bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 21
Jeremiah 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 22 →
1
Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ho an’i Tsedekià mpanjaka. Fa nirahin’ny mpanjaka hankany amin’i Jeremià i Pasehora zanakalahin’i Malkià ary koa i Tsefanià mpisorona sady zanakalahin’i Mahaseià mba hangataka aminy hoe:
2
–Raha sitrakao, anontanio ny TOMPO re ny momba antsika, satria miady amintsika i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Angamba mety hanao zava-mahagaga indray ny TOMPO, ka hanainga ny Babilônianina handao antsika.
3
Dia hoy i Jeremià tamin’ireo iraka: –Ndeha lazao amin’i Tsedekià
4
izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.
5
Izaho mihitsy no hiady aminareo, ka hampiseho aminareo ny heriko sy ny fahaizako ao anatin’ny fahatezerako mirehitra mahatsiravina.
6
Hamely izay rehetra monina amin’ity tanàna ity Aho, na olona na biby, ka ho fatin’ny areti-mandringana izy rehetra.
7
Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»
8
Nisy hafatra hafa koa nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ho an’ny vahoaka hoe: «Izao no lazain’ny Tompo: indro ianareo apetrako eo an-tsampanan-dalana, ka eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana.
9
Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.
10
Fa tsy ny hitondra soa amin’ity tanàna ity no kendreko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, fa ny hitondra loza aminy; hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy hodorany amin’ny afo.»
11
Fanambaràna ho an’ny fianakavian’ny mpanjakan’i Joda. Mihainoa ny tenin’ny TOMPO,
12
ianareo taranak’i Davida. Izao no lazain’ny TOMPO: Fanaovana fitsarana ara-drariny no tontosay isa-maraina. Afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany fandrao hitroatra ny fahatezerako ka ho afo mandoro tsy hay vonoina. Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.
13
Indro avy hamely anareo Aho ry mponina erỳ ambanimbany, eo amin’ny vatolampy milembalemba, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; hamely anareo Aho, dia ianareo izay mihambo fa tsy misy fahavalo afa-midina hatreny aminareo na hiditra amin’ny fisitrihanareo.
14
Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin’ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon’izany afo izany.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52