bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 34
Jeremiah 34
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 35 →
1
Niady tamin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, niaraka taminy ny tafiny rehetra sy ny miaramilan’ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin’ny vahoaka rehetra teo ambany fahefàny. Tamin’izany no tonga ho an’i Jeremià avy amin’n TOMPO izao teny manaraka izao:
2
«Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no mandidy anao hankany amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda mba hilaza izao hafatro izao: Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity mba hodorany amin’ny afo.
3
Ary tsy ho afa-miala aminy ianao, fa ho azo sambo-belona ka hatolotra azy. Tsy maintsy hifanatri-maso aminy ianao ka hamaly azy mivantana alohan’ny hankanesanao any Babilôna.
4
«Kanefa raha mankatò ny teniko ianao, ry Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tsy ho faty an’ady ianao. Izaho TOMPO mihitsy no milaza izany aminao.
5
Fa ho faty amim-piadanana aza ianao, ka ny fandevenana anao dia hatao tahaka ny an’ireo razanao izay mpanjaka talohanao: handoran’ny olona zava-manitra ianao sady hanaovany hira fisaonana hoe: ‹Indrisy, ry mpanjaka tompoko!› Izaho TOMPO mihitsy no milaza, ary teny hentitra avy amiko izany!»
6
Izany teny rehetra izany no nampitain’i Jeremià tamin’i Tsedekià, mpanjakan’i Joda, tany Jerosalema.
7
Tamin’izay fotoana izay ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna dia namely an’i Jerosalema sy ireo tanànamimanda hafa tany Joda izay mbola sisa nijoro, dia i Lakisy sy i Hazekà.
8
Ary izao indray no teny tonga ho an’i Jeremià avy amin’ny TOMPO. Izany moa dia taorian’ny nanaovan’i Tsedekià mpanjaka sy ny mponina rehetra tao Jerosalema fifanekena ampahibemaso fa samy hanambara ny fahafahan’ny andevony avy.
9
Tsy maintsy handefa ny andevony hebreo na lahy na vavy ho afaka ny olona tsirairay, ka tsy hisy intsony hampanompo ny taranak’i Joda mpiray firenena aminy.
10
Ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny mponina tao Jerosalema dia samy nandray anjara tamin’izany fifanekena ampahibemaso izany avokoa ary nanaiky tsy hampanompo intsony ireo lehilahy sy vehivavy eo an-tanany, fa samy handefa azy ireny ho afaka. Samy nanaiky izany fifanekena izany avokoa ny olona ka namela ny mpanompony handeha.
11
Kanjo niova hevitra izy ireo taorian’izany ka namerina ny lehilahy sy vehivavy nafahany ary nanandevo azy indray.
12
Koa tonga tamin’i Jeremià ny teny avy amin’ny TOMPO nanao hoe:
13
«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Efa nanao fifanekena tamin’ny razanareo koa Aho fony namoaka azy tany Ejipta izay toerana nanandevozana azy.
14
Isaky ny fito taona, hoy Aho taminy, dia aoka ianareo samy handefa ho afaka ireo Hebreo mpiray firenena aminareo, Hebreo izay nitolo-tena ho andevo taminareo ka efa nanompo anareo enin-taona. Tokony havelanareo ho afaka malalaka izy. Kanjo ny razanareo tsy nanaiky Ahy, ary tsy nihaino Ahy akory.
15
Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an’ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin’ny trano natokana ho Ahy.
16
Kanjo niova hevitra ianareo sady nanao tsinontsinona Ahy, fa samy namerina indray ireo mpanompo lahy sy vavy izay efa nalefanareo handeha ka nanery azy ho andevo indray.»
17
Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.
18
«Ireo manampahefana eto Joda sy i Jerosalema, ireo mpiasam-panjakana ambony, ireo mpisorona ary ireo olona afaka rehetra teo amin’ny tany, dia nivadika ny fifanekena tamiko ka tsy nahatana ny tenin’ny fanekena nataony teo anatrehako fony nosasahana ny ombilahikely ka nandeha namaky teo anivony izy.
20
Koa hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy izy; ary ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.
21
I Tsedekià mpanjaka sy ireo mpiasam-panjakana ambony koa dia hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy, dia ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna. Nisinda nihataka kely ankehitriny izany tafika izany;
22
saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanàna ity indray izy, ka hahafaka sy handoro azy. Ary ireo tanànan’i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52