bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 49
Jeremiah 49
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 50 →
1
Fanambaràna momba ny Hamônita. Izao no lazain’ny TOMPO: «Nahoana ny andriamanitra Milkôma no naka ny tanin’i Gada ho fananany? Ary nahoana ny Hamônita no monina ao amin’ny tanàna israelita? Tsy manan-janakalahy va i Israely mba ho afa-kandova izany?
2
Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Indro avy ny andro hampandrenesako akoran’ady ao Rabà, renivohitry ny Hamônita. Dia ho tonga tanàna aolo sy rava izy ary ireo tanàna miankina aminy ho kilan’ny afo ka ho lasan’i Israely indray, hoy Aho, ny fananana efa azy fahiny.»
3
Ry olon’i Hesbôna, manaova hira fitomaniana hoe: «Rava ny tanàna Hay!» Manaova antso vonjy ianareo, ry tanàna miankina amin’i Rabà. Mitafia gony ho fisaonana ary manaova hira fitomaniana sady miveziveze etsy sy eroa ao anaty fefy, fa lasan-ko babo ny andriamanitra Milkôma mbamin’ny mpisorony sy ireo filoham-bahoakany.
4
Adray, ry Rabà, zazavavy mpikomy! Ahoana no ireharehanao amin’ny lohasahanao, dia ireo lohasahanao mahavokatra be, sy itokianao amin’ireo tahirinao hoe: «Iza moa no ho sahy hanafika ahy?»
5
Ka hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao: «Indro Aho hahatonga fampihorohoroana aminao avy amin’ny olona rehetra manodidina anao. Horoahina hizotra eo anoloanareo avy ianareo ka tsy hisy hamory izay mandositra.
6
Rehefa afaka izany vao hampodîko avy amin’ny fahababoany ny Hamônita. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»
7
Fanambarana momba an’i Edôma. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Tsy misy olon-kendry intsony ve ao Temàna? Efa very saina ve ireo matsilo saina? Sa efa vasoka ny fahendreny?
8
Miverena ilalana, mandosira, ry olon’i Dedàna, misitriha any anaty lava-bato any, satria ny loza, ry taranak’i Hesao, no ataoko mihatra aminareo; izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.
9
Koa raha tonga any aminareo ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela sampahony hotsimponina izy. Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafapony.
10
Izaho no haka ny fanananareo ry taranak’i Hesao, Haharihariko ny fierenareo, ka tsy ho afa-miafina intsony ianareo. Ringana ianareo, mpiray firenena samy taranak’i Hesao; ringana ny mpiara-belona aminareo, ka tsy hisy olona hanao hoe:
11
«Ankino amiko ny kambotinareo fa izaho no hamelona azy; ary mahazo matoky ahy ny mpitondratenanareo.»
12
Izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro fa izay tsy tokony hisotro amin’ny tsatokaty aza, tsy maintsy nisotro ihany; koa ianao ve no ho afaka, ry Edôma? Tsia, tsy ho afaka ianao, tsy maintsy hisotro amin’ny tsatokaty ianao!
13
Eny, Izaho TOMPO dia mianiana amin’ny tenako ary hentitra ny teny ambarako fa i Bôtserà renivohitrao dia hampahonena ka ho tonga oha-pandatsana ary ho rava ka ho tonga oha-panozonana; ary ireo tanàna lehibe mpifanila aminy dia ho rava mandrakizay.»
14
Nahare hafatra avy amin’ny TOMPO aho tamin’ny alalan’ny iraka izay nalefany ho any amin’ireo firenen-kafa nanao hoe: «Mivoria ianareo! Mandehana hamely an’i Edôma! Mitsangàna hanafika azy!
15
Indro hataoko bitika ianao, ry Edôma raha mitaha eo amin’ny samy firenena, ka hataon’ny olona tsinontsinona.
16
Mampangovitra ny olona ianao sady mihevi-tena ho ambony kanefa mamita-tena. Ary ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato ka mamikitra eny antampon-kavoana, na dia mametraka ny akaninao ho avo toy ny an’ny voromahery aza ianao, dia havarimbariko avy eny.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.
