bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 24
Isaiah 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 25 →
1
Indro ny TOMPO fa hanimba ny tany ka handrava azy; havadiny ambony ambany izy ary haeliny ny mponina eo aminy.
2
Koa hitovy ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampindrana sy ny mpindrana ny mpampisambo-bola sy ny mpisambo-bola.
3
Ho simba sy ho rava tanteraka ny tany. Fa izao teny izao no nambaran’ny TOMPO:
4
«Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika miaraka amin’ny tany koa ny habakabaka any ambony any.»
5
Ny tany dia voaloton’ny mponina ao aminy fa nandika ny lalànan’ny Tompo ireny, tsy nanaraka ny fitsipika fa nivadika tamin’ny fanekempihavanana izay maharitra mandrakizay.
6
Koa levon’ny ozon’Andriamanitra ny tany; ary mitondra fahoriana ny mponina eo aminy noho ny heloka nataony; hihena ireo ka vitsy dia vitsy no ho tavela.
7
Misaona ny divay vaovao fa milofika ny rantsam-boaloboka, misento avokoa ireo mpifalifaly am-po.
8
Nitsahatra ny gadona firavoana amin’amponga, nijanona ny horakorak’ireo mpanao korana, nitsahatra koa ny feo fifaliana amin-dokanga.
9
Tsy misy divay hosotroina intsony ka foana ny hirahira; mangidy mbamin’ny toaka eo am-bavan’ny mpisotro.
10
Rava ilay tanàna feno zava-poana; mihidy ny trano rehetra ka tsy azo idirana.
11
Mitaraina ny olona eny an-dalam-be fa tsy misy intsony ny divay; nanjavona ny firavoravoana rehetra ary tsy nisy fifaliana intsony teo amin’ny tany.
12
Zava-mampahonena sisa no tao an-tanàna, rava sy montsamontsana ny vavahady!
13
Ny eto ambonin’ny tany sy eo anivon’ireo firenena dia ho tahaka ny ôliva avy nahintsana sy ho tahaka ny voaloboka avy notazana ka tsy ahitana zavatra firy intsony.
14
Izay sisa velona no manandratra ny feony ka mihoby ny fahalehibiazan’ny TOMPO; avy any andrefana any izy ireo no manao horakora-pifaliana hoe:
15
«Aoka homem-boninahitra ny TOMPO any amin’ny faritra atsinanana! Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely, aoka homem-boninahitra ny anarany eny amin’ny tany amoron-dranomasina!»
16
Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.
17
Fampihorohoroana sy longoa ary fandrika harato no miandry anareo, ry mponina eto an-tany.
18
Koa izay mandositra ny kiakiaka vokatry ny fampihorohoroana, dia ho latsaka ao anatin’ny longoa; ary izay tafakatra avy ao amin’ny longoa dia ho voan’ny fandrika harato. Misokatra ny hidin-drano any ambony, ka mihozongozona ny fanorenan’ny tany.
19
Vakivaky ny tany ary tena mitresaka; voadona mafy izy ka mihotsaka.
20
Mivembena toy ny mamo ny tany ary mihevingevina toy ny tranobongo, fa mitambesatra aminy ny heloka vitany ka potraka izy ary tsy afa-miarina intsony.
21
Amin’izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra any ambony any ny TOMPO ka hamely ny andian’ireo planeta aman-kintana; ary hirotsaka an-tsehatra etỳ an-tany koa Izy ka hamely ny mpanjakan’ny tany.
22
Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra.
23
Amin’izay noho ny henatra dia hivoaramena ny volana ary hivaloarika ny masoandro; fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanjaka ao Jerosalema, eo an-tendrombohitra Tsiôna, sady hamirapira-boninahitra eo anatrehan’ireo loholony.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66