bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 34
Isaiah 34
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 35 →
1
Manatòna handre, ry firenen-kafa, ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony. Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy; aoka handre izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!
2
Tezitra amin’ny firenen-kafa rehetra ny TOMPO sady misafoaka amin’ny tafiny manontolo; nasainy naringana ireny ka natolony hovonoina.
3
Izay voavono dia hariam-potsiny ka hamofona maimbo ny fatiny; ary handriaka ra ny tendrombohitra.
4
Ny andian-tafiky ny kintana dia ho potika hiraraka avokoa; hihorona toy ny horonan-taratasy ny habakabaka; ary toy ny fihintsan’ny ravim-boaloboka maina na toy ny fihintsan’ny ravin’aviavy malazo no hihintsanan’ny planeta aman-kintana.
5
Eny ana habakabaka ilay sabatry ny TOMPO no mandihindihy toa mamo, ka indro miantonta hamely an’i Edôma, dia ilay firenena voatendry haringana mba ho famaizan’ny TOMPO azy.
6
Feno ra ilay sabatry ny TOMPO sady mihosina menaka, dia ran’ny zanak’ondry sy osilahy ary koa menaka avy amin’ny fonom-boany; satria misy sorona ataon’ny TOMPO ao Bôtserà ary fandringanana goavana ao amin’ny tany Edôma.
7
Voaripaka miaraka amin’ireo koa ny ombimanga mbamin’ny vantotr’omby sy ny ombilahy ka vonton-dra ny tanin’ny Edômita ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
8
Eny, andron’ny valifaty izany ho an’ny TOMPO sady taona famaliana ho an’Ilay mpiaro an’i Tsiôna.
9
Hanjary toy ny dity ny ranon-driakan’i Edôma, hiova ho solifara ny vovo-taniny. Hanjary sahan-dity mirehitra io tany io;
10
ka tsy ho faty na andro na alina izany, ary hiakatra tsy an-kijanona ny setroka; hijanona ho tany hay hatrany hatrany i Edôma ary tsy hisy handalo eo intsony mandrakizay.
11
Ho kianjan’ny tararaka sy ny sokina izy ary honenan’ny vorondolo sy ny goaika. Hohenjanin’ny Tompo eo aminy ny famolaina fandravana sy ny pilao fandrodanana.
12
Tsy hisy andriana intsony hifidy mpanjaka sady ho foana avokoa ny filohany rehetra.
13
Haniry tsilo ny lapan’ny mpanjaka; ary songosongo sy voaroy no hanenika ny trano fiarovany. Ho fonenan’ny amboadia sy sehatry ny vorombe ireo,
14
ho fihaonan’ny bibidia sy ny kary; any no hifampitaona ireo osidia, any no hiato sy hiala sasatra ny lilîta mpandehandeha amin’ny alina.
15
Any koa no hanao lavaka ny bibilava ka hametraka ny atodiny sy hikotrika azy ary hanara-maso ny fahafoizany. Any koa no hivondronan’ny papango samy araka ny andiany avy.
16
Raha mitady ao amin’ny bokin’ny TOMPO ianareo, dia ho afaka hamaky izao teny izao: Tsy misy tsy ao ireo biby ireo na iray aza, ary tsy misy sahirana mitady ny andiany satria ny baikon’ny Tompo no nandidy izany ary ny Fanahiny no nanangona azy.
17
Antsapaka no nanendreny ny anjaran’ny tsirairay, noraisiny ny famolaina hizaràna ny tany ho azy; ireo no ho tompony hatrany hatrany ka honina ao hatramin’ny taranaka mifandimby.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66