaho Ahy. Tsy misy maharombaka izay eo an-tanako, ary tsy misy mahaova izay ataoko.
14
Izao no lazain’ny TOMPO mpanavotra anareo, dia ilay Masin’i Israely: «Noho ny fitiavako anareo dia haniraka olona hankany Babilôna Aho, mba hamaha ny hidy rehetra.
15
Izaho no TOMPO, ilay Masinareo, Mpahary an’i Israely sady mpanjakanareo.»
16
Izao no lazain’ny TOMPO, ilay nanokatra lalana tany an-dranomasina sy nitari-dalana teo anivon’ny rano manonja,
17
Ilay nampamoaka ny kalesy sy ny soavaly ary ny miaramila sy ny andian-tafika mahery, dia indray lavo ireo ka tsy tafarina intsony, sempotra ka maty toy ny lahin-jiro milofika; eny, izao no lazain’ny TOMPO ankehitriny:
18
«Aza tsaroanareo intsony ny zava-niseho voalohany, aza itodihana intsony ny lasa.
19
Fa hanao zavatra vaovao Aho; ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany, ka ho hainareo fantarina tokoa. Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho sady hampandriaka ony an-tany karakaina.
20
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia mbamin’ny amboahaolo sy ny vorombe, satria manisy rano any an-taniefitra Aho sy nampandriaka ony an-tany karakaina mba hampisotroako ny vahoaka nofidiko,
21
dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy ka hitantara ny antony hiderany Ahy.»
22
Dia izao koa no lazain’ny Tompo: «Tsy Izaho no nantsoinao, ry firenen’i Jakôba, ary efa sasatra tamiko aza ianao, ry vahoaka Israely.
23
Tsy ho Ahy no nitondranao zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo, ary tsy ho fanomezam-boninahitra Ahy ny soronao. Tsy nampanompo anao tamin’ny fitakiana fanatitra Aho na nanasatra anao tamin’ny fitakiana vovo-javamanitra.
24
Tsy ho Ahy no namoizanao volafotsy mba hividianana veromanitra; ary tsy Izaho no novokisanao tamin’ny jaboran’ny soronao. Fa ianao no nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao sy nanasatra Ahy tamin’ny helokao.
25
Kanefa Izaho dia Izaho mihitsy no mamela ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako ihany, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
26
Ampahatsiarovy Ahy hoe ny fanakiananao Ahy, dia avia hifandahatra momba izany isika; ka ianao no aoka hanao famisavisana mba hahitana ny mahamarina anao!
27
Ilay razanao voalohany efa nanota, ary ireo mpitondrateninao efa nikomy tamiko.
28
Koa dia nataoko afa-baràka ireo mpiandraikitra ny Toeramasina, natolotro haringana ny firenen’i Jakôba ary navelako holatsaina ny vahoaka Israely.
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 44 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66