bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 41
Jeremiah 41
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 42 →
1
Kanjo tamin’ny volana fahafiton’io taona io ihany dia tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, niaraka tamin’ny olona folo lahy i Jismahela, zanakalahin’i Netanià sy zafikelin’i Elisamà; fianakavian’ny mpanjaka io Jismahela io sady anisan’ny manamboninahiny. Koa raha mbola teo am-pihinanana niaraka tamin’i Gedalià iny indrindra,
2
dia nitsangana i Jismahela sy ireo folo lahy niaraka taminy, ka namely an’i Gedalià tamin’ny sabatra ary nahafaty azy; kanefa izy no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ny tany.
3
Avy eo dia novonoin’i Jismahela ho faty koa ireo Jodeanina rehetra hitany tao Mitsepà niaraka tamin’i Gedalià, mbamin’ireo miaramila babilônianina izay tao.
4
Roa andro taorian’ny namonoana an’i Gedalià ho faty, dia tsy mbola nisy olona nahalala izany ihany.
5
Koa nisy olona valopolo lahy avy any Sekema sy Silao ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany sady voatriatra ny fitafiany ary voatetitetika ny tenany. Nitondra koba sy vovo-javamanitra mba hatao fanatitra ao an-tranon’ny TOMPO izy.
6
Dia nivoaka hitsena azy avy tao Mitsepà i Jismahela sady nitomany teny am-pandehanana. Nony tonga teo aminy izy, dia nanao taminy hoe: –Mandrosoa ao amin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama ianareo.
7
Kanjo raha vao tonga tao afovoan’ny tanàna ireo, dia naringan’i Jismahela sy ny olony, ary natsipiny tao an-dava-drano ny fatiny.
8
Nisy folo lahy tamin’ireo anefa niteny tamin’i Jismahela hoe: –Aza vonoina izahay fa manana tahirin-tsakafo miafina any an-tsaha, dia varim-bazaha sy ôrza ary diloilo sy tantely. Koa tsy nampamonoin’i Jismahela niaraka tamin’ireo namany izy folo lahy.
9
Ny lava-drano izay nasain’i Jismahela nanipazana ny fatin’ireo olona novonoiny dia lava-drano lehibe izay nasain’i Asà mpanjaka noloahana fony izy niady tamin’i Bahasà mpanjakan’i Israely. Nofenoin’i Jismahela faty izany.
10
Avy eo dia nentin’i Jismahela ho babo ny sisa tamin’ny mponina tao Mitsepà mbamin’ireo zanakavavin’ny mpanjaka, izany hoe ny olona rehetra napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià; ka nitondra ireo babo ireo i Jismahela no lasa nankany amin’ny Hamônita.
11
Ary ren’i Johanàna, zanakalahin’i Karea mbamin’ireo lehiben’ny andia-miaramila niaraka taminy ny ratsy rehetra efa nataon’i Jismahela.
12
Koa nanangona ny miaramilany rehetra izy ary niainga hanafika an’i Jismahela, ka nahatratra azy teo akaikin’ny farihin’i Gibehôna.
13
Nony nahita an’i Jôhanàna sy ireo lehiben’ny andia-miaramila niaraka taminy ny olona rehetra teo amin’i Jismahela, dia faly.
14
Ary ny olona rehetra izay nentin’i Jismahela ho babo avy tao Mitsepà dia niverina ilalana ka nanatona an’i Jôhanàna.
15
Fa i Jismahela niaraka tamin’olona valo lahy kosa dia nandositra teo anatrehan’i Jôhanàna ka nankany amin’ny Hamônita.
16
Taorian’izany i Jôhanàna sy ireo lehiben’ny andia-miaramila niaraka taminy dia niandraikitra ny olona sisa rehetra izay nentin’i Jismahela ho babo avy tao Mitsepà taorian’ny namonoany ho faty an’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama; ireo olona sisa rehetra ireo dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amam-behivavy ary ny tandapa, izay nentina niverina avy tany Gibehôna.
17
Ary nandeha izy rehetra ka nijanona nitoby tao Kimehàma akaikin’i Betlehema. Fa nikasa hankany Ejipta izy,
18
satria natahotra ny Babilônianina hatramin’ny namonoan’i Jismahela an’i Gedalià izay notendren’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ny tany.
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 42 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52