bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 43
Jeremiah 43
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 44 →
1
Rehefa tapitra voalazan’i Jeremià avokoa tamin’ny vahoaka rehetra teo ny tenin’ny TOMPO Andriamaniny araka izay nanirahany azy holazainy aninkeheo,
2
dia namaly i Hazarià zanakalahin’i Hosaià sy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin’i Jeremià hoe: –Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika.
3
I Baròka, zanakalahin’i Nerià, no nanome saina anao hamely anay, fa tiany ho voatolotra eo an-tanan’ny Babilônianina izahay mba hamonoany anay ho faty na hitondrany anay ho babo any Babilôna.
4
Noho izany, tsy nanaiky hipetraka tany Joda araka izay nambaran’ny TOMPO azy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila mbamin’ireo olona niaraka taminy.
5
Fa nentin’i Jôhànana zanakalahin’i Karehà sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila kosa ny vahoaka sisa tavela tao amin’ny fanjakan’i Joda, izany hoe ny olona rehetra voaroaka tany amin’ireo firenena manodidina ka niverina honina tao Joda indray,
6
dia lehilahy mpiady sy zaza amam-behivavy ary ireo zanakavavin’ny mpanjaka; ireo olona rehetra ireo dia izay napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna. Nentiny niaraka taminy koa i Jeremià mpaminany sy i Baròka zanakalahin’i Nerià.
7
Tsy nihaino ny feon’ny TOMPO ireo, fa lasa nankany Ejipta, ary tonga hatrany Tahapanehesa.
8
Dia tonga tamin’i Jeremià tao Tahapanehesa ny baikon’ny TOMPO hoe:
9
«Makà vato lehibe vitsivitsy ka aleveno ao amin’ny gorodona rarivato eo am-pidirana mankao an-dapan’ny Farao ao Tahapanehesa eo imason’ny lehilahy jodeanina.
10
Dia ambarao amin’ireo hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro Aho haniraka hampaka an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay mpanompoko, ka eto ambonin’ireto vato izay nalevina eto ireto no haoriko ny sezafiandrianany, ary eto no hamelarany ny trano lain’ny mpanjaka.
11
Ho avy hamely ny tany Ejipta izy, ka izay olona natao ho amin’ny areti-mandringana dia hianjadian’ny areti-mandringana, izay natao ho amin’ny fahababoana dia hianjadian’ny fahababoana, ary izay natao ho amin’ny sabatra dia hovonoina ho faty amin’ny sabatra.
12
Hodorany amin’ny afo ny tempolin’ireo andriamanitry ny Ejiptianina, hodorany koa ireo andriamanitry ny Ejiptianina na hoentiny ho babo any aminy. Tahaka ny hitsimponan’ny mpiandry ondry ny haofotsy amin’ny fitafiany no hitsimponany an’i Ejipta. Avy eo dia hiala am-pilaminana izy.
13
Hotorotoroin’i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliôpôly ary horavany amin’ny afo ireo tempolin’ny andriamanitry ny Ejiptianina.› »
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 44 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52