bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 4
Jeremiah 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 5 →
1
Raha hiverina ianao, ry Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia mahazo miverina amiko. Raha esorinao tsy ho hitan’ny masoko ireo sampinao maharikoriko, dia tsy hirenireny intsony ianao.
2
Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina no hanaovanao fianianana hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...», dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko sady hanao Ahy ho reharehany.
3
Izao no lazain’ny TOMPO amin’ny olon’i Joda sy ireo mponin’i Jerosalema: Miasà tanimboly vaovao ianareo, fa aza mamafy amin’ny tany misy tsilo!
4
Aoka ho voafora ho Ahy TOMPO ianareo ka esory ny loto ao amin’ny fonareo ry olon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Fandrao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ny ataonareo ka handevona izao rehetra izao; ary tsy hisy hamono ny afo.
5
Ataovy ny fanairana an’i Joda ary ampandreneso ny ao Jerosalema Tsofy ao amin’io tany io ny anjomara, ka miantsoantsoa mafy hoe: Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra ao amin’ny tanànamimanda.
6
Atsangano tandrifin’i Tsiôna ny faneva, ary mandosira ka aza miato; fa hahatonga loza amin’antambo lehibe avy any avaratra ny Tompo.
7
Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.
8
Manaova akanjo fisaonana noho izany ka mitomania sy midradradradrà, fa ny TOMPO tsy mbola nampiala tamintsika ny fahatezerany mirehitra.
9
Amin’ny andro hitrangan’izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia ho kivy ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony, ho ketraka ny mpisorona ary hivarahontsana ny mpaminany.
10
Dia hiteny ireny hoe: «Andray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, namitaka ity vahoaka ity sy namitaka an’i Jerosalema Ianao tamin’ny fampanantenana hoe fa hisy fiadanana ho antsika kanjo mihatra aman’aina ity ny sabatra!»
11
Amin’izay dia hiteny amin’ity vahoaka ity sy amin’ny mponin’i Jerosalema ny Tompo hoe: «Ny rivotra mahamay eny an-tendrombohitra no tonga avy any an-taniefitra mankany amin’ny vahoakako; tsy rivotra malefaka hikororoham-bary
12
fa rivotra mahery izay nirahiko avy any, ka hanambaràko ankehitriny ny didim-pitsarana hamelezako azy.»
13
Indro tamy ny fahavalo: toy ny rahona no iakarany hanafika, toy ny rambon-danitra no firimorimon’ny kalesiny ary faingana noho ny voromahery ny soavaliny. Very isika, fa ringana tanteraka!
14
Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?
15
Henoy ange fa misy siosio avy any Dana, ary misy vaovao milaza fahoriana avy amin’ny faritra havoan’i Efraîma.
16
Lazaonareo amin’ny mponina rehetra, ampandrenesonareo i Jerosalema fa manakaiky azy ny mpanao fahirano, tonga avy any an-tany lavitra any ka mihorakoraka hamely ireo tanànan’i Joda.
17
Manodidina an’i Jerosalema tahaka ny olona miandry saha izy. Vokatry ny fikomianao tamiko izao, teny hentitry ny TOMPO izany.
18
Ny fitondrantenanao sy ny ratsy nataonao no nahatonga izao taminao, ry Jerosalema. Hotsaroanao ny ngidin’izao loza izao, satria mihatra hatrany amin’ny fonao.
19
Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.
20
Fahavoazana mifanontona no ambara; rava ny tany manontolo. Rava tampoka teo ny tranolay nitobianay ary fongana indray mipi-maso ny fialofanay.
21
Mandra-pahoviana no mbola hijereko ireo faneva famantarana ady sy handrenesako ny feon’ny anjomara?
22
«Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.
23
Nojereko ny tany, ka indro foana sady tsy nisy endrika, ary ny lanitra tsy nisy fahazavana.
24
Nojereko ny tendrombohitra ka tsy nahajoro intsony; ary ny havoana rehetra nihozongozona.
25
Nojereko ka tsy nisy olona intsony fa lasa mbamin’ny voronkely rehetra aza.
26
Nojereko ity tany izay saha nahavokatra ka tonga taniefitra sisa, fa rava avokoa ny tanànany. Noho ny nataon’ny TOMPO izany, noho ny fahatezerany mirehitra.
27
Izao no lazain’ny TOMPO: «Ho lao ny tany manontolo nefa tsy hofoanako avokoa.
28
Noho izany, dia misaona ny tany ary mihamaizina ny lanitra any ambony. Satria Izaho no efa niteny; ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho na hihemotra amin’izany.»
29
Noho ny fihorakorak’ireo mpitaingin-tsoavaly sy ireo mpitifitra amin’ny tsipîka, dia vaky nandositra ny tao an-tanàna rehetra: ka nitsofoka anaty kirihitr’ala na nianika ny harambato. Nilaozana avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy nisy mponina intsony.
30
Ary inona ity ataonao, ry Jerosalema? Na miakanjo marevaka aza ianao sy miravaka volamena sady manao manja maso, dia tsy misy ilana ny hatsaran-tarehinao. Fa harian’ireo lehilahy naka anao ianao, sady tadiaviny hovonoina ho faty.
31
Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho, dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany. Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany, dia ireo mponina misefosefo sady maninji-tanana miangavy hoe: «Lozanay fa reraka ny ainay noho ny ataon’ireo mpamono olona!»
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52