bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 20
Jeremiah 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 21 →
1
Ary i Pasehora, zanakalahin’i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO, dia nandre an’i Jeremià nanambara ireo hafatra ireo.
2
Koa namely tehamaina an’i Jeremià mpaminany izy sady namatotra azy tamin’ny tsatòka teo anilan’ny vavahadin’i Benjamîna, dia ilay vavahady ambony mankao an-tranon’ny TOMPO.
3
Nony ampitso vao novahan’i Pasehora, teo amin’ny tsatòka i Jeremià. Ary hoy i Jeremià taminy: –Tsy i Pasehora intsony no anarana hiantsoan’ny TOMPO anao fa Magôra-Misabiba, izany hoe «Fihorohoroana hatraiza hatraiza ».
4
Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.
5
Ny haren’ny mponin’ity tanàna ity sy ny vokatry ny asany ary ny zava-tsoa ananany, mbamin’ireo raki-tsarobidin’ny mpanjakan’i Joda dia samy hatolotro avokoa ho eo an-tanan’ny fahavalony, ka horobainy sy halainy ary hoentiny any Babilôna.
6
Ary ianao koa, ry Pasehora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia hobaboina. Ary rehefa tonga any Babilôna ianao, dia ho faty any sy halevina any; ho faty sy halevina any ny tenanao mbamin’ny namanao rehetra izay naminanianao lainga.
7
TOMPO ô, notaominao aho ka voataona; ary nahery tamiko Ianao ka resy aho. Fihomehezana aho isan’andro sady fanebaky ny olona rehetra.
8
Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho, dia voatery miantso vonjy ary mihorakoraka hoe: Herisetra sy famoretana e! Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO ô, no anakorana sy ihomehezana ahy isan’andro.
9
Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.
10
Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty
11
Kanefa Ianao, TOMPO ô, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina izany.
12
Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, Ianao no mamantatra ny olo-marina sy mahita ny ao an’eritreriny sy ao am-pony. Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy, satria efa nankiniko taminao ny adiko.
13
Mihirà ho an’ny TOMPO; eny, ankalazao ny TOMPO, satria Izy no nanafaka ny malahelo teo an-tanan’ny olon-dratsy.
14
Ho voaozona anie ny andro nahaterahako, dia ny andro izay niterahan’i Neny ahy; eny, enga anie tsy hisy olona hilaza izany hoe ombàm-pitahiana!
15
Ho voaozona anie ny olona izay nameno hafaliana ny raiko tamin’ny nitenenany hoe: «Tera-dahy ianao!»
16
Enga anie izany olona izany ho tahaka ireo tanàna noravan’ny TOMPO fa tsy azo nivalozana. Aoka handre antso vonjy izy nony maraina, ary akoran’ady nony mitataovovonana.
17
Nahoana Andriamanitra no tsy namela ahy ho faty hatrany am-bohoka? Dia ho nahatonga an’i Neny ho fasako izany, ka ho izy no ilay Ambatobevohòka.
18
Nahoana ny tenako no tafavoaka avy tao an-kibon-dreniko, raha hahita fahoriana sy fijaliana aho ka ho voakikin’ny henatra isan’andro izao?
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52