bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 1
Jeremiah 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 2 →
1
Ity boky ity dia mirakitra ny asa sy teny nataon’i Jeremià, zanakalahin’i Hilkià isan’ny mpisorona tao Hanatôta, tanàna iray tamin’ny faritanin’i Benjamîna.
2
Nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ireo hafatra ireo, nanomboka ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda,
3
sy tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, ka hatramin’ny taona farany nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Jôsià iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11 nanjakan’i Tsedekià tamin’ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema.
4
Nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
5
–Mbola tsy noforoniko tao an-kibon-dreninao akory ianao dia efa fantatro, ary mbola tsy teraka akory ianao dia efa natokako hanompo Ahy sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro.
6
Ary namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandahateny.
7
Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe: –Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho» fa tsy maintsy handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao.
8
Aza matahotra azy fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao. Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.
9
Avy eo IZY dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe: –Ianao no hanambara ny teniko.
10
Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly.
11
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanontany hoe: –Inona no hitanao, ry Jeremià? Dia novaliako hoe: –Rantsam-paiso na hazo mahatsiaro no hitako.
12
Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Nahita tsara ianao, fa hahatsiaro Aho mba hanatanteraka izay lazaiko.
13
Dia mbola nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanontany hoe: –Ary inona no hitanao izao? Dia novaliako hoe: –Vilany mangotraka no hitako; avy any avaratra no mitongilana mankatỳ ny vavany.
14
Ary hoy ny TOMPO nanazava tamiko: –Avy any avaratra tokoa no hipoitra ny loza hamelezana ny mponina rehetra eto amin’ny tany.
15
Fa Izao TOMPO dia miteny hentitra hoe: Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra amin’ireo fanjakana any avaratra. Ho avy ireny ka samy hametraka ny sezafiandrianan’ny mpanjakany avy eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema. Hanodidina ny mandany rehetra izy ary hanafika ny tanàn-dehibe rehetra any Joda.
16
Havoakako ny didim-pitsarana hamelezana ny mponin’ity tany ity noho ny ratsy rehetra izay nataony: nandao Ahy izy ka nanao sorona ho an’ireo andriamani-kafa, dia ny andriamanitra asan-tanany izay ivavahany!
17
Fa ianao kosa, ry Jeremià, misikìna, mitsangàna ka ambarao azy izay rehetra nandidiako anao. Aza matahotra azy ianao fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany.
18
Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanànamimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda varahina raha mifanandrina amin’ny mponina rehetra eto amin’ny tany amin’ny mpanjakan’i Joda sy ireo mpitondra fanjakana sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin’ny tany.
19
Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52