bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 7
Isaiah 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 8 →
1
Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaza, zanakalahin’i Jôtama sady zafikelin’i Hozià mpanjakan’i Joda, dia niakatra i Retsîna mpanjakan’i Siria sy i Peka, zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, mba hanafika an’i Jerosalema, kinanjo tsy nahafaka azy.
2
Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra.
3
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Isaià: –Mivoaha ny trano ianao mba hitsena an’i Ahaza, dia ianao sy i Seara-Jasoba zanakao lahy, fa efa mby amin’ny lakandrano ambony izy, eo amin’izay lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba.
4
Ary lazao aminy hoe: «Tandremo! Aza taitaitra foana, aza matahotra. Aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ny fahatezeran’i Retsîna avy any Siria sy ny fahatezeran’ny zanakalahin’i Remalià, fa tapa-porohana midonaka ihany ireo.
5
Ny Sirianina ary i Peka sy ny Efraîmita dia efa niray tetika tokoa hanisy ratsy anao ka nanao hoe:
6
‹Andeha isika hiakatra hamely an’i Joda mba hampitahotra azy, ka hoterentsika hanaraka antsika izy; dia ilay zanakalahin’i Tabeela no hatsangantsika hanjaka ao aminy.›
7
Izao kosa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tsy ho tanteraka sady tsy hisy izany
8
I Damasy manko no renivohitr’i Siria, ary ao ihany i Retsîna no filoha; i Samaria no renivohitr’i Efraîma, ary ao ihany i Peka no filoha. I Efraîma, ao anatin’ny 65 taona, dia tsy ho vanon-ko firenena intsony.› Kanefa raha tsy ny TOMPO no itokianareo, dia tsy ho azo itokiana haharitra koa ianareo.»
10
Dia mbola nanafatra an’i Ahaza ny TOMPO ka nanao hoe:
11
–Angataho famantarana ny TOMPO Andriamanitrao mba ho antoka ho anao, na any amin’izay fanambanin’ny toeran’ny maty izany na eny an-danitra ambony eny.
12
Fa novalian’i Ahaza hoe: –Tsia, tsy hangataka na inona na inona aho fa tsy te haka fanahy ny TOMPO.
13
Dia hoy i Isaià taminy: –Mihainoa ahy ianao sy ny fianakavianao izay samy taranak’i Davida. Moa tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia hanasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
14
Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»
15
Rononomandry sy tantely no ho sakafony ambara-pahalalàny mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara.
16
Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany, dia hilaozan’ny mponina ny tanin’ireo mpanjaka roa izay mampitahotra anao ireo.
17
Kanefa hataon’ny TOMPO tonga aminao sy ny vahoakanao ary ny taranakao ny toe-javatra izay tsy mbola nisy hatramin’ny andro nisarahan’i Joda tamin’ny fanjakan’i Israely ka hatramin’izao, dia ny hanafihan’ny mpanjakan’i Asiria izany.
18
Amin’izany andro izany ny TOMPO dia hisioka hiantso ny lalitra izay any amin’ny vinany misampana iafaran’ilay onin’i Ejipta; ary hisioka koa Izy hiantso ny renitantely izay any Asiria.
19
Dia indray ho avy ireny ka hipetraka eny an-tevana kisolasola sy eny an-tsefatsefa-bato ary koa eny amin’ny kirihitra rehetra eny sy eny amin’ny toerana rehetra fampisotroam-biby.
20
Amin’izany andro izany ny Tompo dia hanofa hareza avy eny am-pitan’i Eofrata: filazana ny mpanjakan’i Asiria izany; ka ho voaharatra avokoa ny lohanareo rehetra sy ny volon-tongotrareo ary koa ny volom-bavanareo.
21
Amin’izany andro izany koa ny isam-batan’olona dia samy hiompy ombivavy iray sy osivavy roa;
22
ka noho ny habetsahan’ny ronono avy aminy dia rononomandry no hohanin’ny olona fa rononomandry sy tantely no ho foto-tsakafo ho an’izay rehetra sisa tavela eto amin’ny tany.
23
Amin’izany andro izany koa ny saha rehetra nisy voaloboka arivo fototra izay mitentina volafotsy arivo dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo.
24
Koa ho tonga hihaza ao ny olona miaraka amin’ny tsipîka sy ny zana-tsipîka. Izany tany manontolo izany tokoa dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo.
25
Ary ny amin’ireo havoana izay novolena tamin’ny lapika dia tsy ho azo aleha intsony noho ny tahotra ny tsilo sy ny songosongo, fa havela ho kijàna fiandrasana omby sy ho tany firaofan’ny ondry aman’osy.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66