bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 26
Isaiah 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 27 →
1
Amin’izany andro izany, ao amin’ny tanin’i Joda dia hihirana izao hira izao: «Manan-tanàna mafy isika. Manda roa sosona no nataon’ny TOMPO mba ho fiarovana azy.
2
Vohay ireo vavahady hidiran’ny firenena mahatoky izay mitana ny fahamarinana.
3
Ny toe-tsainy tsy miovaova; ka omenao fiadanana hatrany izy satria matoky Anao, TOMPO ô.
4
Matokia ny TOMPO hatrany hatrany ianareo, satria ny TOMPO no vatolampy mandrakizay.
5
Izy no nampietry ireo mpiteronterona sy nandrodana ny tanàna sarotra iakarana; eny, nampidaboka azy tamin’ny tany Izy ka nampitrosona azy tamin’ny vovoka
6
mba hohitsahin’ny mahantra sy ny malemy.
7
TOMPO ô, toroanao lala-mahitsy ny olo-marina; ary tsy miolikolika ny lalana soritanao ho azy.
8
Eny, lalana atoron’ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO ô. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.
9
Maniry ny atrehinao aho amin’ny alina; eny, mitady Anao ny fanahiko ato anatiko. Rehefa ny didim-pitsaranao no ampiharinao amin’ny tany, dia hahay hitondratena mahitsy ny mponina eran’izao tontolo izao.
10
Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.
11
TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory. Aoka ho menatra izy raha mahita ny zotomponao hiaro ny vahoakanao; eny, aoka handevona azy ny afo izay natokanao ho an’ny fahavalonao!
12
TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana ary Ianao koa no mahatomombana ho anay ny asa rehetra nataonay.
13
Ry TOMPO Andriamanitray ô, tompo maro no efa notompoinay talohanao; nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.
14
Ny maty tsy ho velona intsony ary ny matoatoa tsy hitsangana koa; fa efa nirotsaka handringana azy Ianao ka nolevoninao mbamin’ny fahatsiarovana azy.
15
TOMPO ô, nampitomboinao ny firenenay, ary izany no nahazoanao voninahitra; eny, nampitomboinao ny firenenay ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.
16
TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao.
17
Toy ny vehivavy mihetsi-jaza hiteraka ka miolanolana sy mitaraina mafy, dia toy izany izahay teo anatrehanao, TOMPO ô.
18
Izahay koa dia mova tsy efa bevohòka sy efa nihetsi-jaza hiteraka, nefa tahaka ny zava-poana no naterakay. Tsy nahay nitondra fanafahana ho an’ny tany izahay, tsy nahay nitondra mponina vaovao ho an’izao tontolo izao.
19
Ho velona indray ireo maty ao aminao, ry fireneko, ary hitsangana ny fatiny. Hifoha sy hanao hobim-pifaliana ireo matory ao amin’ny vovo-tany, fa handefasan’ny Tompo andom-pahazavana ianao ka hateraky ny tany indray ireo nodimandry.
20
Ndeha miditra any an-tranonao, ry fireneko, ka hidio mafy ny varavarana; miere kely indray mipy maso monja ianao mandra-pisindan’ny fahatezeran’ny Tompo.
21
Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66