bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 8
Jeremiah 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 9 →
1
Amin’izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ireo mpanjakan’i Joda sy ny an’ireo lehibeny, ny taolan’ireo mpisorona sy ny an’ireo mpaminany ary ny an’ireo mponina tao Jerosalema,
2
ka avela hiparitaka eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny andian-kintana eny amin’ny lanitra izay notiavin’ireny olona ireny ka nivavahany sy niraiketany, ary nanontaniany hilan-kevitra sy niankohofany. Tsy hangonina na halevina intsony ireo taolana ireo fa ho tonga zezika eny ambonin’ny tany.
3
Ary ny sisa tavela rehetra amin’izao taranaka ratsy izao, ka mbola velona any amin’ny toerana izay nanelezako azy any, dia haniry kokoa ny ho faty toy izay ny ho velona. Izany no teny hentitr’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.
4
Hoteneninao amin’ny vahoakan’i Joda, ry Jeremià, fa izao no lazain’ny TOMPO: Izay mianjera ve dia tsy miarina intsony? Izay miodina ve dia tsy miverina intsony?
5
Koa nahoana àry ity vahoaka ity, no niodina, ry Jerosalema, ka mikiribiby amin’izany fiodinany izany? Mifikitra amin’ny andriamani-tsiizy izy ka tsy mety miverina amiko.
6
Nohenoiko tsara izay nolazainy fa tsy mitombina velively. Tsy misy mba manenina amin’ny haratsiany izy na mba manontany tena hoe: «Inona ity nataoko?» Fa samy mivily amin’izay maharevo azy avy izy tahaka ny soavaly miriotra amin’ny ady.
7
Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.
8
Ianareo mihambo hoe: «Hendry izahay, sady ato aminay ny lalànan’ny TOMPO.» Ahoana no ahazoanareo mihambo toy izany, raha ireo mpanora-dalàna aza manao fanoratana diso ka mahatonga azy hivoana?
9
Mahazo henatra ny hendry ary ketraka satria voafandrika; nanamavo ny tenin’ny TOMPO izy ka inona indray no mahahendry azy?
10
Ary noho izany, hoy ny Tompo, dia homeko ny hafa ny vadiny ary ny sahany ho an’izay maka azy. Satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.
11
Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy misy fiadanana akory.
12
Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia ho isan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, dia hitrosina amin’ny tany izy.
13
Nony tena hioty vokatra teo aminy Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia tsy nisy voany teo amin’ny voaloboka ary tsy nisy voany koa teo amin’ny aviavy, fa nalazo ny raviny; koa avelako ho an’ny mpandalo izy.
14
Nahoana no mijanona eto isika? Andeha hifamory isika ka hiditra ao amin’ny tanànamimanda ary dia miandry ny ho faty ao, satria ny TOMPO Andriamanitsika no manendry antsika ho faty ka mampisotro antsika rano voapoizina, noho isika efa nanota taminy:
15
Nanantena fiadanana isika, nefa tsy nisy soa akory. Nanantena fotoam-panasitranana isika kanjo indro zava-mampihorohoro.
16
Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
17
Indro bibilava misy poizina no halefako hamely anareo, dia menarana tsy azon’ody; ka hanaikitra anareo tokoa izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
18
Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.
19
Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe: «Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?» Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin’ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?
20
Efa lasa ny fararano ary efa tapitra ny fotoam-pijinjana, nefa tsy mbola misy famonjena ho anay!
21
Noho ny fahavoazan’ny vahoakako dia torotoro tanteraka aho; misaona aho, azon’alahelo mafy!
22
Moa tsy misy balisama mampitony na dokotera ve any Gilehada? Nahoana no tsy mety sitrana ny ratran’ny fireneko?
23
Enga anie ka ho feno rano ny lohako ary ho loharanon-dranomaso ny masoko mba hitomaniako andro aman’alina ireo maty tao amin’ny fireneko!
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52