bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 47
Isaiah 47
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 48 →
1
Midîna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka, ry vahoaka mponin’i Babilôna, hoy ny TOMPO; mipetraha amin’ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «Babilôna tsara tarehy» na «Babilôna mirenty».
2
Makà vato fikoseham-bary ka mitotoa koba. Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.
3
Aoka hiseho ny fitanjahanao ary ho hita izay mahamenatra anao. Hanao valifaty tokoa Aho ka tsy misy mahasakana Ahy,
4
hoy Ilay Mpanavotra anay. Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany, dia Ilay Masin’i Israely.
5
Mipetraha mangina ianao ary misitriha any amin’ny maizina, ry renivohitry ny Kaldeanina, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «tompovavin’ny fanjakana maro».
6
Tezitra mafy tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hovetavetaina ilay anjara fananako. Natolotro teo an-tananao izy, kanefa tsy mba namindranao fo fa nampitondrainao zioga mavesatra hatramin’ny be antitra aza.
7
Nihambo haharitra mandrakizay ianao ka ho tompovavin’izao tontolo izao hatrany, fa tsy noeritreretinao akory izay niseho ary tsy noheverinao akory izay ho avy aoriana.
8
Ry tanàna tia fahafinaretana sady mipetraka tsy manana ahiahy, ianao miteny anakampo hoe: «Izaho dia tsy manan-tsahala! Tsy ho mpitondratena mihitsy aho ary tsy ho faty anaka na oviana na oviana.» Fa ankehitriny henoinao kosa izao:
9
Amin’ny indray andro monja dia hihatra tampoka aminao ireto loza roa ireto: ho faty zanaka ianao sady hanjary mpitondratena. Eny, hihatra aminao avokoa ireo, na dia maro aza ny ody fampiàsanao ary na dia zavontany aza ny fankatòvanao.
10
Natoky ireo ody ratsy fanefitrao ianao, ka nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy.» Nefa ny fahendrena sy ny fahalalana nihamboanao hananana ihany no nampivadika atidoha anao, ka nampiteny anao anakampo hoe: «Izaho dia tsy manan-tsahala!»
11
Koa indro hihatra aminao ny loza izay tsy hainao avily hidify anao; indro hiantonta aminao ny fahavoazana izay tsy azonao iarovan-tena; eny, hihatra tampoka aminao ny faharavana, dia faharavana izay tsy ampoizinao.
12
Tohizo ihany àry ny fankatòvanao sy ny ody maro fampiàsanao izay efa niezahanao hatry ny fahatanoranao; angamba hahazoanao tombontsoa izany na koa hampitahoranao izay mananontanona anao.
13
Vizana manontany ireo mpanandro ianao. Aoka hiseho sy ho avy hamonjy anao ireo mpamariparitra ny lanitra sy ireo mpandinindinika ny kintana ka mampahafantatra isaky ny tsinam-bolana izay zavatra tsy maintsy ho tonga aminao!
14
Ho toy ny mololo no hanjo ireo mpanandro ireo: ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy tena ho afaka amin’ny herin’izany lelafo izany; fa tsy ho vainafo kely hanendasa-mofo izany na ho fatan’afo tsotra natao hamindroana!
15
Izany, ry Babilôna, no hanjo ireo mpimasinao izay efa nisasaranao nanontaniana hatry ny fony ianao mbola tanora. Samy handeha amin’izay halehany izy, fa tsy hisy na dia iray aza hahavonjy anao.
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 48 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66