bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 10
Isaiah 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 11 →
1
Lozan’ireo olona mamoaka didy tsy marina ary maika hampanoratra lalàna mampahory.
2
Hanesorana eo amin’ny fitsarana ny fitarainan’ny madinika izany ary hamerezan-jo aman-drariny ny mahantra eo amin’ny vahoakako, hamaboan-karena ny mpitondratena ary koa handrobam-pananana ny kamboty.
3
Amin’ny andro famalian’ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
4
Izao ihany no azonareo atao: hitanondrika miaraka amin’ireo babo na hidaboka miaraka amin’ireo maty. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
5
Hoy ny TOMPO hoe: «Lozan’i Asiria, izay tsorakazo mampihatra ny fahatezerako! Eny, izy no mitazona eny an-tanany ny kibay mampihatra ny fahavinirako.
6
Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy mba handroba sy hanangona babo avy aminy, ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.
7
Kanjo tsy araka izany no heverin’i Asiria; zavatra hafa no kasain’ny fony, ny handringana no tao an’eritreriny ary ny hamongotra firenena maro indrindra.
8
Fa hoy izy hoe: ‹Moa tsy mitovy lanja amin’ny mpanjaka ve ireo jeneraliko?
9
Tsy tahaka an’i Karkemisy ve no niafaran’ny tanànan’i Kalne? Tsy tahaka an’i Arpada ve no niafaran’i Hamata? Tsy tahaka an’i Damasy ve no niafaran’i Samaria?
10
Haiko ny namely ireo fanjakana izay manompo andriamani-tsiizy, na dia nihoatra noho ny an’i Jerosalema sy ny an’i Samaria aza ny sarivongan-tsampiny.
11
Koa tsy ho tahaka izay nataoko tamin’i Samaria sy tamin’ny andriamani-tsiizy notompoiny ve no hataoko koa amin’i Jerosalema sy ny sampiny?›
12
Kanefa rehefa vitan’ny Tompo avokoa ny asany ao an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema, dia hofaiziny ny mpanjakan’i Asiria noho ny fony feno avonavona sy ny fijeriny miandranandrana.
13
Satria hoy izy anakampony hoe: «Ny herin-tsandriko sy ny fahendreko no nahavitako ny zavatra rehetra, fa izaho no marani-tsaina indrindra. Nofoanako ny faritanin’ny firenena maro ary norobaiko ny tahirin-karenany. Ary toy ny lehilahy mahery fo aho raha nanongana ny mpanjakany.
14
Toy ny fakàna ny akanim-borona ka angoronana ny atody nilaozan-dreniny no nakako ny haren’ireo firenena sy nangoronako ny fananan’ny tany tontolo, ka tsy nisy afa-nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.»
15
Ny famaky ve hirehareha amin’ny mpikapa? Ny tsofa ve hiavonavona amin’ny mpanatsofa? Mova tsy hoe ny tsorakazo indray no manetsika izay mpanainga azy, na mova tsy hoe ny kibay indray no manandratra ny olona mampiasa azy!
16
Noho izany, ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao dia tsy hampamokatra intsony ny tany lonaka ao Asiria. Ary toy ny fihanaky ny afo rehefa misy hain-trano no hiparitahan’ny afo mihanaka eo ambanin’ny famirapiratan’io firenena io.
17
Ny TOMPO, fahazavan’i Israely, dia hanjary afo ary ilay Masiny dia hanjary lelafo handoro ny tsilo sy ny songosongo ka handevona azy anatin’ny indray andro monja.
18
Holevoniny tanteraka ny alany mirenty mbamin’ny sahany mahavokatra; ho toy ny marary miala aina izany.
19
Hazo vitsy sisa no ho tavela amin’ny alany, ka na ny zaza bodo aza dia afaka hanisa azy.
20
Amin’izany andro izany, ireo sisa velona amin’i Israely na ireo sisa tavela amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’ireo namely azy intsony; fa ny TOMPO, ilay Masin’i Israely, no hiankinany marina tokoa.
21
Hisy sisa hiverina, eny, hisy sisa amin’ny taranak’i Jakôba hiverina amin’Andriamanitra mahfkery.
22
Kanefa na dia marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia io sisa io ihany no hiverina amin’ny Tompo. Efa voatendry ny fandravana, izay hampihanaka ny fahamarinana.
23
Eny, ny fandravana izay voatendrin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no hotanterahiny eo anivon’ny tany tontolo.
24
Izany no antony ilazan’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an’i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon’ny Ejiptianina taminao fahiny;
25
fa rehefa afaka kelikely, fotoana fohy monja, dia hitsahatra ny fahavinirako aminao ary hisampotina aminy ny fahatezerako.»
26
Harangarangan’ny TOMPOn’izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an’i Asiria tahaka izay nataony tamin’ny famelezana ny Midianita teo amin’ny harambaton’i Hôreba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy izay nataony tany Ejipta.
27
Amin’izany andro izany, hoesoriny eo an-tsorokao ny enta-mavesatra, ary halàny eo am-bozonanao ny zioga. Miakatra ao Samaria ny fahavalo,
28
tonga ao akaikin’i Haiata, dia mandalo ao Migrôna ary mametraka ny entany ao Mikmasy.
29
Mamakivaky ny hadilanana izy sady miteny hoe: «Any Geba isika no hitoby anio alina.» Mangovitra noho ny tahotra ny ao Ramà; lasa mitsoaka ny ao Gibehà, izay tanàna fiavian’i Saoly.
30
Miantsoantsoa mafy, ry olona ao Galima! Mihainoa ianareo ao Laisà, ary mamalia ianareo ao Hanatôta.
31
Mandositra ny ao Madmenà ary misitrika ny mponina ao Gevima.
32
Fa androtr’io ihany ny fahavalo dia maka toerana ao Nôba, ka maninji-tanana mandrahona an’i Tsiôna, dia ilay tendrombohitra mampahonena, ilay havoana iorenan’i Jerosalema.
33
Indro ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao fa manjera rantsana amin-kerisetra; voakapa ny hazo mijoalajoala, voadaboka ny hazo avo dia avo.
34
Kapaina amin’ny famaky ny ala mikitroka, nianjera ny sedera mijoalajoalan’i Libano.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66