bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 37
Isaiah 37
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 38 →
1
Raha vao nandre izany tatitra izany i Hezekià mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany ka nitafy gony ary lasa niditra tao an-tranon’ny TOMPO.
2
Avy teo izy naniraka an’i Eliakima mpiandraikitra ny lapa sy i Sebnà mpitantsoratra ary ireo mpisorona tranainy indrindra izay samy nitafy gony, mba hankany amin’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa,
3
hanao aminy hoe: «Izao no lazain’i Hezekià: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baràka ho antsika ity andro ity! Tonga amin’ny fitenenana hoe: ‹Efa ho teraka ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy ny reniny.›
4
Angamba ho ren’ny TOMPO Andriamanitrao ny tenin’ilay dekà asirianina izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hanevateva an’Andriamanitra velona; ka hofaizin’ny TOMPO Andriamanitrao izy noho izany. Fa manandrata vavaka ianao ho an’ireo sisa tavela amin’ny vahoakany.»
5
Rehefa tonga tany amin’i Isaià ireo irak’i Hezekià mpanjaka,
6
dia nilazany hoe: –Ambarao amin’ny tomponareo izao hafatry ny TOMPO izao: Aza matahotra eo anatrehan’ny teny renao nanevatevan’ireo manamboninahitry ny mpanjakan’i Asiria Ahy.
7
Fa indro Aho hanoro hevitra azy hiverina any amin’ny taniny, rehefa handre siosio izy; ary any no hampamonoako azy ho fatin-tsabatra.»
8
Dia niverina ilay dekà, ka nankany Libnà izay nataon’ny mpanjakan’i Asiria fahirano tamin’izay; satria reny fa efa nandao an’i Lakisy ny mpanjaka.
9
Kanjo henon’i Saneheriba fa efa an-dalana hamely azy i Tirihakà mpanjakan’i Etiôpia; koa rehefa nahare izany izy, dia naniraka hankany amin’i Hezekià
10
mpanjakan’i Joda indray izy, mba hitondra izao hafatra izao: «Aoka tsy ho voafitaky ny Andriamanitra itokianao ianao amin’ny filazany fa i Jerosalema dia tsy hatolotra ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria.
11
Indro ianao mihitsy no efa nandre ny nanaovan’ireo mpanjakan’i Asiria ny tany hafa rehetra sy ny nandravany azy; ka dia ianao kosa ve no ho voavonjy?
12
Fony nandrava an’i Gôzàna sy i Haràna ary i Retsefa mbamin’i Telasara renivohitry ny Hedenita ireo razako, moa nahavonjy ireny firenena ireny ve ny andriamaniny?
13
Aiza izao ny mpanjakan’i Hamata sy i Arpada ary i Lahîra, aiza izao ny mpanjakan’i Sefarvaîma sy i Henà ary i Hivà?»
14
Ary noraisin’i Hezekià ny taratasy nentin’ireo iraka asirianina ka novakiny; avy teo izy dia niakatra tao an-tranon’ny TOMPO ka namelatra izany taratasy izany teo anatrehan’ny TOMPO,
15
ary nivavaka tamin’ny TOMPO nanao hoe:
16
Ry TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
17
TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao ka mihainoa; TOMPO ô, mba ahirato ny masonao ka mijere; ary aoka ho renao ny teny rehetra izay nampitondrain’i Saneheriba hanevatevana Anao Andriamanitra velona.
18
TOMPO ô, marina fa ireo mpanjakan’i Asiria dia nandringana ny hafa firenena sy nandrava ny taniny;
19
ary nodorany tamin’ny afo sy nosimbany aza ny andriamanitr’ireny firenena ireny satria tsy tena Andriamanitra ireo fa zavatra nataon-tanan’olona, eny, vato aman-kazo ihany.
20
Fa ankehitriny kosa, ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon’ny tanan’i Saneheriba izahay mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany no TOMPO.»
21
Ary i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, dia naniraka hankany amin’i Hezekià nanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ho valin’ny vavaka nataonao ny amin’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria.
