bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 16
Jeremiah 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 17 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Tsy hanam-bady ianao ary tsy hanan-janakalahy na zanakavavy eto amin’ity tany ity.
3
Fa izao no lazaiko ny amin’ireo zanakalahy sy ireo zanakavavy izay ho teraka eto amin’ity tany ity ary koa ny amin’ny rainy sy reniny niteraka azy:
4
Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.»
5
Izao koa no voalazan’ny TOMPO tamiko: «Aza miditra amin’ny tranom-paty na manatrika fandevenana na mitsapa alahelo akory, fa efa nesoriko tamin’ity vahoaka ity ny fihavanako sy ny hatsaram-poko ary ny fangorahako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
6
Fa na mpanankarena na mahantra no maty amin’ity tany ity, dia tsy halevina na hitomaniana na hanehoana alahelo amin’ny fitetehan-tena na hiboriana volo.
7
Tsy hisy hanome hanina ny fianakaviana misaona na hampionona azy, ary tsy hisy hampisotro amin’ny kaopy fampiononana izay maty ray na maty reny.
8
«Aza miditra ao amin’ny trano misy fanasana koa ianao, na mipetraka hihinana sy hisotro miaraka amin’izay nasaina.
9
Satria Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no efa milaza hoe: ‹Indro hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ny mpanambady.›
10
«Ary rehefa mampita izany hafatra izany amin’io vahoaka io ianao, ka hanontaniany hoe: ‹Nahoana ny TOMPO no namoaka izany teny mandoza lehibe izany hamelezana anay? Fa inona no heloka na fahadisoana nataonay tamin’ny TOMPO Andriamanitray?›
11
Ny havalinao kosa dia hoe: ‹Satria nahafoy Ahy ny razanareo ka nifikitra tamin’ny andriamani-kafa ary nanompo azy sy niankohoka teo anatrehany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Nahafoy Ahy izy ary tsy nitandrina ny lalànako.
12
Ary ianareo koa vao mainka manao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza, fa samy mikiribiby amin’ny ditram-pony avy, ka tsy mihaino Ahy.
13
Noho izany dia horoahiko hiala amin’ity tany ity ianareo hankany amin’ny tany izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razanareo. Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman’alina, fa tsy hiantra anareo intsony Aho.› »
14
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Ho avy ny andro izay tsy hanaovana fianianana intsony hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita hiala tany Ejipta, ka mianiana aho›,
15
fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»
16
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Haniraka mpanarato maro Aho mba hanarato azy; avy eo dia haniraka mpihaza betsaka koa Aho mba hihaza azy eny amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary hatrany an-tsefatsefaky ny harambato.
17
Fa arahiko maso ny fitondrantenany rehetra ka tsy misy miafina amiko; eny, miharihary eo imasoko ny helony.
18
Koa, ho fanombohana, dia hovaliako indroa heny ny helony sy ny fahadisoany satria nandoto ny taniko tamin’ireo fatin-tsampiny maharikoriko izy sady nameno ny anjara fananako tamin’ny andriamani-tsiizy mahatsiravina.»
19
–TOMPO ô, Ianao no heriko sady mpiaro ahy, fialofako amin’ny androm-pahoriako. Hankany aminao ireo firenen-kafa avy any am-paran’ny tany sady ho loa-bolana hoe: «Tena fitaka ny fivavahana izay nolovanay tamin’ny razanay, fa tsinontsinona sady tsy mahasoa.
20
Ny olona ve dia mahay manao andriamanitra ho an’ny tenany? Tsia, tsy Andriamanitra ireny.»
21
–Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Koa amin’ity indray mandeha ity, dia hampahafantariko azy ny fahefàko sy ny heriko ka ho fantany fa Izaho no TOMPO.»
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52