bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 15
Jeremiah 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 16 →
1
Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko, dia tsy handefitra amin’ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!
2
Ary raha misy manontany anao hoe: «Hankaiza àry izahay?», dia hovalianao hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: Raha misy natao hasian’ny areti-mandringana, dia hasian’ny areti-mandringana izy; raha misy natao ho fatin’ny sabatra, dia ho fatin’ny sabatra izy; raha misy natao hiharan’ny mosary, dia hiharan’ny mosary izy; raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia hankany amin’ny fahababoana izy.
3
Karazan-javatra efatra no hotendreko hamely azy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO: ny sabatra handringana azy, ny alika hitarika azy lavitra ary ny voromahery mbamin’ny bibidia hihinana sy handripaka azy;
4
hany ka hataoko mampivarahontsana izy any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany. Noho ny amin’i Manase, zanakalahin’i Hezekià sady mpanjakan’i Joda, no nahatonga izany, dia vokatry ny ratsy nataony tao Jerosalema.
5
Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no hitsetra anao? Iza no hisahirana hanantsafa anao?
6
Ianao no nandao Ahy sy niamboho Ahy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Koa nahinjitro hamely anao ny tanako mba handevona anao fa efa sasatry ny mandefitra Aho.
7
Naparitako tamin’ny fitaovana fikororohana ny tao amin’ny isan-tanàna teo amin’ny tany, tsy nomeko zanaka fa naringako ny oloko, nefa tsy novany ny fitondrantenany.
8
Ny mpitondratenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra
9
Nihareraka ilay niteraka fito, ka misefosefo fiaina; nilentika antoandrobe ny masoandrony, ka menatra sy afa-baràka izy. Ary izay sisa velona dia hatolotro haringana eo anatrehan’ny fahavalony. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.
10
Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilàna ady hoatra ahy eto amin’ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan’olona, nefa ozonin’ny olon-drehetra.
11
Eny, aoka ho voaozona aho, TOMPO ô, raha tsy nanompo tsara Anao, raha tsy nitalahoako ho an’ny fahavaloko Ianao tamin’ny fotoanan’ny loza amam-pahoriany.
12
Moa mety ho tapaka ve ny vy, dia ny vy avy ao avaratra na ny halimo?
13
Ry Joda, ny harenao sy ny zava-tsoanao dia hatolotro horobaina; ho valin’ny heloka rehetra nataonao manerana ny taninao manontolo izany.
14
Hampanompoiko ny fahavalonao ianao any amin’ny tany tsy fantatrao; fa mipoitra ny afom-pahatezerako ka handoro anao no irehetany.
15
TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.
16
Hitako ireo teninao ka nohaniko; ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko, satria efa natokana ho Anao aho, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao.
17
Tsy nipetraka hamalifaly ny tenako teo amin’ny fivorian’ny mpikorana aho, fa noteren’ny herinao hitoetra irery satria nofenoinao ny fahatezeranao.
18
Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.
19
Momba izany, dia izao no lazain’ny TOMPO: Raha miverina amiko ianao, dia horaisiko indray ka hanompo eo anatrehako. Raha milaza izay tokony holazaina ianao fa tsy miteniteny foana, dia ho mpitondrateniko. Hiverina aminao indray ireo olon’i Joda, fa tsy ianao no hiverina any aminy.
20
Hataoko manda varahina mafy ianao manoloana ity vahoaka ity. Hiady aminao izy fa tsy hahatohitra anao, satria miaraka aminao Aho mba hamonjy sy hanafaka anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
21
Eo an-tanan’olon-dratsy ianao no hafahako ary eo an-tanan’ny mpampahory no havotako.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52