bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 46
Jeremiah 46
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 47 →
1
Hafatra izay nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany momba ireo firenen-kafa.
2
Fanambaràna momba an’i Ejipta sy ny tafiky ny Farao Nekao, mpanjakan’i Ejipta. Tao Karkemisy teo amoron’ny ony Eofrata i Nekao no resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià mpanjakan’i Joda.
3
Manome baiko ny manamboninahitra hoe: «Omany ny ampinga kely sy lehibe ary mandrosoa hiady.
4
Afatory ny lasely, ary taingeno ny soavaly! Anaovy ny satro-by fiarovan-doha ka milahara! Arangarangao ny lefona; iakanjoy ny akanjo vy fiarovan-tratra.»
5
Ahoana izao zavatra hitako izao? Raiki-tahotra izy ka mihemotra. Resy ireo miaramila mahery fo sady mitsoaka mandositra, ka tsy misy miherika akory. Fihorohoroana hatraiza hatraiza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
6
Tsy afa-mandositra ny faingam-pandeha ary tsy mahavonjy tena ny mahery fo; fa any avaratra eo amoron’ny ony Eofrata izy no ho tafintohina ka hianjera.
7
Iza àry ity tahaka an’i Neily tondraka, na ireo sampany misy rano misamboaravoara?
8
I Ejipta no tahaka an’i Neily tondraka, na ireo sampany misy rano misamboaravoara, fa hoy izy hoe: «Hiakatra hanafotra ny tany aho, ary handringana ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
9
Manafiha amin’izay, ry soavaly, ary miriota mafy, ry kalesy! Aoka hiainga ny mahery fo, dia ireo olon’i Kosy sy Pota izay mpitondra ampinga kely sy ireo olon’i Loda izay mirongo tsipîka!»
10
Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin’ny ran’ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no any amin’ny tany avaratra manamorona ny ony Eôfrata.
11
Ry Ejipta mahonena, miakara hatrany Gilehada ka makà balsama ho anao... Nefa tsy ilaina ny hampitomboanareo ny fitsaboana satria tsy misy fanafody hahasitrana ny ferinao.
12
Ren’ny firenen-kafa ny henatrao fa nanenika ny tany ny tolokonao. Nifamingana ny samy mahery fo ka niara-nianjera izy roa tonta.
13
Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany fony i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna tonga nanafika an’i Ejipta:
14
Ambarao any Ejipta ny vaovao ary ampandreneso ao Migdôla sy ao Memfisa ary ao Tahapanehesa, ka ataovy hoe: «Mivonòna hiady ary miomàna, fa efa ripaky ny ady ny manodidina anao.»
15
Fa inona no miseho? Mianjera amin’ny tany ny ombalahy masina ianteheranao! Tsy nahatohitra izy fa voatosiky ny TOMPO
16
Izay mampivembena miaramila maro sy mampianjera azy hifanindry. Dia nifampiresaka ireo hoe: «Andeha isika hiverina any amin’ny firenentsika, dia any amin’ny tany nahaterahantsika, mba ho afaka amin’ny ady mandoza.»
17
Fa ny Farao mpanjakan’i Ejipta kosa dia omeo anaram-bosotra hoe: «Rabetabataba tsy misy vokany.»
18
–Teny hentitra no ataon’ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao»: Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo. Azo antoka tahaka ny fisian’i Tabôra amin’ny samy tendrombohitra izany; azo antoka tahaka ny fisian’i Karmela izay mandòndona eo amoron-dranomasina!
19
Ry mponina any Ejipta ô, mifeheza entana mba handeha any amin’ny fahababoana. Fa hodorana ny tanànan’i Memfisa, ka ho lao tsy hisy mponina intsony.
20
Toa ombivavy kely tsara tarehy i Ejipta! Kinanjo tamy avy any avaratra ny fihitra hanaikitra azy!
21
Voakarakara toa ombilahy kely mifahy ireo miaramila mpikarama an’ady tao Ejipta. Nefa, na ireo koa aza, nihemotra ka samy lasa nandositra avokoa. Tsy nisy nahajoro nony tonga ny andro mahory izay hirotsahako an-tsehatra hamely azy.
22
Toy ny fitsaitsaikan’ny menarana no fialan’ny tafika ejiptianina, raha vao tonga hamely azy ny fahavalo izay toy ny mpikapa hazo mandrangaranga famaky.
23
Kapain’ireo ny alany, na dia matevina aza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa marobe noho ny andiam-balala izy ka tsy tambo isaina.
24
Rakotra henatra ny mponin’i Ejipta: eo an-tanan’ny vahoaka avy any avaratra no efa nanolorana azy!
25
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Amôna andriamanitr’i Teba, hamely an’i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy.
26
Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna mbamin’ireo miaramilany. Rehefa afaka izany, vao hiverina amin’ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»
27
Aza matahotra kosa ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko. Aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakao avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
28
Ry taranak’i Jakôba mpanompoko, aza matahotra ianareo, satria Izaho no miaraka aminareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba hofongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina!
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 47 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52