bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 26
Jeremiah 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 27 →
1
Vao niandoha ny fanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe:
2
«Izao no voalazan’ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan’ny tranoko ianao ary mitenena amin’ny olona rehetra mponin’ireo tanànan’i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.
3
Angamba hihaino ihany izy, ka hiala amin’ny fitondrantena ratsy. Mihevitra ny hamely azy amin’ny loza Aho noho ny ratsy fanaony, nefa tsy hampihariko izany raha mihaino izy.
4
Koa ambarao azy hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Mihainoa Ahy ianareo ka araho ny lalàna izay nomeko anareo;
5
ary mihainoa ny tenin’ireo mpaminany mpanompoko. Tsy nitsahatra naniraka azy tatỳ aminareo Aho, nefa tsy nihaino azy ianareo.
6
Fa raha tsy mihaino ianareo, dia horavako tahaka ny nandravako ilay tao Silao ity trano ity; ary ny tanànan’i Jerosalema dia hataoko oha-panozonana any amin’ny firenena rehetra eran-tany.»›
7
Ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra teo dia samy nahare an’i Jeremià nanambara ireo teny ireo tao an-tranon’ny TOMPO.
8
Koa rehefa tapitra voalazan’i Jeremià ny teny rehetra izay nasain’ny TOMPO nambarany tamin’ny besinimaro teo, dia nosamborin’izy rehetra i Jeremià ka nataony hoe: –Mendrika ho faty ianao.
9
Ahoana no ahasahianao milaza amin’ny anaran’ny TOMPO fa horavana tahaka ny tao Silao ity trano ity, ary ho simba sady tsy hisy mponina ity tanàna ity? Tamin’izay dia nitangorona hamely an’i Jeremià izay rehetra teo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO.
10
Nony ren’ireo mpitondran’i Joda ny zava-nitranga, dia niakatra avy tao an-dapan’ny mpanjaka hankao an-tranon’ny TOMPO izy, ka nipetraka hitsara teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.
11
Dia hoy ireo mpisorona ama-mpaminany tamin’ny mpitondran’i Joda ary koa tamin’ny vahoaka rehetra teo: –Mendrika ho faty io lehilahy io, satria naminany ny hamelezana ity tanàna ity izy, ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre.
12
Fa namaly ny mpitondra sy ny vahoaka rehetra teo i Jeremià ka nanao hoe: –Ny TOMPO no naniraka ahy hanambara ny hamelezana ity trano ity sy ity tanàna ity araka izay efa renareo teo.
13
Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.
14
Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy.
15
Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.
16
Tamin’izay dia hoy ireo mpitondra sy ny vahoaka rehetra tamin’ny mpisorona sy ny mpaminany hoe: –Tsy mendrika ho faty ity lehilahy ity fa tamin’ny anaran’ny TOMPO Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
17
Nisy nitsangana aza ny loholona ka niteny tamin’ny vahoaka vory teo hoe:
18
–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»
19
Moa nampamono azy ho faty va i Hezekià mpanjaka sy ny vahoaka rehetra tao Joda? Tsia, fa nanaja ny TOMPO izy ary niezaka hampitony azy. Koa tsy nampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana azy. Fa isika kosa hampidi-doza lehibe ho an’ny tenantsika, raha manameloka ho faty io lehilahy io.
20
Nisy mpaminany iray hafa koa niteny tamin’ny anaran’ny TOMPO, dia i Orià zanakalahin’i Semahià sady avy any Kiriata-Jeharima. Nanambara ny hamelezana an’i Jerosalema sy ny tanin’i Joda koa izy tahaka ny hafatra rehetra efa nataon’i Jeremià.
21
Fa raha nandre ny tenin’i Orià i Jôiakima mpanjaka sy ireo mpiambina azy ary ny mpitondra rehetra, dia nitady hahafaty azy. Ren’i Orià izany, dia natahotra izy ka nandositra tany Ejipta.
22
Fa i Jôiakima mpanjaka naniraka an’i Elnatàna zanakalahin’i Akbôra mbamin’ny lehilahy vitsivitsy hankany Ejipta.
23
Koa nalain’ireo avy any Ejipta i Orià ary nentiny teo amin’i Jôiakima mpanjaka. Dia nasainy novonoina izy ary nariany tao amin’ny fasam-bahoaka ny fatiny.
24
Fa i Jeremià kosa narovan’i Ahikama zanakalahin’i Safàna ka tsy nisy sahy nanolotra azy ho eo an-tanan’ny vahoaka mba hovonoina ho faty.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52