bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 27
Jeremiah 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 28 →
1
Tamin’ny fiandohan’ny nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe:
2
«Izao no voalazan’ny TOMPO: Manamboara mahazaka sy zioga ka lanjao eny an-tsorokao.
3
Avy eo dia alefaso any amin’ny mpanjakan’i Edôma sy ny mpanjakan’i Môaba ary ny mpanjakan’ny Hamônita mbamin’ny mpanjakan’i Tiro sy ny mpanjakan’i Tsidôna ireny. Ampitondray ireo masoivohony tonga eto Jerosalema mba hihaona amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda ireny zioga ireny;
4
sady asaovy ampitainy tsara amin’ny tompony avy ity hafatra ity: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely ka hampitainareo amin’ny tomponareo:
5
Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby eny ambonin’ny tany tamin-kery lehibe sy tamim-pahefana tsy hay tohaina, ka manome azy ho an’izay tiako.
6
Koa ankehitriny dia atolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko ny taninareo rehetra; ary atolotro hanompo azy na dia ny bibidia aza.
7
Hanompo azy sy ny zanany mbamin’ny zafikeliny ny firenena rehetra ambara-pahatongan’ny andro hanompoan’ny taniny kosa an’ireo firenena matanjaka kokoa sy mpanjaka lehibe kokoa.
8
«Koa raha misy firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnetsara, eny, raha misy firenena tsy manaiky hitondra ny zioga izay hampitondrain’i Nebokadnetsara azy, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamely izany firenena izany amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary ny tanan’i Nebokadnetsara no hasaiko mandripaka azy.
9
«Noho izany, dia aza henoinareo ny mpaminaninareo na ny mpisikidy milaza ny hoavy amin’ny antsapaka, na ny mpilaza nofy na ny mpanandro na ny mpimasy izay mihambo fa tsy hanompo an’i Nebokadnetsara ianareo.
10
Fa maminany lainga aminareo izy; koa raha mihaino azy ianareo, dia hoentina hanalavitra ny taninareo. Eny, horoahiko hiala eto ianareo ka ho lany ringana.
11
«Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga, ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin’ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»
12
Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
13
Fa nahoana moa no tsy maintsy ho faty amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianao sy ny vahoakanao? Izany no hanjo ny firenena rehetra izay tsy manaiky hanompo ny mpanjakan’i Babilôna araka izay voalazan’ny Tompo.
14
Misy mpaminany mihambo milaza fa tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilôna intsony ianareo. Maminany lainga izy, ka aza mihaino azy ianareo.
15
Hentitra kosa ny tenin’ny TOMPO hoe: ‹Tsy naniraka ireny Aho. Mihambo miteny amin’ny anarako izy, nefa mandainga. Koa raha mihaino azy ianareo, dia horoahiko hiala eto, ka ho lany ringana ianareo sy ireto mpaminany izay maminany aminareo.› »
16
Farany dia ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo no nitenenan’i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay milaza aminareo fa haverina haingana avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’ny TOMPO, satria lainga izay nambarany taminareo.
17
Aza mihaino azy fa manompoa an’i Nebokadnetsara, dia ho velona ianareo. Fa nahoana no avela ho rava ity tanàna ity?› »
18
Sady nampian’i Jeremià hoe: «Raha mpaminany tokoa ireo olona ireo, ka tena mitondra ny hafatra avy amin’ny TOMPO, dia aoka izy hangataka amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba tsy havelany hoentina any Babilôna ireo fanaka sarobidy sisa mbola ao an-tranon’ny TOMPO sy ao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda na eto an-tanàna.
19
Fa manan-kolazaina ny TOMPOn’izao rehetra izao momba ireo andry sy ilay fitobian-drano goavana ary ireo kovetabe misy tongony mbamin’ireo fanaka hafa mbola eto Jerosalema. (
20
I Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna manko tsy mbola nitondra ireo fitaovana ireo avy tao Jerosalema hankany Babilôna fony izy nitondra an’i Jekonià, zanakalahin’i Joîakima sady mpanjakan’i Joda sy ireo olo-manankaja rehetra avy eto Joda sy i Jerosalema.)
21
Koa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo fanaka sisa tafajanona ao an-tranon’ny TOMPO sy ao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda na eto Jerosalema:
22
«Hoentina any Babilôna ireo fanaka rehetra ireo, ary hijanona any ambara-piavin’ny andro hirotsahako an-tsehatra hampakatra sy hamerina azy eto amin’ity toerana ity indray.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52