bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 42
Jeremiah 42
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 43 →
1
Tamin’izay ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila, indrindra i Jôhanàna zanakalahin’i Karea sy i Hazarià zanakalahin’i Hôsaià, ary koa ny vahoaka rehetra teo na kely na lehibe,
2
dia nanatona an’i Jeremià mpaminany ka niteny taminy hoe: –Mba ekeo re ny fiangaviana ataonay eto anatrehanao, ka mivavaha amin’ny TOMPO Andriamanitrao ho anay rehetra sisa tavela ireto satria vitsy kely izahay araka izao hitanao maso izao.
3
Mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrao mba hatorony anay ny lalana tokony hizoranay sy ny zavatra tokony hataonay.
4
Dia hoy i Jeremià mpaminany taminy: –Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin’ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahanareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin’ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo.
5
Ary namaly an’i Jeremià ireo hoe: –Aoka ny TOMPO no ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika! Mianiana izahay fa araka ny teny anirahan’ny TOMPO Andriamanitrao aminay tokoa no hataonay.
6
Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay.
7
Nony afaka folo andro, dia tonga tamin’i Jeremià ny valin-tenin’ny TOMPO.
8
Koa nampiantso an’i Jôhanàna zanakalahin’i Karea sy ireo olon-kafa mpifehy ny andia-miaramila izay niaraka taminy mbamin’ny vahoaka rehetra na kely na lehibe i Jeremià,
9
ary nanao taminy hoe: –Naniraka ahy hitondra ny fangatahanareo tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ianareo, ka izao no valin-teniny:
10
«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.
11
Koa aza matahotra ny mpanjakan’i Babilôna intsony. Eny, Izaho TOMPO no manao teny hentitra hoe: Aza matahotra azy fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo teo am-pelatanany.
12
Homeko indrafo ianareo ka hamindrafo anareo izy ary hamela anareo hiverina any an-taninareo.»
13
Hoy ihany i Jeremià: –Kanefa mety tsy hanaraka ny baikon’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hilaza tsy hipetraka amin’io tany io,
14
fa handeha any Ejipta mba tsy hahita ady sy tsy handre ny feon’ny anjomara ary tsy ho faty mosary intsony, dia hipetraka any!
15
Ny amin’izay kosa dia mihainoa ny tenin’ny TOMPO ankehitriny ianareo izay sisa tavela amin’ny fanjakan’i Joda, fa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Raha mikiry hankany Ejipta ianareo ka mandeha hialokaloka any,
16
dia any no hahatratra anareo ny ady izay atahoranareo ary any no hanaraka anareo ny mosary izay ahinareo mafy ka hahafaty anareo.
17
Izay rehetra mikiry hankany Ejipta mba handeha hialokaloka any dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ka tsy hisy ho afaka amin’ny loza izay halefako hamely azy.»
18
Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»
19
Dia mbola nampian’i Jeremià hoe: –Ny TOMPO mihitsy no miteny aminareo sisa tavela amin’ny fanjakan’i Joda mba tsy hankany Ejipta. Aoka ho fantatrao tokoa fa vavolombelona aminareo aho androany.
20
Nanao hevitra kinangananga ianareo, raha naniraka ahy hanontany ny TOMPO Andriamanitrareo, ary nangataka ahy hivavaka ho anareo, ka nanao tamiko hoe: «Ampahafantaro anay avokoa izay rehetra nandidian’ny TOMPO anao, dia hataonay izany».
21
Nefa androany raha nitondra ny valin-teny avy amin’ny TOMPO Andriamanitsika aho, dia tsy mihaino Azy ianareo ny amin’izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
22
Noho izany, dia aoka ho fantatrareo tokoa fa ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo any amin’io tany izay tianareo haleha hialokalofana io!
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 43 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52