bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 17
Jeremiah 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 18 →
1
Ny fahotan’ireo vahoakan’i Joda dia voasoratra tamin’ny vy sy diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin’ny vatofisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron’ny alitarany;
2
ka ho marika hiampangana azy ireo alitarany sy ireo tsatokazo fanajany an’i Aserà, eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana
3
ary eny antampon-tendrombohitra any an-tsaha. Hatolotro horobaina avokoa ny fanananao sy ny haren-tsarobidinao, mbamin’ireo toeran-tsampinao koa aza ho valin’ny ota nataonao tao amin’ny faritaninao manontolo.
4
Ary tsy maintsy hafoinao ny zaratany izay nomeko anao. Hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrao ny afom-pahatezerako izay hirehitra mandrakizay.
5
Izao no lazain’ny TOMPO: –Voaozona izay mitoky amin’olombelona sy miantehitra amin’ny nofo ho heriny ka mampiala ny fony amiko.
6
Ho tahaka ny anjavidy ao an-tany hay izy ka tsy hahita ny soa ho avy; hitoetra an-tsaham-bato any an-taniefitra izy dia eo amin’ny tanin-tsira tsy azo onenana.
7
Fa hotahîna izay mitoky amiko ka manana Ahy TOMPO ho fialofany.
8
Ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron-drano izy ka misandraha-paka eo akaikin’ny renirano. Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana, ary maitso hatrany ny raviny; Na dia amin’ny taonan’ny hain-tany aza, tsy manahy izy fa mamokatra hatrany.
9
–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.
10
–Izaho TOMPO kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an’eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona.
11
Tahaka ny akoho mikotrika atodin-gana, toy izany izay manangon-karena tsy ara-drariny: eo antenatenan’androny izy no hilaozan’izany hareny izany, ka ho lasa adala no iafarany.
12
Sezafiandrianana be voninahitra sady miteronterona hatrany am-boalohany no tempoly masina ho antsika.
13
Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona ô.
14
TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany.
15
Indreo ny besinimaro milaza amiko hoe: «Aiza ihany ity tenin’ny TOMPO? Aoka ho tanteraka amin’izay izany!»
16
Tsy izaho no nanery Anao hanafaingana ny loza, Tompo ô, na nirary hiavian’ny antambo. Fantatrao tokoa izany, satria niharihary teo anatrehanao izay hafatra naloaky ny molotro.
17
Aoka tsy ho fampitahorana ahy Ianao fa Ianao no fialofako amin’ny androm-pahoriana!
18
Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.
19
Izao no voalazan’ny TOMPO tamiko: –Mandehana, ka mijoroa eo amin’ny vavahadim-bahoaka izay fandalovan’ny mpanjakan’i Joda raha miditra sy mivoaka ny tanàna izy; ary hanaovanao toy izany koa amin’ny vavahady rehetra eto Jerosalema.
20
Ka lazao amin’ny mpandalo hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo mpanjakan’i Joda sy ianareo rehetra vahoakan’i Joda ary ianareo rehetra mponina eto Jerosalema izay miditra amin’ireto vavahady ireto.
21
Izao no lazain’ny TOMPO: Mitandrema tena ianareo mba tsy hitondra entana amin’ny andro sabata ka hampandalo azy amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo.
22
Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin’ny andro sabata na manao raharaha akory amin’izany; fa atokany ho Ahy ny andro sabata tahaka izay efa nandidiako ny razanareo.
23
Nefa tsy nihaino izy na nampandry sofina fa nanamafy hatoka; eny, tsy nihaino izy fa nandà ny fampitandremako.
24
«Ianareo kosa, mihainoa Ahy tsara, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Aza mampandalo entana amin’ireo vavahadin’ny tanàna ireo amin’ny andro sabata; fa atokany ho Ahy izany andro izany ka aza manao raharaha akory ianareo.
25
Amin’izay ireo mpanjaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida ka mandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy sy ireo mpitondra sy ny vahoakan’i Joda ary ireo mponina rehetra eto Jerosalema dia hahazo hiditra amin’ireo vavahady ireo hatrany; ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay.
26
Amin’izay dia ho avy ireo olona avy amin’ny tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ny faritanin’i Benjamîna ary koa ireo olona avy eny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny tany be tendrombohitra mbamin’ny faritr’i Negeba; ka hankao an-tempoly izy hanolotra sorona dorana manontolo sy sorona hafa, hanolotra fanatitra hanina sy vovo-javamanitra nafangaro ary sorom-pisaorana.
27
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manokana ny andro sabata ho Ahy fa mbola mitondra entana mandalo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo amin’ny andro sabata ihany, dia handrehetako afo ao anaty tanàna; ka handevona ireo tranony tsara tarehy izany afo izany sady tsy ho faty.»
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52