bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 40
Jeremiah 40
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 41 →
1
Ary tonga tamin’i Jeremià indray ny teny avy amin’ny TOMPO taorian’ny namotsoran’i Nebozaradàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tao Ramà. Fa nigadra niaraka tamin’ny olon’i Jerosalema sy ny olon’i Joda izay efa hoentin-ko babo any Babilôna i Jeremià.
2
Teo izy no nalain’ny lehiben’ny mpiambina ka nilazany hoe: «Ny TOMPO Andriamanitrao no nanambara mialoha izao loza manjo ity tanàna ity izao.
3
Ary ankehitriny dia notanterahin’ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
4
Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»
5
Ary raha mbola nihazohazo teo i Jeremià, dia hoy i Nebozaradàna taminy: «Mahazo miverina any amin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna ianao, fa izy no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ireo tanànan’i Joda. Mipetraha miaraka aminy eo anivon’ny vahoaka, ka mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.» Dia nomen’ny lehiben’ny mpiambina vatsy sy fanomezana i Jeremià, ary navelany handeha.
6
Ary i Jeremià nankany amin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama tao Mitsepà, ka niara-nipetraka taminy teo anivon’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany.
7
Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon’ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilôna efa nanendry an’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babo tany Babilôna.
8
Koa nanatona an’i Gedalià tao Mitsepà niaraka tamin’ny olom-peheziny ary ireo lehiben’andia-miaramila ireo, fa ireto avy izy: i Jismahela zanakalahin’i Netanià, i Jôhanàna sy i Jônatàna samy zanakalahin’i Karea, i Seraià zanakalahin’i Tanehometa, ireo zanakalahin’i Hôfay avy any Netôfà, ary i Jazanià avy any Mahekà.
9
Dia nanizingizina tamin’ireo sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalià nanao hoe: «Aza matahotra hanompo ny Babilônianina ianareo; monena amin’ny tany ary maneke ny mpanjakan’i Babilôna, fa hahasoa anareo izany.
10
Hipetraka eto Mitsepà aho mba hisolo tena anareo eo anatrehan’ny Babilônianina izay tonga eto amintsika; fa ianareo kosa manangòna divay sy voankazo ary diloilo ka manaova tahiry, ary monena amin’izay tanàna hidiranareo.»
11
Tahaka izany koa ireo Jodeanina nitoetra tany amin’ny Môabita sy ny Hamônita sy ny Edômita ary tany amin’ny faritra rehetra hafa, dia samy nahare fa misy ampahany amin’ny vahoaka navelan’ny mpanjakan’i Babilôna ao amin’ny fanjakan’i Joda ary nankininy tamin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna.
12
Koa ireny Jodeanina rehetra ireny dia niverina avy any amin’ny toerana izay nandroahana azy, ka tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, any amin’ny tanin’i Joda. Dia nanangona divay sy voankazo be dia be ireny.
13
Indray andro dia tonga nihaona tamin’i Gedalià tao Mitsepà i Jôhanàna zanakalahin’i Karea sy ireo olon-kafa lehiben’ny andia-miaramila izay mbola tany an-tsaha.
14
Nanontany an’i Gedalià izy hoe: –Moa fantatrao tsara ve fa i Bahalisa, mpanjakan’ny Hamônita, dia naniraka an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià, hamono anao? Nefa tsy nino azy i Gedalià.
15
Na izany aza dia tonga nihaona mangingina tamin’i Gedalià tao Mitsepà ihany i Jôhanàna ka nanao taminy hoe: –Aoka aho handeha hamely an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià fa tsy hisy olona hahalala akory? Nahoana no havelanao hovonoiny ho faty ny tenanao? Fa raha matiny ianao, dia hiparitaka indray ny Jodeanina rehetra efa tafangona eto aminao; ary izay hany sisa amin’ny fanjakàn’i Joda dia ho levona.
16
Nefa namaly an’i Jôhanàna i Gedalià ka nanao hoe: –Aza manao izany zavatra izany! Fa tsy marina izay voalazanao momba an’i Jismahela.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52