bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 63
Isaiah 63
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 62
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 64 →
1
Iza àry ity tonga avy any Edôma, avy any Bôtserà renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miedinedina amin’akanjo marevaka, miandranandrana amin’ny haben’ny heriny! –Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy!
2
–Nahoana no mena ny akanjonao ary nahoana ny fitafianao no tahaka ny an’ny mpanosihosy voaloboka ao amin’ny famiazam-boaloboka?
3
–Izaho irery no nanosihosy ny famiazam-boaloboka fa tsy nisy niaraka tamiko na dia iray aza ireo olona avy tamin’ny vahoakako. Nanosihosy hafa firenena tamin’ny fahatezerako Aho ary nanitsakitsaka azy tamin’ny fahavinirako; dia nipitipitika tamin’ny fitafiako ny rany ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
4
Fa efa tao am-poko tao izao andro famaliana izao, satria tonga ny taona hanavotako ny vahoakako.
5
Dia nijerijery olona Aho, kanefa tsy nisy afaka hanampy Ahy. Gaga Aho satria tsy nisy nanohana, koa ny fahefàko ihany no nentiko hamonjy ary ny fahavinirako no nandrisika Ahy.
6
Dia nentanim-pahatezerana Aho ka nanamontsana ireo hafa firenena; nataoko boboky ny fahavinirako ireny, sady napariakako tamin’ny tany ny rany.
7
Hampahatsiaroviko ireo mari-pitiavan’ny TOMPO sy ireo antony tokony hiderantsika AZY, araka izay rehetra nataony tamintsika mbamin’ny soa be nafafiny ho an’ny taranak’Israely. Famindrampo sy fitiavana tsy hita lany no nanaovany an’izany ho azy.
8
Hoy ny TOMPO ny amin’ny Israelita hoe: «Tena vahoakako tokoa ianareo, zanaka tsy handiso fanantenana Ahy.» Ka dia tonga Mpamonjy azy ireo ny Tompo
9
tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.
10
Saingy nikomy tamin’ny Tompo ireo ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina; dia tonga fahavalon’ireo Izy sady niady taminy mihitsy.
11
Tamin’izay ny vahoakan’Andriamanitra dia nahatsiaro ny tantarany fahiny, dia izay tamin’ny andron’i Mosesy: «Nankaiza Ilay nampakatra avy ao amin’ny ony, Ilay ho mpiandry ny andianondriny? Nankaiza Ilay nametraka ny Fanahiny Masina tao aminy?
12
Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra teo ankavanan’i Mosesy, ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloan’ny vahoakany mba hananany laza mandrakizay.
13
Izy no nampandeha azy ireo teo amin’ny fanambanin’ny ranomasina; toy ny soavaly mikarenjy any an-taniefitra ireo ka tsy mba solafa-mamindra.
14
Toy ny biby fiompy midina an-dohasaha no nitondran’ny Fanahin’ny TOMPO azy ho amin’ny toerana fialan-tsasatra.» Tompo ô, tahaka izany tokoa no nitarihanao ny vahoakanao mba hanananao laza mamirapiratra.
15
Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô; avy eo amin’ny fonenanao masina sy mamirapiratra mba jereo izay manjo anay. Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka? Enga anie ny famindramponao, tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!
16
Satria Ianao mihitsy no Rainay, fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Jakôba tsy mahafantatra anay; eny, TOMPO ô, Ianao no Rainay, Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay amin’ny anaranao hoe «Mpanavotra anay.»
17
TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.
18
Vahoaka natokana ho Anao izahay, saingy fotoana fohy no nanananay ny tany lovanay; fa nohitsakitsahin’ny fahavalonay ny Toeramasinao.
19
Efa ela izahay no vahoaka tsy nofehezinao sady tsy niantsoana ny anaranao intsony! Enga anie hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra!
← Chapter 62
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 64 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66