bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 21
Isaiah 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 22 →
1
Hafatra momba ny taniefitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an’i Negeba no fiavin’ny fahavalo avy any an-taniefitra, avy any amin’ny tany anankiray mahatahotra.
2
–Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»
3
Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin’ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.
4
Very hevitra aho ary nangovitra noho ny tahotra; nandrasako ny hariva hampangatsiatsiaka ahy, kanjo nivadika ho fampihorohoroana ahy izany.
5
Naroso ny sakafo, navelatra ny lambanana, dia nihinana sy nisotro ny olona. Kanjo vetivety teo nisy niantso hoe: «Mitsangàna, ry mpitari-tafika, hosory menaka ny ampinga!»
6
Fa izao tokoa no nolazain’ny Tompo tamiko: «Ndeha mametraka mpitily ianao, ka aoka io no hanambara izay hitany!
7
Raha kalesy tarihin-tsoavaly no tazany na koa boriky na rameva manao andiany, dia tokony ho mailo izy, eny, tokony ho mailo tsara.»
8
Teo dia niantso ilay mpitily nanao hoe: «Teo amin’ny toeram-piambenako, tompoko, no nijanonako tontolo andro, ary teo amin’ny toeram-pitiliako no nijoroako nandritra ny alina.
9
Ka indro erỳ tamy ny lehilahy iray mitaingin-kalesy tarihin-tsoavaly sady niloa-bava niteny hoe: Rava, rava i Babilôna! Torotoro miraraka amin’ny tany avokoa ny sarivongan’ny andriamaniny rehetra!»
10
Ry fireneko, izay voavely toy ny vary eo am-pamoloana, izany no reko tamin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia ilay Andriamanitr’i Israely, ka ampahafantariko anareo.
11
Hafatra momba an’i Domà. Nisy niantso ahy avy ao Sehîra hoe: «Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?»
12
Dia namaly ny mpiambina hoe: «Tonga ny maraina nefa mbola alina ihany! Raha mbola te hanontany ianareo, dia miverena indray.»
13
Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!
14
Ianareo mponin’ny faritr’i Temà, ndeha tsenao ireo mangetaheta ka itondray rano, ndeha atreho ireo mpandositra ka omeo hanina.
15
Fa nandositra teo anoloan’ny sabatra ireny, teo anoloan’ny sabatra tsy nitsitsitsitsy sy teo anoloan’ny tsipîka nihenjana ary teo anoloan’ny ady mahery vaika.
16
Fa izao no voalazan’ny Tompo tamiko: «Amin’ny herintaona toy izao anio izao, dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara.
17
Ho vitsy kely sisa no tavela amin’ireo mpandefa tsipîka sy ireo miaramila voafantin’i Kedara.» Izany no tenin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66