bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 52
Jeremiah 52
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 51
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
1
Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjakan’i Joda; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin’i Jeremià avy ao Libnà.
2
Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy tahaka izay rehetra nataon’i Jôiakima.
3
Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany. Ary nikomy tamin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià.
4
Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.
5
Naharitra hatramin’ny taona faha-11 nanjakàn’i Tsedekià ny fanaovana fahirano.
6
Mafy dia mafy ny mosary tao an-tanàna fa tsy nanan-kohanina ny mponina. Ary tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra,
7
dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ny miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ihany ireo, ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny sahan’ny mpanjaka, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.
8
Kanjo nenjehin’ny miaramila babilônianina i Tsedekià mpanjaka ary tratrany teo amin’ny lemak’i Jerikao; dia nihahaka nandao an’i Tsedekià ny tafiny manontolo.
9
Rehefa voasambotra ny mpanjaka, dia nentina tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà anatin’ny faritr’i Hamata; ary namoahan’i Nebokadnetsara didim-pitsarana tao izy.
10
Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià; ary tao Riblà koa no namonoana ho faty ireo mpiasam-panjakana jodeanina.
11
Avy teo dia nasain’i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason’i Tsedekià; ary nasainy nafatotra gadra halimo sy nentina ho any Babilôna izy mba hatao an-tranomaizina ka nahibony tao ambara-pahafatiny.
12
Tamin’ny taona faha-19 nanjakàn’i Nebokadnetsara, nony andro fahafolon’ny volana fahadimy, dia tafiditra tao Jerosalema i Nebozaradàna, filohan’ny mpiambina sady manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna.
13
Izy no nandoro ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanàna, indrindra ny an’ny olona ambony rehetra.
14
Ny manda manodidina an’i Jerosalema dia narodan’ny miaramila babilônianina rehetra izay niaraka tamin’ny filohan’ny mpiambina.
15
Ary nentin’i Nebozaradàna ho babo ireo mponina sisa tao an-tanàna, dia ireo fianakaviana mahantra vitsivitsy sy ireo olona nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ary ny sisa tamin’ireo mpahay taozavatra.
16
Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.
17
Nopotehin’ny Babilônianina ireo andry halimo tao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja; dia nentiny nankany Babilôna avokoa ny halimo.
18
Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa tamin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron’afo mbamin’ny antsy sy ny tsatokaty famafazana ary ireo lovia madinika.
19
Nentin’ny filohan’ny mpiambina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra: ny lovia, ny fandoroana zava-manitra, ny tsatokaty famafazana, ny fandraofan-davenona, ny fitoeran-jiro ary ny kaopy sy ny tavoara.
20
Tsy hita lanja ny halimo tamin’ireo fanaka rehetra izay namboarin’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO: dia ireo andry anankiroa sy ilay fitobian-drano goavana miaraka amin’ireo ombilahy halimo 12 mitondra azy, ary ireo kalesy.
21
Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary enina metatra ny manodidina. Poakaty izy nefa misy valo santimetatra ny hatevin’ny metaly.
22
Misy lohany halimo tsirairay avy ny andry ka mahatratra roa metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.
23
Miisa 96 ireo ampongabendanitra teo amin’ny lafiny efatra, izany hoe ampongabendanitra zato no tontaliny tamin’ny manodidina ny harato.
24
Nosamborin’ny filohan’ny mpiambina i Seraià mpisorombe sy i Tsefanià lefiny ary ireo mpisorona telo lahy mpiandry varavarana.
25
Nosamboriny koa ny mpiasam-panjakana iray mpiandraikitra ny miaramila sy ny olona fito lahy mpanolotsainan’ny mpanjaka, sy ny mpitantsoratr’ilay manamboninahitra misahana ny fiantsoana ho miaramila, ary ny teratany jodeanina miisa enimpolo lahy; fa samy hitany tao Jerosalema avokoa ireo.
26
Nentin’i Nebozaradàna ho any amin’ny mpanjakan’i Babilôna tao Riblà anatin’ny faritr’i Hamata izy rehetra
27
ary nasain’ny mpanjakan’i Babilôna novonoina ho faty tao ihany. Toy izany no nitondrana ny vahoaka jodeanina ho babo lavitry ny taniny.
28
Ireto no isan’ireo olona nasain’i Nebokadnetsara nentina ho babo: tamin’ny taona fahafito nanjakany, Jodeanina 3 023;
29
tamin’ny taona faha-18 nanjakany, olona 832 avy tao Jerosalema.
30
Tamin’ny taona faha-23 nanjakany, dia mbola nitondra Jodeanina 745 ho babo ihany i Nebozaradàna filohan’ny mpiambina. Koa ny tontalin’izy rehetra dia 6 400.
31
Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna. Koa tamin’ny volana faha-12 tao anatin’io taona io, nony andro faha-27,, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.
32
Dia nanaovany teny mamy izy, ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an’ireo mpanjaka niaraka taminy tao Babilôna.
33
Tsy navela hanao ny fitafian’ny mpigadra intsony i Jôiakina; ary niara-nisakafo isan’andro tamin’ny mpanjakan’i Babilôna izy nandritra ny andro sisa rehetra niainany.
34
Izany koa no nahazoan’i Jôiakina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan’andro mandra-pahafatiny.
← Chapter 51
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52