22
Izao no teny tononin’ny TOMPO hamelezana azy: Manao tsinontsinona sy maneso anao ny tanàna kanton’i Tsiôna, ry Saneheriba; mihifikifi-doha ho fanamavoana anao ny tanànan’i Jerosalema.
23
Fa iza moa no voatevatevanao sy nompanao? Ary iza no nanaovanao lela miakatra sy niandranandranan’ny masonao? Tsy iza fa Izaho Ilay Masin’i Israely!
24
Tamin’ny alalan’ny mpanomponao no nanevatevanao Ahy Tompo. Hoy ianao hoe: ‹Izaho Saneheriba dia ny kalesiko marobe no niakarako teny an-tampon-tendrombohitra hatreo afovoan-tanin’i Libano mba hikapa ny sedera mijoalajoala sy ny kipreso voafantina eo aminy. Hiakarako ao ny tendrombohitra faran’izay avo sy ny tahirin’alany matevina indrindra.
25
Izaho no efa nihady vovo fantsakana sy nisotro ny ranon’ny firenen-kafa; ary horitiko ny sakeli-drano rehetra any Ejipta raha vao migadona any ny faladiako!›
26
Moa tsy fantatrao va, ry Saneheriba, fa efa hatry ny ela no nanomanako an’izao zava-nitranga tato ho ato izao? Efa hatramin’ny ela be no namolavolako azy, ary ankehitriny dia manatanteraka azy Aho. Voatendriko handrava ireo tanànamimanda ianao ka hahatonga azy ho korontam-bato.
27
Dia miraviravy tanana ny mponina ao aminy, sady raiki-tahotra no safo-kenatra; toy ny vilona any an-tsaha izy ireo sy tahaka ny ahi-maitso eny an-jaridaina ary tahaka ny zava-maniry eny an-tampon-trano ka main’ny rivotra avy any atsinanana.
28
Fantatro avokoa ny momba anao, ry Saneheriba, na mipetraka ianao na mitsangana, na mivoaka ny trano ianao na miditra, sy rehefa tezitra misafoaka amiko.
29
Eny, efa tezitra nisafoaka tamiko tokoa ianao ary efa tafakatra an-tsofiko ny fireharehànao; koa hasiako farango ny oronao ary hasiako lamboridy ny vavanao, dia hampivereniko any an-taninao ianao amin’izay lalana niavianao ihany.
30
Izao kosa no famantarana ho anao, ry Hezekià: Amin’ity taona ity dia hihinana izay vary maniry ho azy ny olona; ary amin’ny taona manaraka dia mbola ho toy izany koa. Fa amin’ny taona fahatelo kosa dia hamafy vary sy hijinja ianareo ary hamboly voaloboka sy hihinana ny vokatra avy aminy.
31
Ary izay sisa velona amin’ny taranak’i Joda dia ho toy ny hazo hamaka lalina indray ary ho feno voa ny rantsany;
32
satria ao Jerosalema no hipoiran’ny sisa tavela, ary ao an-tendrombohitra Tsiôna no hiarenan’ny sisa velona.» Dia hoy ihany i Isaià hoe: «Izany no hataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao noho ny fitia miredareda manesika Azy.
33
Izao kosa no lazain’ny TOMPO ny amin’ny mpanjakan’i Asiria: ‹Tsy hiditra amin’ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipîka hamelezana azy na hiady aminy ombàn’ny ampinga na hanangana tovon-tany hanafihana azy.
34
Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany, fa tsy hiditra amin’ity tanàna ity izy. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.
35
Harovako i Jerosalema ary hovonjeko noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.› »
36
Dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin ’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.
37
Koa niainga teo i Saneheriba mpanjakan’i Asiria mba handeha hiverina any Ninive ary nijanona tany.
38
Kanjo raha iny izy niankohoka tao amin’ny tempolin’i Nisrôka andriamaniny iny indrindra, no avy namono azy tamin’ny sabatra ny zanany roa lahy, dia i Adramelèka sy i Saretsera; avy eo lasa nandositra any amin’ny tany Ararata izy mirahalahy fa i Esara-Hadôna zanakalahin’i Saneheriba no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66