bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 11
Jeremiah 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 12 →
1
Izao no hafatra avy amin’ny TOMPO nampitondraina an’i Jeremià:
2
–Hajaonareo ny tenin’ity fanekempihavanana ity! Hitenenanao kosa, ry Jeremià, ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema
3
ka hilazanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Voaozona ny olona izay tsy manaja ny tenin’ity fanekempihavanana ity,
4
izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.
5
Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.» Dia novaliako hoe: –Eny tokoa, ry TOMPO.
6
Fa hoy indray ny TOMPO tamiko: –Antsoy any an-tanànan’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema izao hafatra rehetra izao hoe: «Hajaonareo ny tenin’ity fanekempihavanana izay nampanaoviko anareo ity, ary araho.
7
Fa nananatra mafy ny razanareo aho hatramin’ny andro izay nampiakarako azy hiala tany Ejipta ary manao izany mandraka androany; eny, nananatra tsy an-kiato aho milaza hoe: henoinareo izay lazaiko.
8
Nefa tsy nihaino na niraharaha akory izy fa samy nikiry tamin’ny ditram-pony mahatsiravina ka nampiharako ny teny rehetra tao amin’ity fanekempihavanana ity, satria tsy nanaraka izay nodidiako harahiny izy.»
9
Ary hoy koa ny TOMPO tamiko: –Misy tetika fikomiana hita ao amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema.
10
Niverina amin’ny fahadisoan’ireo razany taloha izay tsy mety nihaino ny teniko izy, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy. Nivadika tamin’ny fanekempihavanana izay nataoko tamin’ny razany ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda.
11
Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.
12
Dia handeha hitaraina any amin’ireo andriamanitra izay nandoroany ditin-kazo manitra ny mponina amin’ny tanànan’i Joda sy i Jerosalema nefa tsy hahavonjy azy mihitsy ireny rehefa hiharan’ny loza izy.
13
Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»
14
Ary ianao, ry Jeremià, aza mivavaka amiko ho an’ity vahoaka ity intsony na manandratra fitarainana na fifonana ho azy; satria rehefa hiharan’ny loza izy, ka hiantso vonjy amiko ianao, dia tsy hihaino Aho.
15
Hoy ny TOMPO hoe: «Ilay vahoaka malalako dia manao zavatra tsy amin-kitsim-po. Inona moa no ataony atỳ an-tranoko? Moa ny voady sy ny sorona ataony amiko ve hampandositra ny loza hiala aminy ka hahafahany mihodivitra tsy ho azony?
16
Izy io dia nataoko hoe «Hazo ôliva maitso, misy voany mahafinaritra». Kanjo ao anatin’ny kotaba lehibe no andrehetako afo handoro ny raviny; ary dia hotapatapahina ny rantsany.
17
Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.
18
Nampahafantarin’ny TOMPO aho ka mahalala, ary nasehony ahy ankehitriny ny fanaon’ireo.
19
Fa toy ny zanakondry bonaika nentina hovonoina aho ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy. Hoy ireo hoe: «Andeha hosimbantsika ny hazo ao anatin’ny fitsiriany; aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy, ka tsy hotsarovana intsony ny anarany.»
20
Nefa Ianao, ry TOMPOn’izao rehetra izao, dia mitsara ara-drariny, ka mamantatra ny ao an’eritreritra sy ao am-po. Ho hitako hanafay azy Ianao, satria nankiniko taminao ny adiko.
21
Koa izao no lazain’ny TOMPO hamelezana ny mponin’i Hanatôta izay nitady hamono ahy ka nanao tamiko hoe: «Aza maminany amin’ny anaran’ny TOMPO, fandrao ho fatin’ny tananay ianao.»
22
Eny, izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao ny amin’ny mponin’i Hanatôta: «Hirotsaka an-tsehatra hamely azy Aho: ho fatin-tsabatra ny tovolahiny, ary ho faty mosary ny zanany lahy sy vavy.
23
Tsy hisy sisa velona amin’ny mponin’i Hanatôta amin’ny taona hirotsahako an-tsehatra hamely azy ka handefasako loza aminy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52