bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 35
Jeremiah 35
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 36 →
1
Tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia tonga ho an’i Jeremià avy amin’ny TOMPO izao teny izao:
2
«Mandehana mankany amin’ny fokon’ny Rekabita ka reseo lahatra izy mba hankao amin’ny efitra iray ao an-tranoko, dia rosoy divay hosotroiny.»
3
Dia nandeha aho, ka naka an’i Jazanià, zanakalahin’i Jirmeià sady zafikelin’i Habatsinià, mbamin’ny rahalahin’io Jazanià io sy ny zanakalahiny rehetra, dia ny fokon’ny Rekabita manontolo.
4
Nampidiriko tao amin’ny efitra iray tao an-tranon’ny TOMPO izy, dia tao amin’ny efitra voatokana ho an’ny mpianatr’i Hanàna, izay lehilahy masina sady zanakalahin’i Jigdalià. Io efitra io dia teo akaikin’ilay efitranon’ireo lehibe ary teo ambonin’ny an’i Mahaseià, zanakalahin’i Salòma izay mpisorona miambina ny varavarana fidirana amin’ny tempoly.
5
Dia narosoko teo anoloan’ireo Rekabita ireo ny siny feno divay sy ny tsatokaty, ary hoy aho taminy: –Misotroa divay ianareo!
6
Nefa namaly izy hoe: –Tsy misotro divay izahay, satria i Jônadaba, zanakalahin’i Rekaba sady razanay, dia efa nandidy anay hoe: «Aza misotro divay na oviana na oviana, na ianareo na ny taranakareo.
7
Aza manao trano ianareo na mamboly ny tany na mamboly voaloboka, na manana tanimboaloboka; fa anaty trano lay ihany no hipetrahanareo mandritra ny androm-piainanareo rehetra, dia ho ela velona ianareo any amin’ny tany izay ivahinianareo any.»
8
Koa nankatoavinay ny tenin’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba sady razanay, tamin’izay rehetra nanafarany anay. Dia tsy misotro divay na oviana na oviana ny tenanay na ny vadinay na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy.
9
Tsy manao trano hipetrahanay izahay na manana tanimboaloboka na saha voavoly,
10
fa mipetraka an-day. Koa ankatoavinay sy arahinay izay rehetra nanafaran’i Jônadaba razanay anay.
11
Fa nony niakatra teto amin’ny tany i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, dia nanapa-kevitra hiditra ato Jerosalema izahay mba handositra ny tafika babilônianina sy sirianina. Koa izany no ipetrahanay eto Jerosalema izao.
12
Dia nisy indray tenin’ny TOMPO ho an’i Jeremià nanao hoe:
13
«Mitenena amin’ny vahoakan’i Joda sy ny mponina eto Jerosalema ianao, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Moa tsy tokony ho nandray anatra va ianareo ka ho nihaino izay nolazaiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO?
14
Fa i Jônadaba, zanakalahin’i Rekaba, dia nandidy ireo zanany mba tsy hisotro divay, ary nankatoavin’ny Rekabita ny teniny; ka tsy nikasika divay ireo mandraka androany, satria nitana ny hafa-drazany. Izaho anefa, na dia tsy nitsahatra nampitandrina anareo aza, dia tsy mba nohenoinareo akory.
15
Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.
16
Ny Rekabita dia nankatò ny hafatra azony tamin’i Jônadaba razambeny, fa ianareo vahoakan’i Joda kosa tsy mba nihaino Ahy.»
17
Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»
18
Avy eo, dia hoy i Jeremià tamin’ny fokon’ny Rekabita: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Nitana ny hafatra azonareo tamin’i Jônadaba razanareo ianareo, ka nanatanteraka izany an-tsakany sy an-davany araka izay rehetra nanafarany anareo.
19
Noho izany, amin’ny fianakavian’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba, dia hisy hatrany olona hijoro hanompo eo anatrehako. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no milaza izany.»
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52