17
«Ho toerana mahonena i Edôma, ka hampahonena sy hampivarahontsana izay rehetra mandalo azy ny fahavoazany.
18
Fa ho rava tahaka an’i Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina azy izy, hoy ny TOMPO. Tsy hisy honina ao aminy ary tsy hisy olona hivahiny any intsony.»
19
Hoy koa ny TOMPO: «Indro Aho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna ka mirifatra mankany amin’ny fonenany; ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ireo Edômita. Ary hapetrako hifehy ao Edôma ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»
20
Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Edôma sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponina ao Temàna: ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra. Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.
21
Hihorohoro ny tany noho ny fidoboky ny fianjerany; hatrany amin’ny Ranomasin’ny Volotara no manako ny antso vonjy ataony.
22
Indro toa voromahery hipaoka no manidina sy misodisody eo ambonin’i Bôtserà. Amin’izany andro izany dia hangitakitaka toy ny vehivavy miteraka na dia ny lehilahy mahery fo aza.
23
Fanambaràna ny amin’i Damasy. Very hevitra ny ao Hamata sy Harpada! Kivy izy fa nandre ny vaovao ratsy. Manahy sy mitebiteby ny fony ka tsy azo notonena.
24
Efa ketraka ny olon’i Damasy ka nihodina mba handositra; satria tora-kovitra ireo sady mangitakitaka sy mitaintaina toy ny vehivavy raha miteraka.
25
Ahoana re no dia ilaozana ity tanàna malaza sady tanànam-pifaliana ity!
26
Noho izany, dia ho faty eny an-kianja eny ny zatovony; ary ny miaramilany rehetra ho ripaka amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.
27
Handrehetako afo ao an-tanànan’i Damasy ka handevona ny lapan’i Bena-Hadada.
28
Fanambaràna ny amin’ny Arabo ao Kedara sy ireo fanjakan’i Hatsôra izay resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Izao no lazain’ny Tompo: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an’i Kedara, Ravao avokoa izay rehetra an’ny olona any an-taniefitra.
29
Aoka horobaina ny lainy sy ny ondry aman’osiny, ny fialofany sy ny entany rehetra! Ary aoka hoentina ny ramevany! Aoka izy hiantsoantsoana hoe: «Fampihorohoroana hatraiza hatraiza ».
30
Ry olon’i Hatsôra, mandosira lavitra ka misitriha any anaty lava-bato, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa manana fikasana hamely anareo i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, ary nanomana tetika hahavoa anareo.
31
Mitsangàna ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ka miakara hamely firenena tsy manana ahiahy fa mihevitra ho miaina am-pilaminana, ka tsy manana varavarana na hidy sady mitoka-monina.
32
Hoentin’ny fahavalony ho babo ny ramevany sy ny ondry aman’osiny marobe. Haparitako any amin’ny vazantany rehetra ireo mponina voaharatra fihirifana ireo. Hitondrako fandravana hatraiza hatraiza izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
33
Hanjary fonenan’ny amboahaolo i Hatsôra ka ho toerana mampahonena mandrakizay. Tsy hisy honina ao aminy ary tsy hisy olona hivahiny any intsony.
34
Hafatry ny TOMPO azon’i Jeremià mpaminany ho an’ny Helamita, tamin’ny fiandohan’ny fanjakan’i Tsedekià mpanjakan’i Joda.
35
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Hopotehiko ny tsipîkan’i Helama fa izany no loharanon’ny heriny.
36
Avy any atsimo sy avaratra ary avy any atsinanana sy andrefana no handefasako ny rivotra efatra hamelezana an’i Helama. Haeliko any amin’ny vazantany rehetra izy, ka tsy hisy firenena izay tsy ahitana Helamita voaroaka.
37
Hampihorohoroiko ny Helamita eo anatrehan’ny fahavalony, dia eo anatrehan’izay mitady hahafaty azy. Amin-katezerana mirehitra no andefasako loza hamely azy. Hoenjehiko amin’ny ady ireo mandra-paharingako azy.
38
Hofoanako tsy hisy ao Helama ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony mba hametrahako ny sezafiandrianako ao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
39
Nefa indray andro any ny Helamita dia haveriko avy any am-pahababoana ihany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 50 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52