bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 38
Isaiah 38
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 39 →
1
Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany, zanakalahin’i Amôtsa, ary nilaza taminy ny tenin’ny TOMPO hoe: «Ataovy ny fara hafatrao amin’ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.»
2
Dia nitodika tany amin’ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin’ny TOMPO,
3
ary nanao hoe: «TOMPO ô, mba tsarovy fa nandeha tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao!» Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.
4
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Isaià nandidy
5
handeha hilaza amin’i Hezekià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako 15 taona ny andro hiainanao.
6
Ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria; ary ity tanàna ity dia harovako noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.»
7
Dia novaliany hoe: «Izao no famantarana omen’ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy.
8
Ny tohatr’i Ahaza, izay azon’ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan’ny aloka; indro fa hampihemorin’ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany.» Dia azon’ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka teo.
9
Ity tononkalo ity dia nosoratan’i Hezekià mpanjakan’i Joda, rehefa avy narary izy ka sitrana tamin’ny aretiny:
10
Hoy aho anakampo hoe: Amin’izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy hahalasanako! Eo am-baravaran’ny fonenan’ny maty no hamaranako ny taonako sisa rehetra.
11
Hoy koa aho hoe: Tsy hahita ny TOMPO intsony aho eto amin’ny tanin’ny velona; ary any amin’ny fiafaran’ny zavatra rehetra dia tsy hahita endrik’olona intsony aho.
12
Fa nongotanao ny fonenako ka nafindranao lavitra ahy toy ny lain’ny mpiandry ondry. Ahoronao toy ny tenona ny fiainako ka efa ho tapaka ny haraka. –Indray andro monja, TOMPO ô no anaperanao ny aiko;
13
ka alohan’ny maraina, dia ho vita ny amiko.– Toy ny liona mihitsy ny TOMPO nanapatapaka ny taolako rehetra. –Indray andro monja, TOMPO ô, no anaperanao ny aiko.–
14
Koa mikiakiaka toa sidintsidina aho ary mitoloko toa voromahailala. Tsy mahajery lanitra intsony ny masoko, –Tompo ô, tena trotraka aho, ka aoka mba hiantohanao.–
15
Inona àry no holazaiko sy hoteneniko amin’ny TOMPO? Eny, Izy no nanao an’izao. Handeha mijoretra aho amin’ny taonako sisa rehetra fa mangidy amiko loatra izao.
16
–TOMPO ô, fantatrao izay nanjo ahy ka namelona ahy indray Ianao; naverinao ny heriko ary notahirizinao ny aiko.
17
Indro niova ho fahasambarana ilay fahoriako nangidy dia nangidy. Fatra-pitia ahy Ianao ka tsy namela ahy ho faty; fa narianao any ivohonao ny heloko rehetra.
18
Any amin’ny fonenan’ny maty tokoa dia tsy misy afaka midera Anao; ireo nindaosin’ny fahafatesana tsy mba afaka mankalaza Anao; izay tafidina any am-pasana tsy hanantena ny toetranao mahatoky.
19
Ny velona ihany no afaka hidera Anao, dia tahaka ahy izao anio izao sy tahaka ireo ray aman-dreny izay hampahalala ny zanany fa tena mahatoky tokoa Ianao.
20
TOMPO ô, efa namonjy ahy Ianao. Koa hankalaza Anao izahay miaraka amin’ny feon-dokanga ao an-tranonao, TOMPO ô, amin’ny androm-piainanay rehetra.
21
Ary nampaka ampempan’aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin’ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.
22
Dia hoy i Hezekià taminy: «Inona no famantarana fa afaka hiakatra ao an-tranon’ny TOMPO aho?»
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66