bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 19
Jeremiah 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 20 →
1
Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Mandehana mividy siny tanimanga iray any amin’ny mpanefy tanimanga, dia makà loholona avy amin’ny vahoaka ary loholona avy amin’ny mpisorona hiaraka aminao.
2
Avy eo dia mivoaha mankany amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma, izay eo anoloan’ny vavahadin’ny vakim-bilany ary any no torio ny hafatra hambarako anao,
3
ka milazà hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo, ry mpanjakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga loza amin’ity toerana ity Aho, ka hampangintsingintsina ny sofin’izay rehetra mandre izany.
4
Fa ny olon’i Joda efa nandao Ahy ary nahatonga ity toerana ity ho very hasina, fa teo no nanolorany sorona ho an’ireo andriamani-kafa izay tsy nikarakara azy na ny razany na ny mpanjakan’i Joda; sady nataony feno ran’ankizy tsy manan-tsiny ity toerana ity.
5
Nanorina toeram-panasinana ho an’i Bahala izy mba handoroany ny zanany ho sorona dorana ho an’i Bahala eo. Nefa zavatra tsy nandidiako azy izany sady tsy noresahiko taminy na mba tonga tao am-poko velively.
6
«Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho avy ny andro izay tsy hiantsoana ity toerana ity intsony hoe Tôfeta na lohasahan’i Bena-Hinôma, fa hatao hoe lohasaha Famonoana.
7
Eto amin’ity toerana ity no hanafoanako ny pôlitikan’i Joda sy i Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anatrehan’ireo fahavalony izay mitady hahafaty azy ny mponina ao aminy, ary homeko ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.
8
Hataoko lao sady ho fandatsa ity tanàna ity; ka ny olona rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hanao fandatsana eo am-pahitana ny faharavana rehetra nanjo azy.
9
Noho ny fahirano sy ny fampahoriana hafitsok’ireo fahavalony izay hitady hahafaty azy, dia hasaiko mihinana ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy ny olona; ary hifampihinana koa izy.
10
«Avy eo, ry Jeremià, dia poteho eo imason’ireo olona miaraka aminao ny siny,
11
ka mitenena aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Hopotipotehiko ity vahoaka sy tanàna ity tahaka ny anapotipotehina ny siny tanimanga, ka tsy hisy fanafana intsony.› «Ary ny amin’i Tôfeta, dia any no handevenana fa tsy misy toerana handevenana intsony.
12
Koa ho tahaka izay nanjo an’i Tôfeta no hataoko amin’ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
13
Ny trano eto Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Joda dia ho tonga maloto tahaka ny toerana ao Tôfeta; eny, izany no hanjo ireo trano rehetra izay nandoroana vovo-javamanitra mifangaro teo an-tampony ho an’ireo andian-kintana eny an-danitra sady nandrarahana fanatitra divay ho an’ny andriamani-kafa.»
14
Nony tafaverina avy any Tôfeta izay nanirahan’ny TOMPO azy hampita hafatra i Jeremià, dia nitsangana teo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO, ary nanambara tamin’ny vahoaka rehetra teo hoe:
15
«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro hataoko tonga amin’ity tanàna ity sy amin’ireo tanàna madinika manodidina azy ny loza rehetra izay nambarako hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy, ka tsy nihaino ny teniko.› »
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52