bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 12
Jeremiah 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 13 →
1
TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?
2
Nambolenao izy dia niorim-paka, ka nitombo sy namoa. Tononin’ny vavany Ianao, fa ataony lavitry ny fony.
3
Ianao kosa, TOMPO ô, mahalala ahy sady mahita ahy; nizaha toetra ny foko Ianao fa miandany aminao izy. Avaho toy ny ondry hovonoina ireny olona ratsy fanahy ireny, atokany ho amin’ny andro fandringanana.
4
Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»
5
Raha ny mpihazakazaka an-tongotra aza tsy arakao, hoy ny Tompo, ahoana, ry Jeremià, no hifaninananao amin’ny mpitaingin-tsoavaly? Raha amin’ny tany milamina ihany no anananao toky ahoana kosa no hataonao rehefa ao anaty kirihitrala eny amoron’i Jôrdàna?
6
Fa na dia ireo mpiray foko aminao aza, eny na dia ireo iray fianakaviana aminao aza, dia mamitaka anao ka miantso olona am-badika hanohitra anao. Aza matoky azy, na dia tsara vava aminao aza izy.
7
Ilaozako ny tranoko ary afoiko ny fananako. Atolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony ilay notiaviko tamin’ny foko tokoa.
8
Niova ho masiaka tamiko toy ny liona any an’ala ilay anjara fananako; nierona tamiko izy ka halako.
9
Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra iantorahan’ireo vorona mpihaza manodidina azy? Ndeha vorio ny bibidia rehetra, ka ento mankao amin’ny fanasana!
10
Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao,
11
dia taniefitra lao mahonena ahy. Lao sy rava ny tany manontolo, kanefa tsy misy olona mitsetra azy.
12
Eny amin’ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin’ny sisintany an-kilany ka hatrany amin’ny sisintany an-daniny no andripahan’ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsîny.
13
Vary no nafafinareo nefa tsilo no jinjainareo. Nisahirana mafy ny tenanareo fa tsy nisy tombontsoa akory izany. Aoka ho menatra ianareo amin’ny vokatra azonareo! Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no mirehitra mamely anareo.
14
Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo ratsy fanahy rehetra mpifanila fonenana amin’ny fireneko: «Mikasikasika ny zaratany nomeko an’i Israely vahoakako ireo, ka dia hongotako hiala amin’ny taniny, ary hongotako hiala eo anivony koa ny vahoakan’i Joda.
15
Nefa rehefa voaongotro izy, dia hamindrako fo indray ka samy haveriko ao amin’ny anjara fananany ao amin’ny taniny avy.
16
Nampianatra ny vahoakako hianiana amin’ny Bahala ireo ratsy fanahy ireo; kanefa raha mianatra tsara ny fanaon’ny vahoakako izy ka hianiana amin’ny anarako hoe: ‹Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...›, dia hanam-ponenana indray eo anivon’ny vahoakako.
17
Fa raha misy kosa firenena iray tsy mety mihaino Ahy, dia hongotako tanteraka izy sady haringako. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52