bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 33
Isaiah 33
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 34 →
1
Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.
2
TOMPO ô, iantrao izahay fa manantena Anao. Aoka Ianao no ho herinay isa-maraina sady ho mpamonjy anay amin’ny androm-pahoriana!
3
Mandositra ny vahoaka isan-tokony, rehefa mandre ny firotsahanao an-tsehatra; miparitaka ny hafa firenena, vantany vao miseho ny fahambonianao.
4
Miavosa toa fiavosam-balala ny remby; ary toa firohotr’andiam-balala no hirohotana mankeo aminy.
5
Manerinerina tokoa ny TOMPO, satria mitoetra any ambony any Izy. Nofenoiny rariny sy hitsiny ao Tsiôna.
6
Hiaina am-pahatokiana ianao, ry vahoakan’ny Tompo. Ny fahendrena amam-pahalalana no harem-pamonjena ho anao; ary ny fanajana ny TOMPO no raki-tsarobidy ho anao.
7
Indreo ny mponin’i Ariela fa miantsoantso eny an-dalambe, satria ny iraka mpanambara fiadanana dia niveri-maina mitomany mafy.
8
Foana tanteraka ny arabe, tsy misy mpandeha intsony eny an-dalana. Nivadihan’ilay firenena mpanjakazaka ny fifanekena natao taminy; nolaviny ny vavolombelon’izany, ary tsy nasiany hasina ny olona.
9
Misaona ny tany ka milofika, menatra ny tendrombohitr’i Libano ka malazo, nanjary tany hay ny lemak’i Saròna, ringitra i Basàna sy i Karmela.
10
«Ankehitriny, hoy ny TOMPO, no hirotsaka an-tsehatra Aho; ankehitriny no hitraka Aho ary haneho ny fahalehibiazako.
11
Toy ny torontoronina vilona ianareo, ka miteraka mololo; koa ny fofonaiko no tahaka ny afo izay handevona anareo.
12
Ny firenen-kafa kosa hataon’ny afo lasa lavenon-tsokay; ho toy ny kirihitra tsilo voatomboka no handripahan’ny afo azy.
13
Ianareo lavitra, mihainoa izay nataoko; ianareo akaiky, fantaro ny heriko.»
14
Raiki-tahotra ny mpanota ao Tsiôna, mangovitra ireo mpihatsaravelatsihy: «Iza amintsika, hoy izy, no hahajanona eo anilan’izao afo mandevona izao? Iza amintsika no hahatanty an’izao afo tsy misy farany izao?»
15
–Izay mandeha araka ny rariny ka miteny tsy misy olakolaka, izay mandà ny tombontsoa azo an-keriny sy manakifika ny tanany tsy handray tsolotra, izay manampin-tsofina tsy hihaino ny teny mampirisika hamono olona, izay manakimpy ny masony mba tsy hijery ny ratsy.
16
Izany olona izany no honina eny amin’ny toerana avo tsy hay anihina; ny harambato mafy no ho fialofany, homena hanina sahaza azy izy ary hiantohana rano hosotroiny.
17
Ny masonao no hijery ny mpanjaka ao anatin’ny famirapiratany, ary koa hahita ny tany araka ny velarany faran’izay midadasika;
18
hahatsiaro ilay natahoranao ianao ka ho velom-panontaniana hoe: «Nankaiza àry ilay mpanisa sy mpanamarina ny hetra? Nankaiza ilay mpanao fisafoana eny amin’ny tilikambo?»
19
Tsy ho hitanao intsony ilay firenena misetrasetra sy mampiasa fiteny tsy fantatra sady miboredika tsy misy ahazoana azy.
20
Ndeha topazonao maso i Tsiôna, fankalazàntsika ny fety firavoravoana, dia ho hitanao i Jerosalema, fonenana tony tokoa toy ny lay tsy hahorona intsony, ka ny tsimatra aminy tsy hongotana ary ny kofehiny tsy hovahana intsony.
21
Eo no hanehoan’ny TOMPO ny fahalehibiazany amintsika. Ho faritra hisy renirano sy ony be velarana izany, kanefa tsy handehanan’ny sambo mpiady na hivezivezen’ny sambo vaventy.
22
Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, IZY no ho mpanao lalàna ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.
23
Efa mivaha ny tadin-tsambonao, ka tsy mahatana ny andry intsony ary tsy ahazoana mampiakatra famantarana. Amin’izay no hifampizaràna ny zavatra betsaka nobaboina, ka na ny mandringa aza dia hahazo anjara.
24
Tsy hisy intsony amin’ny mponin’i Jerosalema hiteniteny hoe: «Marary aho!» Ny vahoaka mitoetra ao amin’io tanàna io dia ho voavela heloka.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66