bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 29
Jeremiah 29
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 30 →
1
Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremià mpaminany ho an’ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin’ireo vahoaka rehetra izay nentin’i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilôna. Ny nandefasana io taratasy io
2
dia fony niala tao Jerosalema i Jekonià mpanjaka sy ny renin’ny mpanjaka, ireo tandapa sy ireo mpiasam-panjakana ambony tao Joda sy Jerosalema mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpahay taovỳ.
3
Fa i Tsedekià mpanjakan’i Joda efa naniraka an’i Elehasà, zanakalahin’i Safàna sy an’i Gemarià zanakalahin’i Hilkià hankany Babilôna ho any amin’i Nebokadnetsara mpanjaka. Koa nampitondrain’i Jeremià azy roa lahy ny taratasy milaza hoe:
4
«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely, ho an’izay rehetra natolony ho babo avy tao Jerosalema ho any Babilôna:
5
‹Manorena trano ho anareo ka ipetraho; voleo ny tanimboly ka hano izay vokatra avy aminy.
6
Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy!
7
Katsaho izay hampisy fiadanana any amin’ny tanàna izay nandefasako anareo ho babo, ka mivavaha amiko ho azy, fa arakaraky ny hampiadana azy no hiadananareo koa.›
8
«Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin’ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo.
9
Fa mihambo ho maminany amin’ny anarako izy nefa lainga izany, fa tsy naniraka azy akory Aho, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›
10
«Izao koa no lazain’ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan’i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo.
11
Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo.
12
Amin’izay raha miantso Ahy ianareo ka mivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
13
Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy. Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin’ny fonareo manontolo Aho, dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho, ka havoakako avy any amin’ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin’ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›
15
«Noho ianareo mihambo ho nananganan’ny TOMPO mpaminany atỳ Babilôna,
16
«Ny amin’ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny amin’ny vahoaka rehetra izay mbola mipetraka eto Jerosalema, izany hoe ireo mpiray firenena tsy mba nentina ho babo niaraka taminareo, dia izao no lazain’ny Tompo,
17
izao no ambaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ‹Handefa ady sy mosary ary areti-mandringana hamely azy Aho. Hataoko tonga tahaka ny aviavy lò izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
18
Hoenjehiko amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy, ka ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany raha mahita azy. Any amin’ny firenen-kafa rehetra izay hampielezako azy, dia horaisina ho ohatra izy hoenti-manozona sy hoenti-milaza zava-mahatahotra sy mampihoron-koditra na mahamenatra;
19
satria tsy nohenoiny akory izay nolazaiko taminy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy nitsahatra nandefa ireo mpaminany mpanompoko tany aminy Aho, fa tsy nihaino ireny izy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›
20
«Ianareo kosa, ry babo rehetra izay nasain’ny Tompo nentina avy eto Jerosalema hankatỳ Babilôna, mihainoa ny tenin’ny TOMPO.
21
dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely ny amin’i Ahaba zanakalahin’i Kôlaià sy ny amin’i Tsidekià, zanakalahin’i Mahaseià: Na dia mihambo haminany amin’ny anarako aza izy roa lahy, dia mpilaza lainga. Indro hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy ka hampamonoiny ho faty eo imasonareo.
22
Ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo atỳ Babilôna dia hampiasa ny anaran’izy roa lahy ho oha-panozonana ka hilaza hoe: Hataon’ny TOMPO tahaka izay nanjo an’i Tsedekià sy i Ahaba izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilôna tamin’ny afo anie ianao!
23
Hihatra amin’izy roa lahy izany noho ny nanaovany zavatra fady teo amin’i Israely; fa naka ny vadin’ny namany izy sady nilaza lainga kanefa nihambo ho niteny tamin’ny anarako, na dia tsy nomeko baiko aza hanao izany. Izaho TOMPO kosa dia mahalala ny zava-drehetra sady vavolombelon’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko.› »
24
Ny Tompon’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely no nanainga an’i Jeremià mpaminany hilaza hafatra ny amin’i Semahià avy any Nehelama. Fa io Semahià io efa nandefa taratasy tamin’ny anaran’ny tenany ihany ho an’i Tsefanià mpisorona, zanakalahin’i Mahaseià ary koa ho an’ireo mpisorona hafa sy ho an’izay vahoaka rehetra tafajanona tao Jerosalema; ka nanoratra tamin’i Tsefanià izy nanao hoe:
26
«Satria ny TOMPO efa nametraka anao ho mpisorona hisolo an’i Jôiadà, dia ianao no mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO ka tokony hanara-maso izay rehetra misary adala milaza azy ho mpaminany sy hampamatotra azy amin’ny gadra vy na rojo vy.
27
Nahoana àry ianao no tsy nihetsika nanohitra an’i Jeremià avy any Hanatôta, izay mihambo haminany aminareo?
28
Koa hadisoanao mihitsy raha toa izy afaka nandefa taratasy tatỳ aminay atỳ Babilôna mba hilaza aminay fa hijanona maharitra ho babo atỳ izahay. Nasainy hanorina trano aza izahay mba hipetrahanay ary nasainy hamboly zaridaina mba hihinananay ny vokatra avy aminy.»
29
Nefa novakin’i Tsefanià tamin’i Jeremià ilay taratasy.
30
Koa nisy baikon’ny TOMPO tamin’i Jeremià nanao hoe:
31
«Maniraha ho any amin’ireo babo mba hiteny aminy hoe: Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Semahià avy any Nehelama: Mihambo ho mpaminany aminareo i Semahià nefa Izaho tsy naniraka azy akory. Satria mampiantehitra anareo amin’ny lainga izy,
32
dia Izaho TOMPO no manamafy fa hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Semahià sy ny taranany Aho: Tsy hisy na iray aza amin’ny fianakaviany ho tafajanona eo anivonareo mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako; satria nanosika anareo vahoakako hikomy amiko TOMPO izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52