bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 9
Jeremiah 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 10 →
1
Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.
2
«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin’ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.
3
Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo ary aza matoky olona na dia ny rahalahy aza; fa Jakôba vaovao mamitaka tokoa izy, ary na ny sakaiza aza manaratsy anareo.
4
Samy mamitaka ny namany izy fa tsy misy milaza ny marina, satria efa zatra mandainga. Nironany loatra ny fanaovan-dratsy ka tsy afaka hiverina amiko intsony izy.
5
Herisetra arahina herisetra, ary fitaka arahina fitaka! Tsy manaiky hahalala Ahy izy, hoy ny teny hentitra ambarako!»
6
Koa hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Hodioviko amin’ny afo izy ary hozahako toetra. Satria ahoana ny fomba hafa hataoko amin’ny faharatsian ’ny vahoakako?
7
Toy ny zana-tsipîka mahafaty ny lelany, ka lainga avokoa izay lazainy: Tsara vava amin’ny namany izy, fa ao anatiny manao otri-po.
8
Koa tsy hirotsaka ve Aho hamely ireny olona ireny, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitra ambarako?»
9
Noho ny amin’ny tendrombohitra no hitomaniako sy hitarainako, ary noho ny amin’ny kijana any an-taniefitra no hanaovako hira fisaonana, satria voadoro avokoa izy rehetra ka tsy andalovan’olona intsony. Tsy re any intsony ny fitrenan’ny andian’omby; ary samy lasa nandositra avokoa ny voro-manidina sy ny bibidia.
10
Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.»
11
Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony.
12
Ary hoy indray ny TOMPO hoe: «Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino na nanaraka izay nolazaiko taminy;
13
nikiry tamin’ny ditram-pony hanao ratsy izy, ka nifikitra tamin’i Bahala izay efa nanazaran’ny razany azy.
14
Noho izany, hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely, indro hofahanako zava-mahafaty ity vahoaka ity, ary hampisotroiko rano misy poizina.
15
Haeliko any amin’ny firenen-kafa izay tsy fantany na fantatry ny razany izy, ka hoenjehiko amin’ny ady any ambara-pahalany ritra azy.
16
Izany no TOMPOn’izao rehetra izao. Tandremo, antsoy ho tonga ireo vehivavy mpitomany. Maniraha haka ireo efa za-draharaha;
17
aoka ho tonga faingana ireny ka hiredona hira fisaonana ho antsika! Aoka hijoy ny ranomasontsika ary ho kotsan-dranomaso ny hodi-masontsika!
18
Misy feo mitaraina re any Tsiôna: «Indrisy, rava isika sady afa-baràka tokoa satria voatery hamoy ity tany ity noho ny nandrodanana ny tranontsika!»
19
Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin’ny TOMPO, sokafy tsara ny sofinareo amin’izay lazainy: ampianaro hira fisaonana ny zanakavavinareo, samia ianareo mampianatra ny namany avy izao tononkira fitomaniana izao:
20
«Mianika ny varavarankelintsika ny fahafatesana, ary miditra ao an-dapantsika; eny an-dalambe no andringanany ny ankizy ary eny an-kianja no andripahany ny zatovo.»
21
Ambarao kosa, ry Jeremià, izao teny hentitry ny TOMPO izao: «Eny amin’ny tany eny no miampatrampatra ny fatin’olona, toy ny zezika aparitaka eny an-tanimboly; tahaka ny amboara voajinja sady efa nilaozan’ny mpijinja saingy tsy misy olona mpanangona.»
22
Izao no lazain’ny TOMPO: «Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, ary aoka ny mpanankarena tsy hirehareha amin’ny hareny!
23
Fa raha misy te hirehareha, dia aoka izy hirehareha ho afaka mahafantatra Ahy sy mahalala fa Izaho TOMPO, dia mampihatra ny hatsaram-po ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany. Eny, ny olona toy ireny no sitrako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»
24
Indro avy ny andro, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, izay hirotsahako an-tsehatra hamely ireo voafora ivelany fotsiny:
25
na ny Ejiptianina, na ny Jodeanina, na ny Edômita, na ny Hamônita, na ny Môabita na ireo mponina any an-taniefitra izay miharatra fihirifana. Satria izy rehetra ireo, eny na dia ny Israelita koa aza, dia tsy voafora fo ho an’ny Tompo.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52